<-
->

Job / Jb 28:1 Surely there is a vein for the silver, and a place for gold where they fine it. Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina. Misy toerana ihadiam-bolafotsy, misy toerana fanadiovam-bolamena. Il existe, pour l' argent, des mines, pour l' or, un lieu où on l'épure.
Job / Jb 28:2 Iron is taken out of the earth, and brass is molten out of the stone. Ny vy dia alaina avy amin' ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin' ny vato. Ny vy alaina avy amin' ny tany; ny vato arendrika hahazoana varahina. Le fer est tiré du sol, la pierre fondue livre du cuivre.
Job / Jb 28:3 He setteth an end to darkness, and searcheth out all perfection: the stones of darkness, and the shadow of death. Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin' ny faran' ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton' ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; Mampisava ny aizina ny olona, hatrany anatin' ny hantsana izy no mikaroka ny vato miafina ao amin' ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana. On met fin aux ténèbres, on fouille jusqu'à l' extrême limite la pierre obscure et sombre.
Job / Jb 28:4 The flood breaketh out from the inhabitant; even the waters forgotten of the foot: they are dried up, they are gone away from men. Mihady lavaka mihalavitra amin' izay itoeran' olona izy ka tsy ampoizin' ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy. Mihady lalana izy lavitry ny tany onenana, tsy fantatry ny tongotry ny velona; tafahantona mitsingevaheva lavitry ny olombelona. Des étrangers percent les ravins en des lieux non fréquentés, et ils oscillent, suspendus, loin des humains.
Job / Jb 28:5 As for the earth, out of it cometh bread: and under it is turned up as it were fire. Ny tany no ihavian' ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. Ny tany ihavian' ny hanina, voakorontana aty toa voan' ny afo. La terre d' où sort le pain est ravagée en dessous comme par un feu.
Job / Jb 28:6 The stones of it are the place of sapphires: and it hath dust of gold. Fitoeran' ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy Ny vatony no itoeran' ny safira, sy ahitana vovo-bolamena. Là, les pierres sont le gisement du saphir, et aussi des parcelles d' or.
Job / Jb 28:7 There is a path which no fowl knoweth, and which the vulture' s eye hath not seen: Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan' ny mason' ny voromahery, Ny vorom-pihaza tsy mahita ny lalana any, ny masom-papango tsy mahatazana azy; L' oiseau de proie en ignore le sentier, l' oeil du vautour ne l' aperçoit pas.
Job / Jb 28:8 The lion' s whelps have not trodden it, nor the fierce lion passed by it. Sady tsy nodiavin' ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan' ny liona masiaka. ny biby dia tsy nandia izany, ny liona koa tsy nandalo tany na oviana na oviana. Il n' est point foulé par les fauves altiers, le lion ne l' a jamais frayé.
Job / Jb 28:9 He putteth forth his hand upon the rock; he overturneth the mountains by the roots. Maninjitra ny tànany amin' ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin' ny fotony; Ny olombelona maninji-tanana amin' ny vatomainty, manozongozona ny tendrombohitra hatramin' ny fotony; L' homme s' attaque au silex, il bouleverse les montagnes dans leurs racines.
Job / Jb 28:10 He cutteth out rivers among the rocks; and his eye seeth every precious thing. Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan' ny masony avokoa. mandavaka lalana anatin' ny vatolampy; tsy misy zava-tsarobidy tsy hitan' ny masony. Dans les roches il perce des canaux, l' oeil ouvert sur tout objet précieux.
Job / Jb 28:11 He bindeth the floods from overflowing; and the thing that is hid bringeth he forth to light. Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin' ny mazava. Mahay manampina ny rano mananika izy, ary mitondra ny miafina rehetra ho eo amin' ny mazava. Il explore les sources des fleuves, amène au jour ce qui restait caché.
Job / Jb 28:12 But where shall wisdom be found? and where is the place of understanding? Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran' ny fahalalana? Fa aiza kosa no ahitana ny Fahendrena? Aiza no fitoeran' ny Fahalalana? Mais la Sagesse, d' où provient-elle ? Où se trouve-t-elle, l' Intelligence ?
Job / Jb 28:13 Man knoweth not the price thereof; neither is it found in the land of the living. Tsy misy zanak' olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin' ny tanin' ny velona izy. Ny olombelona tsy mahay manombana azy; ny tanin' ny velona tsy ahitana azy. L' homme en ignore le chemin, on ne la découvre pas sur la terre des vivants.
Job / Jb 28:14 The depth saith, It is not in me: and the sea saith, It is not with me. Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. Fa hoy ny hantsana: Tsy ato anatiko izy; ny ranomasina milaza hoe: Tsy aty amiko izy. L' Abîme déclare : " Je ne la contiens pas! " et la Mer : " Elle n' est point chez moi! "
Job / Jb 28:15 It cannot be gotten for gold, neither shall silver be weighed for the price thereof. Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; Ny volamena madio tsy mahatakalo azy, na lanjam-bolafotsy ohatrinona aza tsy mahavidy azy. On ne peut l' acquérir avec l' or massif, la payer au poids de l' argent,
Job / Jb 28:16 It cannot be valued with the gold of Ophir, with the precious onyx, or the sapphire. Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. Tsy ampifandanjaina amin' ny volamena avy any Ofira izy, na amin' ny berila sarobidy na ny safira. l'évaluer avec l' or d' Ophir, l' agate précieuse ou le saphir.
Job / Jb 28:17 The gold and the crystal cannot equal it: and the exchange of it shall not be for jewels of fine gold. Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. Ny volamena amam-pitaratra tsy azo ampitahaina aminy; na kapoaka volamena madio tsy mahatakalo azy. On ne lui compare pas l' or ou le verre, on ne l'échange point contre un vase d' or fin.
Job / Jb 28:18 No mention shall be made of coral, or of pearls: for the price of wisdom is above rubies. Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. Ny voahangy amam-batomazava, tsy mendrika hotononina akory, fa mihoatra noho ny voahangy ny fahazoana ny fahendrena. Coraux et cristal ne méritent pas mention, mieux vaudrait pêcher la Sagesse que les perles.
Job / Jb 28:19 The topaz of Ethiopia shall not equal it, neither shall it be valued with pure gold. Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara Ny topaza avy any Etiopia tsy mahatoraka azy, ary ny volamena madio tsy mahatratra ny vidiny. Auprès d' elle, la topaze de Kush est sans valeur et l' or pur perd son poids d'échange.
Job / Jb 28:20 Whence then cometh wisdom? and where is the place of understanding? Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran' ny fahalalana? Koa avy aiza ary ny fahendrena? Aiza ny fitoeran' ny fahalalana? Mais la Sagesse, d' où provient-elle ? où se trouve-t-elle, l' Intelligence ?
Job / Jb 28:21 Seeing it is hid from the eyes of all living, and kept close from the fowls of the air. Miafina amin' ny mason' ny velona rehetra izany ary takona amin' ny voro-manidina. Miafina amin' ny mason' ny velona rehetra izy, ary takona amin' ny voron' ny lanitra. Elle se dérobe aux yeux de tout vivant, elle se cache aux oiseaux du ciel.
Job / Jb 28:22 Destruction and death say, We have heard the fame thereof with our ears. Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy. Hoy ny ambanin' ny tany sy ny fahafatesana: Filazana azy fotsiny no mba renay. La Perdition et la Mort déclarent : " La rumeur de sa renommée est parvenue à nos oreilles. "
Job / Jb 28:23 God understandeth the way thereof, and he knoweth the place thereof. Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany aminy; izy no mahafantatra izay misy azy. Dieu seul en a discerné le chemin et connu, lui, où elle se trouve.
Job / Jb 28:24 For he looketh to the ends of the earth, and seeth under the whole heaven; Fa Izy no mitsinjo hatramin' ny faran' ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin' ny lanitra rehetra izao, Fa izy mahita ny hatrany amin' ny fara vazan-tany, mahatsinjo ny ambany lanitra rehetra. Car il voit jusqu' aux extrémités de la terre, il aperçoit tout ce qui est sous les cieux.
Job / Jb 28:25 To make the weight for the winds; and he weigheth the waters by measure. Ka manendry ny lanjan' ny rivotra ary mamatra ny rano amin' ny famarana. Fony izy nandamina ny lanjan' ny rivotra, nanao ny rano tao amin' ny mizana, Lorsqu' il voulut donner du poids au vent, jauger les eaux avec une mesure;
Job / Jb 28:26 When he made a decree for the rain, and a way for the lightning of the thunder: Raha nanao lalana ho an' ny ranonorana Izy sy lalana halehan' ny helatry ny kotrokorana, namoaka lalana ho an' ny ranonorana, nanori-dalana ho an' ny tselatry ny varatra, quand il imposa une loi à la pluie, une route aux roulements du tonnerre,
Job / Jb 28:27 Then did he see it, and declare it; he prepared it, yea, and searched it out. Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy; dia nahita sy nilaza azy izy, namorona azy sy nahatakatra ny zava-miafina ao aminy. alors il la vit et l'évalua, il la pénétra et même la scruta.
Job / Jb 28:28 And unto man he said, Behold, the fear of the Lord, that is wisdom; and to depart from evil is understanding. Dia hoy Izy tamin' ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin' ny ratsy no fahalalana. Izay izy vao nilaza tamin' ny olombelona nanao hoe: Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana. Puis il dit à l' homme : " La crainte du Seigneur; voilà la sagesse; fuir le mal, voilà l' intelligence. "

<-
->