<-
->

Sal 50:1 The mighty God, even the Lord, hath spoken, and called the earth from the rising of the sun unto the going down thereof. Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatramin' ny filentehany. Salamon' i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin' ny fiposahan' ny masoandro, ka hatramin' ny filentehany. Psaume. D' Asaph. Le Dieu des dieux, Yahvé, accuse, il appelle la terre du levant au couchant.
Sal 50:2 Out of Zion, the perfection of beauty, God hath shined. Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan' Andriamanitra. Avy ao Siona, fahatsaran-tarehy lavorary, no amirapiratan' Andriamanitra. Depuis Sion, beauté parfaite, Dieu resplendit;
Sal 50:3 Our God shall come, and shall not keep silence: a fire shall devour before him, and it shall be very tempestuous round about him. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina; afo mandevona no eo alohany, tafio-drivotra mahery no manodidina azy. il vient, notre Dieu, il ne se taira point. Devant lui, un feu dévore, autour de lui, bourrasque violente;
Sal 50:4 He shall call to the heavens from above, and to the earth, that he may judge his people. Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony: Miantso ny lanitra ambony izy, mbamin' ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany. il appelle les cieux d' en haut et la terre pour juger son peuple.
Sal 50:5 Gather my saints together unto me; those that have made a covenant with me by sacrifice. Angony etý amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin' ny fanatitra. Anangony izay miraiki-po amiko aho, dia ireo nanao fanekena amiko, amin' ny sorona. "Assemblez devant moi les miens, qui scellèrent mon alliance en sacrifiant."
Sal 50:6 And the heavens shall declare his righteousness: for God is judge himself. Selah. Hasehon' ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra, fa Andriamanitra no ndeha hitsara. - Selà. Les cieux annoncent sa justice "Dieu, c' est lui le juge!"
Sal 50:7 Hear, O my people, and I will speak; O Israel, and I will testify against thee: I am God, even thy God. Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho; henoy, ry Israely, fa hananatra aho, Izaho no Elohima, Andriamanitrao. "Ecoute, mon peuple, j' accuse, Israël, et je t' adjure, moi, Dieu, ton Dieu.
Sal 50:8 I will not reprove thee for thy sacrifices or thy burnt offerings, to have been continually before me. Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao. Tsy ny amin' ny soronao no aniniako anao, fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana. Ce n' est pas tes sacrifices que j' accuse, tes holocaustes constamment devant moi;
Sal 50:9 I will take no bullock out of thy house, nor he goats out of thy folds. Tsy maka vantotr' ombilahy amin' ny tranonao Aho, na osilahy amin' ny valanao; Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao aho, na izay osilahy ao am-balanao. je ne prendrai pas de ta maison un taureau, ni de tes bergeries des boucs.
Sal 50:10 For every beast of the forest is mine, and the cattle upon a thousand hills. Fa Ahy ny biby rehetra any an' ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. Fa ahy avokoa ny biby any an' ala, mbamin' ny biby eny an-tendrombohitra, an' arivony. Car tout fauve des forêts est à moi, des animaux sur les montagnes par milliers;
Sal 50:11 I know all the fowls of the mountains: and the wild beasts of the field are mine. Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha. je connais tous les oiseaux des cieux, toute bête des champs est pour moi.
Sal 50:12 If I were hungry, I would not tell thee: for the world is mine, and the fulness thereof. Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Raha mba noana aho, tsy hilaza aminao akory, fa ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy. Si j' ai faim, je n' irai pas te le dire, car le monde est à moi et son contenu.
Sal 50:13 Will I eat the flesh of bulls, or drink the blood of goats? Hihinana ny nofon' ombilahy va Aho, na hisotro ny ran' osilahy? Moa mihinana izay nofon' ombalahy va aho? Moa misotro izay ran' osilahy va aho? Vais-je manger la chair des taureaux, le sang des boucs, vais-je le boire?
Sal 50:14 Offer unto God thanksgiving; and pay thy vows unto the most High: Manatera fanati-pisaorana ho an' Andriamanitra; ary efao amin' ny Avo Indrindra ny voadinao; Ny fisaorana no atero ho sorona ho an' Andriamanitra, ary efao amin' ny Avo indrindra ny voadinao. Offre à Dieu un sacrifice d' action de grâces, accomplis tes voeux pour le Très-Haut;
Sal 50:15 And call upon me in the day of trouble: I will deliver thee, and thou shalt glorify me. Antsoy Aho amin' ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. Antsoy amin' ny andron' ny fahoriana aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra ahy hianao. appelle-moi au jour de l' angoisse, je t' affranchirai et tu me rendras gloire."
Sal 50:16 But unto the wicked God saith, What hast thou to do to declare my statutes, or that thou shouldest take my covenant in thy mouth? Fa amin' ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? Fa amin' ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra: Ahoana no mba anononanao ny lalàko, sy anaovanao am-bava ny fanekeko, Mais l' impie, Dieu lui déclare "Que viens-tu réciter mes commandements, qu' as-tu mon alliance à la bouche,
Sal 50:17 Seeing thou hatest instruction, and casteth my words behind thee. Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. izay hianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao? toi qui détestes la règle et rejettes mes paroles derrière toi?
Sal 50:18 When thou sawest a thief, then thou consentedst with him, and hast been partaker with adulterers. Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin' ny mpijangajanga. Raha mahita mpangalatra hianao, dia vary lena hianao sy izy, ary miombona amin' ny mpaka vadin' olona hianao. Si tu vois un voleur, tu fraternises, tu es chez toi parmi les adultères;
Sal 50:19 Thou givest thy mouth to evil, and thy tongue frameth deceit. Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka. Ny vavanao, alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao manira fitaka. tu livres ta bouche au mal et ta langue trame la tromperie.
Sal 50:20 Thou sittest and speakest against thy brother; thou slanderest thine own mother' s son. Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao. Mipetraka hianao, dia miteny mamely ny rahalahinao, sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao. Tu t' assieds, tu accuses ton frère, tu déshonores le fils de ta mère.
Sal 50:21 These things hast thou done, and I kept silence; thou thoughtest that I was altogether such an one as thyself: but I will reprove thee, and set them in order before thine eyes. Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. Izany no nataonao, nefa nangina ihany aho, ka dia noheverinao fa mitovy aminao aho, kanjo indro aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao. Voilà ce que tu fais, et je me tairais? Penses-tu que je suis comme toi? Je te dénonce et m' explique devant toi.
Sal 50:22 Now consider this, ye that forget God, lest I tear you in pieces, and there be none to deliver. Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an' Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. Koa mitandrema ary, hianareo manadino an' Andriamanitra, fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy. Prenez bien garde, vous qui oubliez Dieu, que je n' emporte, et personne pour délivrer!
Sal 50:23 Whoso offereth praise glorifieth me: and to him that ordereth his conversation aright will I shew the salvation of God. Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen' Andriamanitra. Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy; ary izay mandamina ny làlany no hanehoako ny famonjen' Andriamanitra. Qui offre l' action de grâces me rend gloire, à l' homme droit, je ferai voir le salut de Dieu."

<-
->