<-
->

Sal 126:1 When the Lord turned again the captivity of Zion, we were like them that dream. Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an' i Ziona avy tamin' ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. Fihirana fiakarana. Fony Iaveh nampody ny voababon' i Siona, dia toa nofy izany ho antsika. Cantique des montées. Quand Yahvé ramena les captifs de Sion, nous étions comme en rêve;
Sal 126:2 Then was our mouth filled with laughter, and our tongue with singing: then said they among the heathen, The Lord hath done great things for them. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin' ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon' i Jehovah ho an' ireny. Tamin' izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizany izao no am-bentin-teny amin' ny firenena: Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh. alors notre bouche s' emplit de rire et nos lèvres de chansons. Alors on disait chez les païens : Merveilles que fit pour eux Yahvé!
Sal 126:3 The Lord hath done great things for us; whereof we are glad. Eny, zava-dehibe no nataon' i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa Iaveh; ka revon-kafaliana isika. Merveilles que fit pour nous Yahvé, nous étions dans la joie.
Sal 126:4 Turn again our captivity, O Lord, as the streams in the south. Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin' ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan' ny riaka any amin' ny tany atsimo. Iaveh ô, avereno ny anay voababo, toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin' ny negeba. Ramène, Yahvé, nos captifs comme torrents au Négeb!
Sal 126:5 They that sow in tears shall reap in joy. Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Ceux qui sèment dans les larmes moissonnent en chantant.
Sal 126:6 He that goeth forth and weepeth, bearing precious seed, shall doubtless come again with rejoicing, bringing his sheaves with him. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin' ny fihobiana kosa. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin' ny fijinjany. Il s' en va, il s' en va en pleurant, il porte la semence; il s' en vient, il s' en vient en chantant, il rapporte ses gerbes.

<-
->