<-
->

Mtt / Koh 1:1 The words of the Preacher, the son of David, king in Jerusalem. Ny tenin' i Mpitoriteny, zanak' i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. Tenin' ny Mpitoriteny, zanak' i Davida, mpanjaka tao Jerosalema, Paroles de Qohélet, fils de David, roi à Jérusalem.
Mtt / Koh 1:2 Vanity of vanities, saith the Preacher, vanity of vanities; all is vanity. Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra. Vanité des vanités, dit Qohélet; vanité des vanités, tout est vanité.
Mtt / Koh 1:3 What profit hath a man of all his labour which he taketh under the sun? Inona no soa azon' ny olona amin' ny fisasarany rehetra izay isasarany atý ambanin' ny masoandro? Inona no soa azon' ny olona, amin' ny fisasarana rehetra ikezahany aty ambany masoandro? Quel profit trouve l' homme à toute la peine qu' il prend sous le soleil ?
Mtt / Koh 1:4 One generation passeth away, and another generation cometh: but the earth abideth for ever. Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay. Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany. Un âge va, un âge vient, mais la terre tient toujours.
Mtt / Koh 1:5 The sun also ariseth, and the sun goeth down, and hasteth to his place where he arose. Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin' ny fitoerana izay niposahany. Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin' ny fonenany, dia miposaka avy any ihany indray. Le soleil se lève, le soleil se couche, il se hâte vers son lieu et c' est là qu' il se lève.
Mtt / Koh 1:6 The wind goeth toward the south, and turneth about unto the north; it whirleth about continually, and the wind returneth again according to his circuits. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo. Le vent part au midi, tourne au nord, il tourne, tourne et va, et sur son parcours retourne le vent.
Mtt / Koh 1:7 All the rivers run into the sea; yet the sea is not full; unto the place from whence the rivers come, thither they return again. Ny renirano rehetra dia samy mankamin' ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin' izay falehan' ny renirano ihany no iverenany indray. Mankany amin' ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin' ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka. Tous les fleuves coulent vers la mer et la mer n' est pas remplie. Vers l' endroit où coulent les fleuves, c' est par là qu' ils continueront de couler.
Mtt / Koh 1:8 All things are full of labour; man cannot utter it: the eye is not satisfied with seeing, nor the ear filled with hearing. Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino. Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino. Toute parole est lassante! Personne ne peut dire que l' oeil n' est pas rassasié de voir, et l' oreille saturée par ce qu' elle a entendu.
Mtt / Koh 1:9 The thing that hath been, it is that which shall be; and that which is done is that which shall be done: and there is no new thing under the sun. Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atý ambanin' ny masoandro. Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao, no hatao, fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro. Ce qui fut, cela sera, ce qui s' est fait se refera, et il n' y a rien de nouveau sous le soleil!
Mtt / Koh 1:10 Is there any thing whereof it may be said, See, this is new? it hath been already of old time, which was before us. Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin' ny andro talohantsika ihany izany. Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin' ny siekla talohantsika izany zavatra izany. Qu' il y ait quelque chose dont on dise : " Tiens, voilà du nouveau! ", cela fut dans les siècles qui nous ont précédés.
Mtt / Koh 1:11 There is no remembrance of former things; neither shall there be any remembrance of things that are to come with those that shall come after. Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan' izay handimby azy. Ny taloha, tsy tsaroan' ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin' izay ho velona rahatrizay. Il n' y a pas de souvenir d' autrefois, et même pour ceux des temps futurs : il n' y aura d' eux aucun souvenir auprès de ceux qui les suivront.
Mtt / Koh 1:12 I the Preacher was king over Israel in Jerusalem. Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan' ny Isiraely tany Jerosalema; Izaho, Mpitoriteny, dia efa mpanjakan' Israely, tao Jerosalema, Moi, Qohélet, j' ai été roi d' Israël à Jérusalem.
Mtt / Koh 1:13 And I gave my heart to seek and search out by wisdom concerning all things that are done under heaven: this sore travail hath God given to the sons of man to be exercised therewith. ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atý ambanin' ny lanitra; asa mahareraka omen' Andriamanitra hisasaran' ny zanak' olombelona izany. ary nampiasa ny saiko aho, hikaroka sy hamantatra amin' ny fahendrena, ny zavatra rehetra atao aty ambany masoandro: asa manasatra izany, nefa asain' Andriamanitra hilofosan' ny zanak' olombelona. J' ai mis tout mon coeur à rechercher et à explorer par la sagesse tout ce qui se fait sous le ciel. C' est une mauvaise besogne que Dieu a donnée aux enfants des hommes pour qu' ils s' y emploient.
Mtt / Koh 1:14 I have seen all the works that are done under the sun; and, behold, all is vanity and vexation of spirit. Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atý ambanin' ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. Nodinihiko avokoa ny zavatra atao ety ambany masoandro, ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo. J' ai regardé toutes les oeuvres qui se font sous le soleil : eh bien, tout est vanité et poursuite de vent!
Mtt / Koh 1:15 That which is crooked cannot be made straight: and that which is wanting cannot be numbered. Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina. Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray, ary ny tsy eo, tsy azo isaina. Ce qui est courbé ne peut être redressé, ce qui manque ne peut être compté.
Mtt / Koh 1:16 I communed with mine own heart, saying, Lo, I am come to great estate, and have gotten more wisdom than all they that have been before me in Jerusalem: yea, my heart had great experience of wisdom and knowledge. Hoy izaho tamin' ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka. Hoy aho anakampoko: Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema, ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko. Je me suis dit à moi-même : Voici que j' ai amassé et accumulé la sagesse plus que quiconque avant moi à Jérusalem, et, en moi-même, j' ai pénétré toute sorte de sagesse et de savoir.
Mtt / Koh 1:17 And I gave my heart to know wisdom, and to know madness and folly: I perceived that this also is vexation of spirit. Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany, Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena, sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana, dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany. J' ai mis tout mon coeur à comprendre la sagesse et le savoir, la sottise et la folie, et j' ai compris que tout cela aussi est recherche de vent.
Mtt / Koh 1:18 For in much wisdom is much grief: and he that increaseth knowledge increaseth sorrow. satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana. Satria rahefa be fahendrena, be alahelo koa; ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa. Beaucoup de sagesse, beaucoup de chagrin; plus de savoir, plus de douleur.

<-
->