<-
->

Job / Jb 18:1 Then answered Bildad the Shuhite, and said, Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: Dia niteny Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe: Bildad de Shuah prit la parole et dit :
Job / Jb 18:2 How long will it be ere ye make an end of words? mark, and afterwards we will speak. Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay. Rahoviana ihany vao hotaperinao izany teny izany? Manana saina aloha hianao vao miresaka isika. Jusqu'à quand mettrez-vous des entraves aux discours ? Réfléchissez, puis nous parlerons.
Job / Jb 18:3 Wherefore are we counted as beasts, and reputed vile in your sight? Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo? Nahoana hianao no dia mihevitra anay ho biby foana, fa ataonao ho donana velona eo imasonao va izahay? Pourquoi nous considères-tu comme des bêtes, passons-nous à tes yeux pour des gens bornés ?
Job / Jb 18:4 He teareth himself in his anger: shall the earth be forsaken for thee? and shall the rock be removed out of his place? Ry ilay mamiravira tena amin' ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin' ny fitoerany? Hianao izay mamiravira tena amin' ny hatezerana indray, noho ny aminao ve, dia tianao ho lao ny tany, ary hafindra toerana ny vatolampy? O toi qui te déchires dans ta colère, la terre à cause de toi sera-t-elle abandonnée et les rochers quitteront-ils leur place ?
Job / Jb 18:5 Yea, the light of the wicked shall be put out, and the spark of his fire shall not shine. Tsy izany, fa ho faty ny jiron' ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony; Eny, ny ratsy fanahy dia ho faty ny fanilony, tsy hazava intsony ny afo eo am-patany. La lumière du méchant doit s'éteindre, sa flamme ardente ne plus briller.
Job / Jb 18:6 The light shall be dark in his tabernacle, and his candle shall be put out with him. Ny mazava manjary maizina ao amin' ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty. Hanjomba ny andro eo an-dainy, ho faty ny jirony eo amboniny. La lumière s' assombrit sous sa tente, sa lampe au-dessus de lui s'éteint.
Job / Jb 18:7 The steps of his strength shall be straitened, and his own counsel shall cast him down. Etena ny herin' ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy. Izy efa mafy famindra dia ho voatery ny diany, hafainganin' ny saim-pantany ny fahalavoany. Ses pas vigoureux se rétrécissent, ses propres desseins le font trébucher.
Job / Jb 18:8 For he is cast into a net by his own feet, and he walketh upon a snare. Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin' ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin' ny harato izy; Afatratry ny tongony amin' ny harato izy; mandia fandrika izy. Car ses pieds le jettent dans un filet et il avance parmi les rets.
Job / Jb 18:9 The gin shall take him by the heel, and the robber shall prevail against him. Azon' ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon' ny tadivavarana Azon' ny fandrika ny ombalahitongony, voatanan' ny tadivavarana izy. Un lacet le saisit au talon et le piège se referme sur lui.
Job / Jb 18:10 The snare is laid for him in the ground, and a trap for him in the way. Miafina ao amin' ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana. Ny fandrika harato miafina ao ambanin' ny tany hahavoa azy, ary longoa mitoto-bozaka no eny an-dalan-kalehany. Le noeud pour le prendre est caché en terre, une trappe l' attend sur le sentier.
Job / Jb 18:11 Terrors shall make him afraid on every side, and shall drive him to his feet. Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin' ny alehany rehetra. Manodidina azy hatraiza hatraiza ny fampitahorana, sady manenjika azy hatrany hatrany. De toutes parts des terreurs l'épouvantent et elles le suivent pas à pas.
Job / Jb 18:12 His strength shall be hungerbitten, and destruction shall be ready at his side. Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany; Ny mosary dia anjara saziny, ary ny faharinganana dia vonon-ko amin' izay hahalavoany. En pleine vigueur, il est affamé, le malheur se tient à ses côtés.
Job / Jb 18:13 It shall devour the strength of his skin: even the firstborn of death shall devour his strength. Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin' ny lahimatoan' ny fahafatesana. Lany ny hoditry ny rantsam-batany; lanin' ny lahimatoan' ny fahafatesana ny rantsam-batany. Le mal dévore sa peau, le Premier-né de la Mort ronge ses membres.
Job / Jb 18:14 His confidence shall be rooted out of his tabernacle, and it shall bring him to the king of terrors. Ongotana hiala amin' ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin' ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy. Tsoahana izy hiala ao an-dainy, izay nitokiany handriana fehizay, ka tarihina ho any amin' ilay Mpanjakan' ny fampitahorana. On l' arrache à l' abri de sa tente et tu le traîneras chez le roi des frayeurs.
Job / Jb 18:15 It shall dwell in his tabernacle, because it is none of his: brimstone shall be scattered upon his habitation. Izay tsy taranany no hitoetra ao amin' ny lainy; Solifara no hafafy amin' ny fonenany. Tsy misy monina eo an-dainy ny ankohonany; nofafazana solfara ny fonenany. Tu peux habiter la tente qui n' est plus la sienne, et l' on répand du soufre sur son bercail.
Job / Jb 18:16 His roots shall be dried up beneath, and above shall his branch be cut off. Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony. Ao ambany izy, maim-paka, eo ambony kosa tapa-drantsana. En bas ses racines se dessèchent, en haut se flétrit sa ramure.
Job / Jb 18:17 His remembrance shall perish from the earth, and he shall have no name in the street. Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin' ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy. Ny fahatsiarovana azy, foana amin' ny tany; efa very anarana amin' ny faritany izy. Son souvenir disparaît du pays, son nom s' efface dans la contrée.
Job / Jb 18:18 He shall be driven from light into darkness, and chased out of the world. Roahina hiala amin' ny mazava ho any amin' ny maizina izy ary enjehina hiala amin' izao tontolo izao. Roahina hiala amin' ny mazava izy, ho ao amin' ny maizina, ary esorina hiala amin' izao tontolo izao. Poussé de la lumière aux ténèbres, il se voit banni de la terre.
Job / Jb 18:19 He shall neither have son nor nephew among his people, nor any remaining in his dwellings. Tsy manana fara mandimby eo amin' ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin' ny fonenany. Tsy mamela fara aman-dimby amin' ny fokony izy; ary tsy misy velona ny ao amin' ny fonenany. Il n' a ni lignée ni postérité parmi son peuple, aucun survivant en ses lieux de séjour.
Job / Jb 18:20 They that come after him shall be astonied at his day, as they that went before were affrighted. Ny manjo azy dia italanjonan' ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra. Ny firenena Andrefana, talanjona amin' ny faharavany; ny Tatsinanana koa raiki-tahotra amin' izany. Sa fin frappe de stupeur l' Occident et l' Orient est saisi d' effroi.
Job / Jb 18:21 Surely such are the dwellings of the wicked, and this is the place of him that knoweth not God. Izany tokoa no anjaran' ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an' Andriamanitra. Toy izany no fonenan' ny tsy mivavaka; toy izany no fitoeran' ny olona tsy mahalala an' Andriamanitra. Point d' autre sort pour les demeures de l' injustice. Voilà ce que devient le lieu de quiconque méconnaît Dieu.

<-
->