<-
->

Sal 26:1 Judge me, O Lord; for I have walked in mine integrity: I have trusted also in the Lord; therefore I shall not slide. Nataon' i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin' ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. Nataon' i Davida. Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin' ny tsy fananan-tsiny aho, Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho. De David. Justice pour moi, Yahvé, moi j' ai marché en mon intégrité, je m' appuie sur Yahvé et ne dévie pas.
Sal 26:2 Examine me, O Lord, and prove me; try my reins and my heart. Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho, tsapao amin' ny memy ny kiboko sy ny foko; Scrute-moi, Yahvé, éprouve-moi, passe au feu mes reins et mon coeur
Sal 26:3 For thy lovingkindness is before mine eyes: and I have walked in thy truth. Fa ny famindram-ponao no eo anoloan' ny masoko; ary mandeha amin' ny fahamarinanao aho. Fa ny famindram-ponao no eo anoloan' ny masoko, ary mandeha amin' ny fahamarinana aho. j' ai devant les yeux ton amour et je marche en ta vérité.
Sal 26:4 I have not sat with vain persons, neither will I go in with dissemblers. Tsy mba miara-mipetraka amin' ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin' ny olom-petsy. Tsy mba miara-mipetraka amin' ny olona fandainga aho; tsy miara-mandeha amin' ny olona manao an-kifonofono; Je n' ai pas été m' asseoir avec le fourbe, chez l' hypocrite je ne veux entrer;
Sal 26:5 I have hated the congregation of evil doers; and will not sit with the wicked. Halako ny fiangonan' ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin' ny ratsy fanahy aho. halako ny fivorian' izay manao ratsy, tsy mipetraka hitsara miaraka amin' ny ratsy fanahy aho. j' ai détesté le parti des méchants, avec l' impie je ne veux m' asseoir.
Sal 26:6 I will wash mine hands in innocency: so will I compass thine altar, O Lord: Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin' ny alitaranao, Jehovah ô, Manasa ny tànako amin' ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny otelinao aho, ry Iaveh, Je lave mes mains en l' innocence et tourne autour de ton autel, Yahvé,
Sal 26:7 That I may publish with the voice of thanksgiving, and tell of all thy wondrous works. Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. mba handefa feo fiderana, ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra. faisant retentir l' action de grâces, énonçant toutes tes merveilles;
Sal 26:8 LORD, I have loved the habitation of thy house, and the place where thine honour dwelleth. Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan' ny voninahitrao. Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan' ny voninahitrao. Yahvé, j' aime la beauté de ta maison et le lieu du séjour de ta gloire.
Sal 26:9 Gather not my soul with sinners, nor my life with bloody men: Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin' ny mpanota, na ny aiko amin' ny mpandatsa-drà, Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin' ny an' ny mpanota ary ny aiko miaraka amin' ny an' ny olona mpandatsa-dra, Ne joins pas mon âme aux égarés ni ma vie aux hommes de sang;
Sal 26:10 In whose hands is mischief, and their right hand is full of bribes. Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. fa ny tànan' ireny misy heloka ary ny tànany ankavanana feno kolikoly. ils ont dans les mains l' infamie, leur droite est pleine de profits.
Sal 26:11 But as for me, I will walk in mine integrity: redeem me, and be merciful unto me. Fa izaho kosa dia mandeha amin' ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. Fa izaho kosa nandeha amin' ny tsy fananako tsiny; afaho sy amindrao fo aho. Pour moi je veux marcher en mon intégrité, rachète-moi, pitié pour moi;
Sal 26:12 My foot standeth in an even place: in the congregations will I bless the Lord. Ny tongotro mijoro eo amin' ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an' i Jehovah. Tafapetraka amin' ny tany marina ny tongotro; hisaotra an' ny Tompo ao am-piangonana aho. mon pied se tient en droit chemin, je te bénis, Yahvé, dans les assemblées.

<-
->