<-
->

Job / Jb 12:1 And Job answered and said, Dia namaly Joba ka nanao hoe: Dia niteny Joba ka nanao hoe: Job prit la parole et dit :
Job / Jb 12:2 No doubt but ye are the people, and wisdom shall die with you. Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena! Marina tokoa fa hianareo ihany dia sahala fahendrena amim-bahoaka be, ka dia hiara-maty aminareo ny fahendrena! Vraiment, vous êtes la voix du peuple, avec vous mourra la Sagesse.
Job / Jb 12:3 But I have understanding as well as you; I am not inferior to you: yea, who knoweth not such things as these? Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany? Izaho koa anefa mba manan-tsaina toa anareo, tsy latsaka noho hianareo na amin' inona na amin' inona. Ary iza moa no tsy mahalala izay zavatra lazainareo? Moi aussi, j' ai de l' intelligence, tout comme vous, je ne vous cède en rien, et qui donc ne sait tout cela ?
Job / Jb 12:4 I am as one mocked of his neighbour, who calleth upon God, and he answereth him: the just upright man is laughed to scorn. Tonga fihomehezan' ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an' Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny. Fananihanin' ny sakaizako aho, izaho izay miantso an' Andriamanitra, ka nohenoin' Andriamanitra. Fananihaniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny! Mais un homme devient la risée de son ami, quand il crie vers Dieu pour avoir une réponse. On se moque du juste intègre.
Job / Jb 12:5 He that is ready to slip with his feet is as a lamp despised in the thought of him that is at ease. Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin' izay ela mangozohozo ny latsa. Ny olona ory, fandatsa! Izany no teny arahin' ny miadana; ary eso no miandry an' izay mangozohozo. " A l' infortune, le mépris! opinent les gens heureux, un coup de plus à qui chancelle! "
Job / Jb 12:6 The tabernacles of robbers prosper, and they that provoke God are secure; into whose hand God bringeth abundantly. Mandry fahizay ny lain' ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an' Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin' ny tànany ho andriamaniny Ny lain' ny jiolahy anefa, anjakan' ny fiadanana; ny mihaika an' Andriamanitra, no mandry fahizay; dia ireo tsy manana andriamanitra, afa-tsy ny sandriny ihany. Cependant, les tentes des pillards sont en paix : pleine sécurité pour ceux qui provoquent Dieu et pour celui qui met Dieu dans son poing!
Job / Jb 12:7 But ask now the beasts, and they shall teach thee; and the fowls of the air, and they shall tell thee: Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; Kanefa, masìna hianao, mba fotory ny biby, fa hampianatra anao izy; hatramin' ny voro-manidina, fa hanoro anao izay izy. Interroge pourtant le bétail, pour t' instruire, les oiseaux du ciel pour t' informer.
Job / Jb 12:8 Or speak to the earth, and it shall teach thee: and the fishes of the sea shall declare unto thee. Ary makà saina amin' ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. Na mitenena amin' ny tany fa hampahalala anao izy; hatramin' ny hazandrano any an-dranomasina aza, dia hitantara izany aminao. Parle à la terre, elle te donnera des leçons, ils te renseigneront, les poissons des mers.
Job / Jb 12:9 Who knoweth not in all these that the hand of the Lord hath wrought this? Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan' i Jehovah, Satria iza moa amin' ireo rehetra ireo no tsy mahalala, fa ny tanan' ny Tompo no nahavita ireo zavatra ireo, Car lequel ignore, parmi eux tous, que la main de Dieu a fait tout cela!
Job / Jb 12:10 In whose hand is the soul of every living thing, and the breath of all mankind. Izay mitana ny ain' ny zava-manan' aina rehetra sy ny fofonain' ny olombelona rehetra? ary izy no mitana eo an-tanany ny ain' ny manan' aina rehetra, mbamin' ny fofon' ain' ny olombelona rehetra? Il tient en son pouvoir l'âme de tout vivant et le souffle de toute chair d' homme.
Job / Jb 12:11 Doth not the ear try words? and the mouth taste his meat? Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina? Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny, ary ny vava no manandrana ny hanina? L' oreille n' apprécie-t-elle pas les discours, comme le palais goûte les mets ?
Job / Jb 12:12 With the ancient is wisdom; and in length of days understanding. Ao amin' ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana. Ny fotsy volo no manam-pahendrena, ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana. La sagesse est l' affaire des vieillards, le discernement le fait du grand âge.
Job / Jb 12:13 With him is wisdom and strength, he hath counsel and understanding. Ao amin' Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana. Ao amin' Andriamanitra no onenan' ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina. Mais en Lui résident sagesse et puissance, à lui le conseil et le discernement.
Job / Jb 12:14 Behold, he breaketh down, and it cannot be built again: he shutteth up a man, and there can be no opening. Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana. Indro manjera izy, ka tsy misy manorina indray, manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha. S' il détruit, nul ne peut rebâtir, s' il emprisonne quelqu' un, nul n' ouvrira.
Job / Jb 12:15 Behold, he withholdeth the waters, and they dry up: also he sendeth them out, and they overturn the earth. Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany. Indro tazoniny ny rano, dia ritra; alefany indray, dia manakorontana ny tany. S' il retient les eaux, c' est la sécheresse; s' il les relâche, elles bouleversent la terre.
Job / Jb 12:16 With him is strength and wisdom: the deceived and the deceiver are his. Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka. Azy ny faherezana amam-pahamalinana, azy ny maniasia sy ny mampaniasia. En lui vigueur et sagacité, à lui l'égaré et celui qui l'égare.
Job / Jb 12:17 He leadeth counsellors away spoiled, and maketh the judges fools. Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan' ny mpitsara. Entiny mifatotra ny mpanome saina ny vahoaka, ary esoriny amin' ny mpitsara ny fahatsiloan-tsainy. Il rend stupides les conseillers du pays et frappe les juges de démence.
Job / Jb 12:18 He looseth the bond of kings, and girdeth their loins with a girdle. Vahany ny fifehezan' ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany. Vahany ny fehikibon' ny mpanjaka, dia feheziny tady ny valahany. Il délie la ceinture des rois et passe une corde à leurs reins.
Job / Jb 12:19 He leadeth princes away spoiled, and overthroweth the mighty. Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany. Tarihiny ho any am-pahababoana ny mpisorona, ary aongany ny manam-pahefana. Il fait marcher nu-pieds les prêtres et renverse les puissances établies.
Job / Jb 12:20 He removeth away the speech of the trusty, and taketh away the understanding of the aged. Koroiny ny laha-tenin' ny mahay, ary ny fahazavan-tsain' ny anti-panahy dia esoriny. Ataony tsy manan-kalahatra izay olona mahay indrindra, ary endahany fisainana ny anti-panahy. Il ôte la parole aux plus assurés, ravit le discernement aux vieillards.
Job / Jb 12:21 He poureth contempt upon princes, and weakeneth the strength of the mighty. Mandatsaka fanamavoana amin' ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon' ny matanjaka. Latsahany fanamavoana ny andriandahy; ary ketrahiny fehin-kibo ny matanjaka. Il déverse le mépris sur les nobles, dénoue le ceinturon des forts.
Job / Jb 12:22 He discovereth deep things out of darkness, and bringeth out to light the shadow of death. Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin' ny mazava. Alany sarona ny zava-miafina amin' ny aizina ary asehony eo amin' ny mazava ny aloky ny fahafatesana. Il dévoile les profondeurs des ténèbres, amène à la lumière l' ombre épaisse.
Job / Jb 12:23 He increaseth the nations, and destroyeth them: he enlargeth the nations, and straiteneth them again. Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray. Ampitomboiny ny firenena, dia ravany koa; itariny izy, dia eteny indray. Il agrandit des nations, puis les ruine : il fait s'étendre des peuples, puis les supprime.
Job / Jb 12:24 He taketh away the heart of the chief of the people of the earth, and causeth them to wander in a wilderness where there is no way. Mahavery saina ny loholona amin' ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; Ny saina esoriny amin' ny mpanapaka ny firenen' ny tany, dia ampaniasiaviny any an' efitra tsy misy lalana izy ireo, Il ôte l' esprit aux chefs du peuple du pays, les fait errer dans un désert sans routes,
Job / Jb 12:25 They grope in the dark without light, and he maketh them to stagger like a drunken man. Mitsapatsapa amin' ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy. dia miraparapa amin' aizina lavitra ny mazava ireny, ary avembenany toy ny olona mamo. tâtonner dans les ténèbres, sans lumière, et tituber comme sous l' ivresse.

<-
->