<-
->

Dan / Da 13:1 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Joakima, nonina tao Babilona;
Dan / Da 13:2 nanambady vehivavy anankiray, atao hoe Sozana, zanakavavin' i Helkiasa, sady tsara tarehy tokoa, no natahotra an' Andriamanitra,
Dan / Da 13:3 satria olo-marina rainy aman-dreniny, ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn' i Moizy.
Dan / Da 13:4 Mpanankarem-be io Joakima io, ary nanana zaridaina teo akaikin' ny tranony izy, ary be ny Jody mankao aminy, satria izy no manan-kaja indrindra tamin' izy rehetra ireo.
Dan / Da 13:5 Tamin' izay taona izay, dia notendrena ho mpitsara ny loholona roa lahy tamin' ny vahoaka; ireo no nitenenan' ny Mpampianatra nataony hoe: Ireo anti-dahy, izay mpitsara ka toa mitondra ny vahoaka, no nivoahan' ny faharatsiana avy ao Babilona.
Dan / Da 13:6 Ao an-tranon' i Joakima no falehan' izy ireo, ary ny olona rehetra manan' ady dia manatona azy.
Dan / Da 13:7 Tokony ho amin' ny misasak' andro, rahefa lasa ny vahoaka, Sozana kosa niditra tao anatin' ny zaridain' ny lahy ka nitsangatsangana tao.
Dan / Da 13:8 Hitan' ireto anti-dahy roa lahy izy, niditra sy nitsangatsangana ao isan' andro, ka velom-panirian-dratsy azy mafy izy ireo:
Dan / Da 13:9 nosimbany ny sainy ary naviliny tsy hahita ny lanitra ny masony sy tsy hahatsiaro izay fitsarana marin' Andriamanitra.
Dan / Da 13:10 Koa samy voan' ny fitiavana an-drazazavavy izy ireo, kanefa tsy nifampilaza ny fijaliana mafy nanjo azy;
Dan / Da 13:11 satria samy menatra izy ireo ny hifamosaka ny filan-dratsy nitaona azy hiaraka amin-drazazavavy.
Dan / Da 13:12 Nitsikilo fatratra an-drazazavavy isan' andro ny masony hahitany azy, dia nifampilaza hoe:
Dan / Da 13:13 Andeha hody isika, fa fotoana fisakafoanana izao. Dia nivoaka samy naningana izy.
Dan / Da 13:14 Kanjo tafaverina indray izy ireo ka tafahoana, dia nifanontany ny antony iverenany eo, vao samy vaky milaza ity fanirian-dratsiny avy izy ireo, vao nifanaiky ny amin' ny fotoana mety hahitany azy mitokana.
Dan / Da 13:15 Eo am-pikendrena izay fotoana mety indrindra izy ireo indro Sozana niditra tao anaty zaridaina toy ny nataony omaly sy afakomaly, tsy narahan' ny olona hafa-tsy ankizivavy roa, fa te-handro tao anaty zaridaina izy, satria nafana ny andro.
Dan / Da 13:16 Tsy nisy olona tao, hafa-tsy iretsy anti-dahy niery sy nikendry azy.
Dan / Da 13:17 Dia hoy razazavavy tamin' ireo ankizivavy: Itondray diloilo manitra sy menaka fanosorana aho; ary hidio ny vavahadin' ny zaridaina fa handro aho.
Dan / Da 13:18 Nataon' ireo izay nasain' i Sozana nataony; ka nony voahidiny ny vavahadin' ny zaridaina dia nivoaka tamin' ny vavahady anankiray teo ivoho izy, haka ny zavatra nilaina tamin' izy ireo; tsy fantany fa miery ao anaty zaridaina iretsy anti-dahy.
Dan / Da 13:19 Vao lasa ireo ankizivavy, dia nitsangana izy roa lahy, nidodododo nankeo amin' i Sozana, ka nanao taminy hoe:
Dan / Da 13:20 Hitanao fa mihidy ny vavahadin' ny zaridaina, tsy misy mahita antsika, ary izahay mirehi-pitiavana anao; koe ekeo ny fanirianay, meteza mba ho anay.
Dan / Da 13:21 Fa raha mandà kosa hianao dia hitsangan-ko vavolombelona miampanga anao izahay, hilaza fa nisy tovolahy anankiray nomba anao ka izany no namerenanao an' ireo ankizivavy.
Dan / Da 13:22 Nisento Sozana ka nanao hoe: Latsaka an-katerena mafy aho avy hatraiza hatraiza: hanao izany moa aho, fahafatesana ho ahy izany; tsy hanao izany indray, tsy afa-mandositra ny tànanareo.
Dan / Da 13:23 Aleoko anefa tsy nanao ratsy azon' ny tànanareo; toy izay hanota eo anatrehan' ny Tompo.
Dan / Da 13:24 Dia niantso mafy izy; fa mba niantsoantso hamely azy koa, ireto anti-dahy;
Dan / Da 13:25 sady nihazakazaka namoha ny vavahadin' ny zaridaina ny iray amin' izy ireo.
Dan / Da 13:26 Vao nandre ny antsoantso avy any anaty saha ireo mpanompo tao an-trano, dia nidodododo niditra ny vavahady tao ivoho hizaha izay inona ao.
Dan / Da 13:27 Nony nilazalaza ny toe-draharaha ireto anti-dahy dia menatra mafy ireto mpanompo, fa tsy mbola nisy nilaza zavatra toy izany, ny amin' i Sozana, na iza na iza.
Dan / Da 13:28 Ny ampitson' iny, rahefa tafavory tao amin' i Joakima vadin' i Sozana ny vahoaka, dia tonga tao koa ireto anti-dahy roa lahy, efa feno hevi-dratsy hamelezana an-drazazavavy mba hahafaty azy.
Dan / Da 13:29 Hoy izy ireo teo anatrehan' ny vahoaka: Ampanalao Sozana, zanak' i Helkiasa sy vadin' i Joakima. Dia naniraka haka azy niaraka tamin' izay ny olona.
Dan / Da 13:30 Dia tonga razazavavy nomban' ny ray aman-dreniny sy ireo zanany lahy, ary ny havany rehetra.
Dan / Da 13:31 Fatratra ny endrik' i Sozana; ary tsara tarehy aoka izany izy.
Dan / Da 13:32 Nivoaly izy, nefa nasain' ireto mpitsara ratsy fanahy nesorina taminy ny voaliny, mba hilomanosany amin' ny hatsaran-tarehiny.
Dan / Da 13:33 Fa ny fianakaviany rehetra mbamin' izay nahalala azy kosa, nandatsa-dranomaso avokoa.
Dan / Da 13:34 Dia nitsangana teo afovoan' ny vahoaka ireto anti-dahy roa lahy, nametra-tànana tamin' ny lohan-drazazavavy;
Dan / Da 13:35 izy kosa, sady nitomany no niandrandra ny lanitra, satria natoky ny Tompo izy.
Dan / Da 13:36 Ary hoy ireto anti-dahy: Raha nitsangatsangana tao anaty zaridaina izahay dia honjohonjonay ihany, indro izy niditra, narahin' ankizivavy roa; ka nasainy nohidiana ny vavahadin' ny zaridaina dia naveriny ireo ankizivavy roa ireo.
Dan / Da 13:37 Ary nisy tovolahy anankiray efa namitsaka tao, nanatona azy, dia nanao ratsy taminy.
Dan / Da 13:38 Tao anjoron' ny zaridaina izahay, fa rahefa nahita izany heloka izany dia niroatra nankeo amin' izy ireo, ka tratranay tamin' izany fahavetavetana izany izy.
Dan / Da 13:39 Tsy azonay nosamborina ilay tovolahy, fa matanjaka noho izahay, ka novohany ny vavahady dia nitsoaka izy.
Dan / Da 13:40 Razazavavy kosa, nony azonay, nanontanianay hoe: iza iny tovolahy iny, nefa tsy nety nilaza taminay izy. Izany no filazanay marina.
Dan / Da 13:41 Nino izany ny be sy ny maro, satria anti-dahy ireo sady mpitsara ny vahoaka, ka dia noheloin' izy ireo ho faty razazavavy.
Dan / Da 13:42 Tamin' izay Sozana niantso tamin' ny feo mahery nanao hoe: Ry Andriamanitra mandrakizay ô, hianao no mahalala ny miafina sy mahafantatra ny zavatra rehetra alohan' ny ahatongavany aza,
Dan / Da 13:43 fantatrao fa lainga no niampangan' izy ireo ahy, ary indro aho fa maty, nefa izay noforoniny an-kasomparana hamelezana ahy, tsy misy nataoko akory.
Dan / Da 13:44 Nohenoin' ny Tompo ny feony.
Dan / Da 13:45 Ary raha ilay nitondra azy hovonoina iny ny olona, Andriamanitra kosa nanaitra ny fanahy masin' ny zazalahy anankiray, atao hoe Daniely.
Dan / Da 13:46 Niantso tamin' ny feo avo io nanao hoe: Raha izaho dia afa-tsiny amin' ny ran' io vehivavy io.
Dan / Da 13:47 Niherika nankany aminy avokoa ny vahoaka, sady nanao taminy hoe: Inona no hevitr' izany teny lazainao izany?
Dan / Da 13:48 Dia nijoro tao afovoan' ny vahoaka Daniely, nilaza hoe: Hay va re adala toy izany hianareo, ry zanak' Israely, ka hampamono ny zanakavavin' Israely, nefa tsy mbola namototra na nikaroka izay marina hianareo?
Dan / Da 13:49 Miverena ho any amin' ny trano fitsarana, fa lainga no niampangana azy io.
Dan / Da 13:50 Dia niverina faingana ny vahoaka ary hoy ny loholona tamin' i Daniely: Avia, hiara-mipetraka aminay hianao, ary aposahy ny hevitra, fa efa nomen' Andriamanitra anao ny voninahitry ny fahanterana.
Dan / Da 13:51 Ka hoy Daniely tamin' ny vahoaka: Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy.
Dan / Da 13:52 Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin' i Daniely ny anankiray, dia hoy izy taminy: Ry olona nihantitra tamin' ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifototra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay;
Dan / Da 13:53 hianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina.
Dan / Da 13:54 Ka raha nahita an-drazazavavy ary hianao, dia lazao hoe: teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo? Hoy ny navaliny hoe: Teo ambany lentisika.
Dan / Da 13:55 Dia hoy Daniely: Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny anjelin' Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin' Andriamanitra sahady.
Dan / Da 13:56 Nony nampihataka an' io izy, nasainy hampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: Ry taranak' i Kanaana, fa tsy mba taranak' i Jodà ô, sodokan' ny hatsaran-tarehim-behivavy hianao; ary voasimban' ny filan-dratsy ny fonao.
Dan / Da 13:57 Izany no nataonareo tamin' ny zanakavavin' Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanakavavin' i Jodà kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory.
Dan / Da 13:58 Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranao niresaka izy ireo? Hoy izy: Teo ambany oaka.
Dan / Da 13:59 Ka hoy Daniely taminy: Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny anjelin' ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo.
Dan / Da 13:60 Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an' Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena azy izy.
Dan / Da 13:61 Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an' ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon' i Daniely vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin' ny namany ihany, no nataony tamin' izy roa lahy,
Dan / Da 13:62 mba hahatanteraka ny lalàn' i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin' izany andro izany. Nidera an' Andriamanitra noho ny amin' i Sozana zanany vavy.
Dan / Da 13:63 Helkiasa sy ny vadiny, mbamin' i Joakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahitana zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy.
Dan / Da 13:64 Ary tonga nalaza teo anatrehan' ny vahoaka Daniely hatramin' izany andro izany, ka hatratý aorian' izany koa.
Dan / Da 13:65 Nony voaangona tany amin' ny razany, Astiaza mpanjaka, dia Syrosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana.

<-
->