<-
->

Ton 1:1 The song of songs, which is Solomon' s. Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon' i Solomona. Tonon-kira dia tonon-kira, nataon' i Salomona. Cantique des Cantiques, de Salomon.
Ton 1:2 Let him kiss me with the kisses of his mouth: for thy love is better than wine. Enga anie ka hanoroka ahy amin' ny fanorohan' ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao. Hanoroka ahy amin' ny fanorohan' ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao; Qu' il me baise des baisers de sa bouche. Tes amours sont plus délicieuses que le vin;
Ton 1:3 Because of the savour of thy good ointments thy name is as ointment poured forth, therefore do the virgins love thee. Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan' ny zatovovavy anao. soa ny hanitry ny zava-manitrao, diloilo mamerovero ny anaranao, izany no itiavan' ny zatovovavy anao. l' arôme de tes parfums est exquis; ton nom est une huile qui s'épanche, c' est pourquoi les jeunes filles t' aiment.
Ton 1:4 Draw me, we will run after thee: the king hath brought me into his chambers: we will be glad and rejoice in thee, we will remember thy love more than wine: the upright love thee. Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin' ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao. Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin' ny mpanjaka ho ao an' efi-tranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan' ny olona anao! Entraîne-moi sur tes pas, courons! Le roi m' a introduite en ses appartements; tu seras notre joie et notre allégresse. Nous célébrerons tes amours plus que le vin; comme on a raison de t' aimer!
Ton 1:5 I am black, but comely, O ye daughters of Jerusalem, as the tents of Kedar, as the curtains of Solomon. Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin' i Jerosalema, toy ny lain' i Kedara, toy ny ambain-dain' i Solomona. Mainty aho, ry zanakavavin' i Jerosalema, nefa tsara tarehy, Sahala amin' ny lain' i Sedara, tahaka ny trano lain' i Salomona. Je suis noire et pourtant belle, filles de Jérusalem, comme les tentes de Qédar, comme les pavillons de Salma.
Ton 1:6 Look not upon me, because I am black, because the sun hath looked upon me: my mother' s children were angry with me; they made me the keeper of the vineyards; but mine own vineyard have I not kept. Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon' ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak' ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an' ny tenako, tsy mba nandrasako. Aza ny hamaintiko no jerena, fa ny hainandro no nampivalomainty ahy: tezitra tamiko ny zanak' i neny; nasainy niandry tanimboaloboka aho, ny tanimboaloboka, ny ahy, tsy mba nandrasako. Ne prenez pas garde à mon teint basané : c' est le soleil qui m' a brûlée. Les fils de ma mère se sont emportés contre moi, ils m' ont mise à garder les vignes. Ma vigne à moi, je ne l' avais pas gardée!
Ton 1:7 Tell me, O thou whom my soul loveth, where thou feedest, where thou makest thy flock to rest at noon: for why should I be as one that turneth aside by the flocks of thy companions? Lazao amiko, ry ilay tian' ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin' ny andian' ny namanao? Lazao ahy, ry malalan' ny foko, izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovonana ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin' ny andian' ondrin' ny namanao eny. Dis-moi donc, toi que mon coeur aime : Où mèneras-tu paître le troupeau, où le mettras-tu au repos, à l' heure de midi ? Pour que je n' erre plus en vagabonde, près des troupeaux de tes compagnons. .
Ton 1:8 If thou know not, O thou fairest among women, go thy way forth by the footsteps of the flock, and feed thy kids beside the shepherds' tents. Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin' ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian' ny ondry aman' osy, ary andraso eny amin' ny lain' ny mpiandry ondry ny zanak' osinao. Ny antokom-pihira Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin' ny vehivavy, mandehana manaraka ny biby fiompinao, dia andraso eny akaikin' ny trano bongon' ny mpiandry ondry, ny zanak' osinao. Si tu l' ignores, ô la plus belle des femmes, suis les traces du troupeau, et mène paître tes chevreaux près de la demeure des bergers.
Ton 1:9 I have compared thee, O my love, to a company of horses in Pharaoh' s chariots. Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin' ny soavalivaviko mitarika ny kalesin' i Farao. Amin' ny soavalivaviko mitarika ny kalesin' i Faraona no ampitahako anao, ry malalako. A ma cavale, attelée au char de Pharaon, je te compare, ma bien-aimée.
Ton 1:10 Thy cheeks are comely with rows of jewels, thy neck with chains of gold. Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado. Tsara ny takolakao voahodidin' ireo fehivozona, soa ny vozonao, voahodidin' ireo voahangy maro andalana. Tes joues restent belles, entre les pendeloques, et ton cou dans les colliers.
Ton 1:11 We will make thee borders of gold with studs of silver. Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao. Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy. Nous te ferons des pendants d' or et des globules d' argent.
Ton 1:12 While the king sitteth at his table, my spikenard sendeth forth the smell thereof. Raha mipetraka amin' ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako. Raha teo amin' ny saofany indrindra iny ny mpanjaka no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro. - Tandis que le roi est en son enclos, mon nard donne son parfum.
Ton 1:13 A bundle of myrrh is my well-beloved unto me; he shall lie all night betwixt my breasts. Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako. Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapokely, izay miondana eo an-tratrako. Mon bien-aimé est un sachet de myrrhe, qui repose entre mes seins.
Ton 1:14 My beloved is unto me as a cluster of camphire in the vineyards of Engedi. Ny malalako dia tahaka ny vonin' ny kofera amiko, any an-tanimbolin' i En-jedy. Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho, any an-tanimboalobok' i Engadì! Mon bien-aimé est une grappe de cypre, dans les vignes d' En-Gaddi.
Ton 1:15 Behold, thou art fair, my love; behold, thou art fair; thou hast doves' eyes. Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao. Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao! Masom-boromailala, ny masonao. - Que tu es belle, ma bien-aimée, que tu es belle! Tes yeux sont des colombes.
Ton 1:16 Behold, thou art fair, my beloved, yea, pleasant: also our bed is green. Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika. Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako, eny mahafinaritra hianao. Ny farafarantsika dia farafaran-java-maitso. - Que tu es beau, mon bien-aimé, combien délicieux! Notre lit n' est que verdure.
Ton 1:17 The beams of our house are cedar, and our rafters of fir. Sedera ny sakamandimbin' ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika. Sedera ny sakamandimbin-tranontsika; sipresy ny peta-drindrintsika. - Les poutres de notre maison sont de cèdre, nos lambris de cyprès.

<-
->