<-
->

2Tt / 2Tan 11:1 And when Rehoboam was come to Jerusalem, he gathered of the house of Judah and Benjamin an hundred and fourscore thousand chosen men, which were warriors, to fight against Israel, that he might bring the kingdom again to Rehoboam. Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak' i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin' ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama. Nony tafaverina tany Jerosalema Roboama, dia namory ny taranak' i Jodà sy Benjamina, mpiady voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin' Israely hampody ny fanjakana amin-dRoboama. Roboam se rendit à Jérusalem; il convoqua la maison de Juda et de Benjamin, soit cent quatre-vingt mille guerriers d'élite, pour combattre Israël et rendre le royaume à Roboam.
2Tt / 2Tan 11:2 But the word of the Lord came to Shemaiah the man of God, saying, Kanjo kosa ny tenin' i Jehovah tonga tamin' i Semaia, lehilahin' Andriamanitra, ka nanao hoe: Kanjo tonga tamin' i Semaiasa olon' Andriamanitra, ny tenin' ny Tompo nanao hoe: Mais la parole de Yahvé fut adressée à Shemaya, l' homme de Dieu, en ces termes :
2Tt / 2Tan 11:3 Speak unto Rehoboam the son of Solomon, king of Judah, and to all Israel in Judah and Benjamin, saying, Mitenena amin-dRehoboama, zanak' i Solomona, mpanjakan' ny Joda, sy amin' ny Isiraely rehetra amin' ny Joda sy ny Benjamina hoe: Mitenena amin-dRoboama, zanak' i Salomona, mpanjakan' i Dofa, sy amin' Israely rehetra eo amin' i Jodà sy Benjamina ka lazao hoe: " Dis ceci à Roboam, fils de Salomon, roi de Juda, et à tous les Israélites qui sont en Juda et en Benjamin :
2Tt / 2Tan 11:4 Thus saith the Lord, Ye shall not go up, nor fight against your brethren: return every man to his house: for this thing is done of me. And they obeyed the words of the Lord, and returned from going against Jeroboam. Izao no lazain' i Jehovah: Aza mandeha hiady amin' ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin' i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an' i Jeroboama. Izao no lazain' ny Tompo: Aza miakatra ary aza miady amin' ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy hianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin' ny Tompo izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin' i Jeroboama. Ainsi parle Yahvé. N' allez pas vous battre contre vos frères; que chacun retourne chez soi, car cet événement vient de moi. " Ils écoutèrent les paroles de Yahvé et firent demi-tour au lieu de marcher contre Jéroboam.
2Tt / 2Tan 11:5 And Rehoboam dwelt in Jerusalem, and built cities for defence in Judah. Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. Nitoetra tao Jerosalema Roboama; ary nanorina tanàna mimanda tamin' i Jodà. Roboam habita Jérusalem et construisit des villes fortifiées en Juda.
2Tt / 2Tan 11:6 He built even Bethlehem, and Etam, and Tekoa, Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa Izao no naoriny: Betleema, Etma, Tekoe, Il restaura Bethléem, Étam et Teqoa,
2Tt / 2Tan 11:7 And Bethzur, and Shoco, and Adullam, sy Beti-zora sy Soko sy Adolama Betsora, Sokao, Odolama, Bet-Çur, Soko, Adullam,
2Tt / 2Tan 11:8 And Gath, and Mareshah, and Ziph, sy Gata sy Maresa sy Zifa Geta, Maresà, Zifa, Gat, Maresha, Ziph,
2Tt / 2Tan 11:9 And Adoraim, and Lachish, and Azekah, sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka Adorama, Lakisa, Azekà, Adorayim, Lakish, Azéqa,
2Tt / 2Tan 11:10 And Zorah, and Aijalon, and Hebron, which are in Judah and in Benjamin fenced cities. sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin' ny Joda sy ny Benjamina. Saraà, Aialòna ary Hebròna; tanàna mimanda ao amin' i Jodà sy Benjamina ireo. Çoréa, Ayyalôn, Hébron; c'étaient des villes fortifiées en Juda et en Benjamin.
2Tt / 2Tan 11:11 And he fortified the strong holds, and put captains in them, and store of victual, and of oil and wine. Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka. Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitehirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy. Il les fortifia puissamment et y mit des commandants, ainsi que des réserves de vivres, d' huile et de vin.
2Tt / 2Tan 11:12 And in every several city he put shields and spears, and made them exceeding strong, having Judah and Benjamin on his side. Ary tamin' ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy. Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. Jodà sy Benjamina dia azy. Dans chacune de ces villes il y avait des boucliers et des lances. Il les rendit extrêmement fortes et fut maître de Juda et de Benjamin.
2Tt / 2Tan 11:13 And the priests and the Levites that were in all Israel resorted to him out of all their coasts. Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin' ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin' ny fari-taniny avy. Ny mpisorona sy Levita izay teo amin' Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRoboama, avy any amin' ny faritaniny rehetra avy. Les prêtres et les lévites qui se trouvaient dans tout Israël quittèrent leur territoire pour s'établir près de lui.
2Tt / 2Tan 11:14 For the Levites left their suburbs and their possession, and came to Judah and Jerusalem: for Jeroboam and his sons had cast them off from executing the priest' s office unto the Lord: Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an' i Jehovah, Fa nandao ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak' i Levì, ka nankany Jodà sy Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin' i Jeroboama tamin' ny raharaham-pisoronana fankalazana an' ny Tompo, Les lévites, en effet, abandonnèrent leurs pâturages et leurs patrimoines et vinrent en Juda et à Jérusalem, Jéroboam et ses fils les ayant exclus du sacerdoce de Yahvé.
2Tt / 2Tan 11:15 And he ordained him priests for the high places, and for the devils, and for the calves which he had made. fa nanendry mpisorona ho amin' ny fitoerana avo sy ho an' ny Seïrima ary ho an' ny ombilahy kely izay nataony). fa nanangana mpisorona izy io ho amin' ny fitoerana avo sy ho an' ny osilahy, ary ho an' ny zanak' omby nataony. Jéroboam avait établi des prêtres pour les hauts lieux, pour les satyres et pour les veaux qu' il avait fabriqués.
2Tt / 2Tan 11:16 And after them out of all the tribes of Israel such as set their hearts to seek the Lord God of Israel came to Jerusalem, to sacrifice unto the Lord God of their fathers. Ary na iza na iza tamin' ny firenen' Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin' ny fo tokoa hitady an' ny Tompo Andriamanitr' Israely, avy amin' ny firenen' Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an' ny Tompo Andriamanitry ny razany. Des membres de toutes les tribus d' Israël qui avaient à coeur de rechercher Yahvé, Dieu d' Israël, les suivirent et vinrent à Jérusalem afin de sacrifier à Yahvé, Dieu de leurs pères.
2Tt / 2Tan 11:17 So they strengthened the kingdom of Judah, and made Rehoboam the son of Solomon strong, three years: for three years they walked in the way of David and Solomon. Ka dia nampahery ny fanjakan' ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak' i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin' ny lalan' i Davida sy Solomona telo taona izy. Nankahery ny fanjakan' i Jodà izy, tamin' izany, ka nampiorina tsara an-dRoboama zanak' i Salomona, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin' ny làlan' i Davida sy Salomona izy ireo, telo taona. Ils renforcèrent le royaume de Juda et, pendant trois ans, soutinrent Roboam, fils de Salomon, car c' est pendant trois ans qu' il suivit la voie de David et de Salomon.
2Tt / 2Tan 11:18 And Rehoboam took him Mahalath the daughter of Jerimoth the son of David to wife, and Abihail the daughter of Eliab the son of Jesse; Ary Rehoboama naka an' i Mahalota, zanakavavin' i Jerimota, zanak' i Davida, sy Abihaila, zanakavavin' i Eliaba, zanak' i Jese, ho vadiny, Nalain-dRoboama ho vady Mahalata, zanakavavin' i Jerimota, zanak' i Davida sy Ahihaila, zanakavavin' i Eliaba, zanak' Isaia, Roboam prit pour femme Mahalat, fille de Yerimot, fils de David, et d' Abihayil, fille d'Éliab, fils de Jessé.
2Tt / 2Tan 11:19 Which bare him children; Jeush, and Shamariah, and Zaham. izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama. ka nitera-dahy taminy izy, dia Jehosa, Somorià, ary Zama. Elle lui donna des fils : Yéush, Shemarya et Zaham.
2Tt / 2Tan 11:20 And after her he took Maachah the daughter of Absalom; which bare him Abijah, and Attai, and Ziza, and Shelomith. Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin' i Absaloma, izay niteraka an' i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy. Manaraka an' io dia mbola naka an' i Maakà zanakavavin' i Absaloma izy, ka niteraka an' i Abià, Etaia, Zizà ary Salomita, taminy. Il épousa après elle Maaka, fille d' Absalom, qui lui enfanta Abiyya, Attaï, Ziza et Shelomit.
2Tt / 2Tan 11:21 And Rehoboam loved Maachah the daughter of Absalom above all his wives and his concubines: (for he took eighteen wives, and threescore concubines; and begat twenty and eight sons, and threescore daughters.) Ary Rehoboama tia an' Imaka, zanakavavin' i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin' ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). Maakà zanakavavin' i Absaloma no tian-dRoboama indrindra, tamin' ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady valo ambin' ny folo sy vaditsindrano enimpolo izy; ary niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. Roboam aima Maaka, fille d' Absalom, plus que toutes ses autres femmes et concubines. Il avait en effet pris dix-huit femmes et soixante concubines, et engendré vingt-huit fils et soixante filles.
2Tt / 2Tan 11:22 And Rehoboam made Abijah the son of Maachah the chief, to be ruler among his brethren: for he thought to make him king. Ary Abia, zanakalahin' Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina. Abià, zanakalahin' i Maakà no nataon-dRoboama loha laharana, ho filohan' ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina. Roboam fit d' Abiyya, fils de Maaka, le chef de famille, prince parmi ses frères, afin de le faire roi.
2Tt / 2Tan 11:23 And he dealt wisely, and dispersed of all his children throughout all the countries of Judah and Benjamin, unto every fenced city: and he gave them victual in abundance. And he desired many wives. Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran' ny tanin' ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin' ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro. ny Benjamina rehetra, dia tany amin' ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro. Naeliny tamin-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin' ny tanin' i Jodà sy Benjamina rehetra, tany amin' ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro. Roboam fut avisé et il répartit certains de ses fils dans toutes les régions de Juda et de Benjamin et dans toutes les villes fortifiées; il les pourvut de vivres en abondance et leur trouva des femmes.

<-
->