<-
->

Gen / Jen 3:1 Now the serpent was more subtil than any beast of the field which the Lord God had made. And he said unto the woman, Yea, hath God said, Ye shall not eat of every tree of the garden? Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon' i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon' Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin' ny saha? Ny bibilava no fetsy indrindra amin' ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon' ny Tompo Andriamanitra. Le serpent était le plus rusé de tous les animaux des champs que Yahvé Dieu avait faits. Il dit à la femme : Alors, Dieu a dit : Vous ne mangerez pas de tous les arbres du jardin ?
Gen / Jen 3:2 And the woman said unto the serpent, We may eat of the fruit of the trees of the garden: Fa hoy ravehivavy tamin' ny menarana: Ny voan' ny hazo eo amin' ny saha dia azonay ihinanana ihany; Hoy izy tamin-dravehivavy: Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin' ny hazo rehetra amin' ny saha hianareo? Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: Mihinana amin' ny voan' ny hazo amin' ny saha izahay; La femme répondit au serpent : Nous pouvons manger du fruit des arbres du jardin.
Gen / Jen 3:3 But of the fruit of the tree which is in the midst of the garden, God hath said, Ye shall not eat of it, neither shall ye touch it, lest ye die. fa ny voan' ny hazo eo afovoan' ny saha kosa no efa nataon' Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo. fa ny voan' ny hazo eo afovoan' ny saha no nanaovan' Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin' izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty hianareo. Mais du fruit de l' arbre qui est au milieu du jardin, Dieu a dit : Vous n' en mangerez pas, vous n' y toucherez pas, sous peine de mort.
Gen / Jen 3:4 And the serpent said unto the woman, Ye shall not surely die: Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: Tsia, tsy ho faty akory hianareo; Le serpent répliqua à la femme : Pas du tout ! Vous ne mourrez pas !
Gen / Jen 3:5 For God doth know that in the day ye eat thereof, then your eyes shall be opened, and ye shall be as gods, knowing good and evil. fa fantatr' Andriamanitra fa na amin' izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an' Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. fa fantatr' Andriamanitra fa amin' izay andro hihinananareo amin' izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an' Andriamanitra hianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy. Mais Dieu sait que, le jour où vous en mangerez, vos yeux s' ouvriront et vous serez comme des dieux, qui connaissent le bien et le mal.
Gen / Jen 3:6 And when the woman saw that the tree was good for food, and that it was pleasant to the eyes, and a tree to be desired to make one wise, she took of the fruit thereof, and did eat, and gave also unto her husband with her; and he did eat. Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy. Ary hitan-dravehivavy fa ny voan' ilay hazo dia fihinana, mahate-hijery sy mendrika hoirina mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin' ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. La femme vit que l' arbre était bon à manger et séduisant à voir, et qu' il était, cet arbre, désirable pour acquérir le discernement. Elle prit de son fruit et mangea. Elle en donna aussi à son mari, qui était avec elle, et il mangea.
Gen / Jen 3:7 And the eyes of them both were opened, and they knew that they were naked; and they sewed fig leaves together, and made themselves aprons. Dia nahiratra ny mason' izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin' aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. Nisokatra ny mason' izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin' aviavy izy ireo nataony sikina. Alors leurs yeux à tous deux s' ouvrirent et ils connurent qu' ils étaient nus; il cousirent des feuilles de figuier et se firent des pagnes.
Gen / Jen 3:8 And they heard the voice of the Lord God walking in the garden in the cool of the day: and Adam and his wife hid themselves from the presence of the Lord God amongst the trees of the garden. Ary nandre an' i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin' ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan' i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin' ny saha. Tamin' izay dia ren' izy ireo ny feon' ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin' ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an' ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon' ny saha ralehilahy sy ny vadiny. Ils entendirent le pas de Yahvé Dieu qui se promenait dans le jardin à la brise du jour, et l' homme et sa femme se cachèrent devant Yahvé Dieu parmi les arbres du jardin.
Gen / Jen 3:9 And the Lord God called unto Adam, and said unto him, Where art thou? Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao? Yahvé Dieu appela l' homme : Où es-tu ? dit-il.
Gen / Jen 3:10 And he said, I heard thy voice in the garden, and I was afraid, because I was naked; and I hid myself. Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin' ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho. J' ai entendu ton pas dans le jardin, répondit l' homme; j' ai eu peur parce que je suis nu et je me suis caché.
Gen / Jen 3:11 And he said, Who told thee that thou wast naked? Hast thou eaten of the tree, whereof I commanded thee that thou shouldest not eat? Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin' ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao? Il reprit : Et qui t' a appris que tu étais nu ? Tu as donc mangé de l' arbre dont je t' avais défendu de manger !
Gen / Jen 3:12 And the man said, The woman whom thou gavest to be with me, she gave me of the tree, and I did eat. Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin' ilay hazo, dia nihinana aho. L' homme répondit : C' est la femme que tu as mise auprès de moi qui m' a donné de l' arbre, et j' ai mangé !
Gen / Jen 3:13 And the Lord God said unto the woman, What is this that thou hast done? And the woman said, The serpent beguiled me, and I did eat. Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. Yahvé Dieu dit à la femme : Qu' as-tu fait là ? et la femme répondit : C' est le serpent qui m' a séduite, et j' ai mangé.
Gen / Jen 3:14 And the Lord God said unto the serpent, Because thou hast done this, thou art cursed above all cattle, and above every beast of the field; upon thy belly shalt thou go, and dust shalt thou eat all the days of thy life: Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin' ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin' ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin' ny andro rehetra hiainanao. Hoy Iaveh Andriamanitra tamin' ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin' ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin' ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin' ny andro rehetra hiainanao. Alors Yahvé Dieu dit au serpent : Parce que tu as fait cela, maudit sois-tu entre tous les bestiaux et toutes les bêtes sauvages. Tu marcheras sur ton ventre et tu mangeras de la terre tous les jours de ta vie.
Gen / Jen 3:15 And I will put enmity between thee and the woman, and between thy seed and her seed; it shall bruise thy head, and thou shalt bruise his heel. Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony. Je mettrai une hostilité entre toi et la femme, entre ton lignage et le sien. Il t'écrasera la tête et tu l' atteindras au talon.
Gen / Jen 3:16 Unto the woman he said, I will greatly multiply thy sorrow and thy conception; in sorrow thou shalt bring forth children; and thy desire shall be to thy husband, and he shall rule over thee. Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan' anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran' ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka hianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin' ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao. A la femme, il dit : Je multiplierai les peines de tes grossesses, dans la peine tu enfanteras des fils. Ta convoitise te poussera vers ton mari et lui dominera sur toi.
Gen / Jen 3:17 And unto Adam he said, Because thou hast hearkened unto the voice of thy wife, and hast eaten of the tree, of which I commanded thee, saying, Thou shalt not eat of it: cursed is the ground for thy sake; in sorrow shalt thou eat of it all the days of thy life; Ary hoy koa Izy tamin' i Adama: Satria efa nihaino ny feon' ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin' ny andro rehetra hiainanao. Dia hoy izy tamin-dralehilahy: Noho hianao nihaino ny tenin' ny vadinao ka nihinana tamin' ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. A l' homme, il dit : Parce que tu as écouté la voix de ta femme et que tu as mangé de l' arbre dont je t' avais interdit de manger, maudit soit le sol à cause de toi ! A force de peines tu en tireras subsistance tous les jours de ta vie.
Gen / Jen 3:18 Thorns also and thistles shall it bring forth to thee; and thou shalt eat the herb of the field; Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. Il produira pour toi épines et chardons et tu mangeras l' herbe des champs.
Gen / Jen 3:19 In the sweat of thy face shalt thou eat bread, till thou return unto the ground; for out of it wast thou taken: for dust thou art, and unto dust shalt thou return. Ny fahatsembohan' ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin' ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin' ny vovoka indray ianao. Ny fahatsembohan' ny tavanao ny hahazoanao hanina mandra-piverinao amin' ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray. A la sueur de ton visage tu mangeras ton pain, jusqu'à ce que tu retournes au sol, puisque tu en fus tiré. Car tu es glaise et tu retourneras à la glaise.
Gen / Jen 3:20 And Adam called his wife' s name Eve; because she was the mother of all living. Ary ralehilahy nanao ny anaran' ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin' ny olombelona rehetra. Ary Eva no nataon' i Adama anaran' ny vadiny, satria izy no renin' ny olombelona rehetra. L' homme appela sa femme Eve, parce qu' elle fut la mère de tous les vivants.
Gen / Jen 3:21 Unto Adam also and to his wife did the Lord God make coats of skins, and clothed them. Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an' i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. Nanaovan' ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra Adama sy ny vadiny dia natafiny azy. Yahvé Dieu fit à l' homme et à sa femme des tuniques de peau et les en vêtit.
Gen / Jen 3:22 And the Lord God said, Behold, the man is become as one of us, to know good and evil: and now, lest he put forth his hand, and take also of the tree of life, and eat, and live for ever: Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon' aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin' ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin' izao kosa aoka tsy haninjitra ny tànany izy haka amin' ny hazon' aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. Puis Yahvé Dieu dit : Voilà que l' homme est devenu comme l' un de nous, pour connaître le bien et le mal ! Qu' il n'étende pas maintenant la main, ne cueille aussi de l' arbre de vie, n' en mange et ne vive pour toujours !
Gen / Jen 3:23 Therefore the Lord God sent him forth from the garden of Eden, to till the ground from whence he was taken. ka dia nesorin' i Jehovah Andriamanitra tamin' ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy. Dia navoakan' ny Tompo Andriamanitra hiala tao amin' ny sahan' i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy. Et Yahvé Dieu le renvoya du jardin d'Éden pour cultiver le sol d' où il avait été tiré.
Gen / Jen 3:24 So he drove out the man; and he placed at the east of the garden of Eden Cherubims, and a flaming sword which turned every way, to keep the way of the tree of life. Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan' ny saha Edena ny Kerobima sy ny lelafon' ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin' ny hazon' aina. Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan' ny sahan' i Edena, mba hiambina ny làlana mankany amin' ny hazon' aina. Il bannit l' homme et il posta devant le jardin d'Éden les Chérubins et la flamme du glaive fulgurant pour garder le chemin de l' arbre de vie.

<-
->