<-
->

Hos / Os 2:1 Say ye unto your brethren, Ammi; and to your sisters, Ruhamah. Kanefa, na dia izany aza, ny isan' ny Zanak' Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin' ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin' ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak' Andriamanitra velona ianareo. Ny isan' ny zanak' Israely dia ho tahaka ny fasika amin' ny ranomasina izay tsy afatra na isaina, ary any amin' ny tany nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako hianareo, no hanaovana ny hoe: Zanak' Andriamanitra velona. Le nombre des enfants d' Israël sera comme le sable de la mer, qu' on ne peut ni mesurer ni compter; au lieu même où on leur disait : " Vous n'êtes pas mon peuple ", on leur dira : " Fils du Dieu vivant. "
Hos / Os 2:2 Plead with your mother, plead: for she is not my wife, neither am I her husband: let her therefore put away her whoredoms out of her sight, and her adulteries from between her breasts; Dia hiara-mivory ny taranak' i Joda sy ny taranak' Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin' ny tany, fa ho lehibe ny andron' i Jezirda. Ary hiara-mivory ny taranak' i Jodà sy ny taranak' Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatra hiala amin' ny tany, fa ho lehibe ny andron' i Jezrahely. Les enfants de Juda et les enfants d' Israël se réuniront, ils se donneront un chef unique et ils déborderont hors du pays; car il sera grand le jour de Yizréel.
Hos / Os 2:3 Lest I strip her naked, and set her as in the day that she was born, and make her as a wilderness, and set her like a dry land, and slay her with thirst. Manaova amin' ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin' ny anabavinareo hoe: Rohama. Lazao amin' ny rahalahinareo hoe: Ammì! sy amin' ny anabavinareo hoe: Rokhama. Dites à vos frères : " Mon Peuple ", et à vos soeurs : " Celle dont on a pitié ".
Hos / Os 2:4 And I will not have mercy upon her children; for they be the children of whoredoms. Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin' ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany; Mifandahara amin-dreninareo, mifandahara! Fa izy tsy vadiko intsony, ary izaho tsy vadiny intsony. Aoka hesoriny hiala amin' ny tavany, ny fijangajangany, ary tsy ho eo afovoan' ny nonony ny fanabodoany, Intentez procès à votre mère, intentez-lui procès! Car elle n' est pas ma femme, et moi je ne suis pas son mari. Qu' elle écarte de sa face ses prostitutions, et d' entre ses seins ses adultères.
Hos / Os 2:5 For their mother hath played the harlot: she that conceived them hath done shamefully: for she said, I will go after my lovers, that give me my bread and my water, my wool and my flax, mine oil and my drink. Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin' ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy. fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin' ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin' ny hetaheta. Sinon je la déshabillerai toute nue et la mettrai comme au jour de sa naissance; je la rendrai pareille au désert, je la réduirai en terre aride, je la ferai mourir de soif,
Hos / Os 2:6 Therefore, behold, I will hedge up thy way with thorns, and make a wall, that she shall not find her paths. Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny. Tsy hamindra fo amin' izay zanany aho, fa zanaky ny fijangajangana ireny; et de ses enfants je n' aurai pas pitié, car ce sont des enfants de prostitution.
Hos / Os 2:7 And she shall follow after her lovers, but she shall not overtake them; and she shall seek them, but shall not find them: then shall she say, I will go and return to my first husband; for then was it better with me than now. Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon' ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko. satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoroina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin' ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon' ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko. Oui, leur mère s' est prostituée, celle qui les conçut s' est déshonorée; car elle a dit : Je veux courir après mes amants, qui me donnent mon pain et mon eau, ma laine et mon lin, mon huile et ma boisson.
Hos / Os 2:8 For she did not know that I gave her corn, and wine, and oil, and multiplied her silver and gold, which they prepared for Baal. Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy. Noho izany, indro aho hanampina ny làlanao amin' ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny làlany intsony izy. C' est pourquoi je vais obstruer son chemin avec des ronces, je l' entourerai d' une barrière pour qu' elle ne trouve plus ses sentiers;
Hos / Os 2:9 Therefore will I return, and take away my corn in the time thereof, and my wine in the season thereof, and will recover my wool and my flax given to cover her nakedness. Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin' ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin' izay noho ny ankehitriny. Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an' ireny; hitady an' ireny izy fa tsy hahita azy. Izay izy vao hanao hoe: Handeha aho hody any amin' ny vadiko taloha, fa niadana aho tamin' izany noho ny ankehitriny. elle poursuivra ses amants et ne les atteindra pas, elle les cherchera et ne les trouvera pas. Alors elle dira : Je veux retourner vers mon premier mari, car j'étais plus heureuse alors que maintenant.
Hos / Os 2:10 And now will I discover her lewdness in the sight of her lovers, and none shall deliver her out of mine hand. Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an' i Bala, Tsy nahalala izy, fa izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an' i Baala. Elle n' a pas reconnu que c' est moi qui lui donnais le froment, le vin nouveau et l' huile fraîche, qui lui prodiguais cet argent et cet or qu' ils ont employés pour Baal!
Hos / Os 2:11 I will also cause all her mirth to cease, her feast days, her new moons, and her sabbaths, and all her solemn feasts. Koa dia halaiko indray ny variko amin' ny androny sy ny ranom-boaloboko amin' ny taonany, ary haoriko ny volon' ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany. Koa halaiko indray ny variko amin' ny androny, sy ny divaiko vaovao amin' ny taonany, sady hesoriko ny volon' ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany. C' est pourquoi je reprendrai mon froment en son temps et mon vin nouveau en sa saison; je retirerai ma laine et mon lin qui devaient couvrir sa nudité.
Hos / Os 2:12 And I will destroy her vines and her fig trees, whereof she hath said, These are my rewards that my lovers have given me: and I will make them a forest, and the beasts of the field shall eat them. Ary ankehitriny hasehoko eo imason' ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin' ny tanako. Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason' ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin' ny tanako. Puis je dévoilerai son infamie aux yeux de ses amants et personne ne la délivrera de ma main.
Hos / Os 2:13 And I will visit upon her the days of Baalim, wherein she burned incense to them, and she decked herself with her earrings and her jewels, and she went after her lovers, and forgat me, saith the Lord. Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra. Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra. Je ferai cesser toutes ses réjouissances, ses fêtes, ses néoménies, ses sabbats et toutes ses solennités.
Hos / Os 2:14 Therefore, behold, I will allure her, and bring her into the wilderness, and speak comfortably unto her. Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin' ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin' ny bibidia. Horavako ny voalobony aman' aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen' ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy. Je dévasterai sa vigne et son figuier, dont elle disait : Ils sont le salaire que m' ont donné mes amants; j' en ferai un hallier et la bête sauvage les dévorera.
Hos / Os 2:15 And I will give her her vineyards from thence, and the valley of Achor for a door of hope: and she shall sing there, as in the days of her youth, and as in the day when she came up out of the land of Egypt. Ary hovaliako izy noho ny andron' ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah. Hovaliako izy noho ny andron' ireo Baala, izay nanolorany emboka; tamin' ny andro niravahany masombola ny fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa izaho kosa nohadinoiny, - teny marin' ny Tompo. Je la châtierai pour les jours des Baals auxquels elle brûlait de l' encens, quand elle se parait de son anneau et de son collier et qu' elle courait après ses amants; et moi, elle m' oubliait! Oracle de Yahvé.
Hos / Os 2:16 And it shall be at that day, saith the Lord, that thou shalt call me Ishi; and shalt call me no more Baali. Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy. Koa noho izany dia indro aho hitarika azy sy hitondra azy any an' efitra, ary hiteny aminy ao am-pony; C' est pourquoi je vais la séduire, je la conduirai au désert et je parlerai à son coeur.
Hos / Os 2:17 For I will take away the names of Baalim out of her mouth, and they shall no more be remembered by their name. Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin' ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin' ny andro niakarany avy tany amin' ny tany Egypta. ary avy ao homeko azy ny tanim-boalobony, mbamin' ny lohasaha Akhora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin' ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin' ny andro niakarany avy any amin' ny tany Ejipta. Là, je lui rendrai ses vignobles, et je ferai du val d' Akor une porte d' espérance. Là, elle répondra comme aux jours de sa jeunesse, comme au jour où elle montait du pays d'Égypte.
Hos / Os 2:18 And in that day will I make a covenant for them with the beasts of the field and with the fowls of heaven, and with the creeping things of the ground: and I will break the bow and the sword and the battle out of the earth, and will make them to lie down safely. Ary raha mby amin' izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako. Amin' izany andro izany - teny marin' ny Tompo, hianao hiantso ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso ahy intsony hoe: Baala-ko. Il adviendra, en ce jour-là - oracle de Yahvé - que tu m' appelleras " Mon mari ", et tu ne m' appelleras plus " Mon Baal ".
Hos / Os 2:19 And I will betroth thee unto me for ever; yea, I will betroth thee unto me in righteousness, and in judgment, and in lovingkindness, and in mercies. Fa hesoriko amin' ny vavany ny anaran' ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin' ny anarany intsony ireo. Hesoriko amin' ny vavany, ny anaran' ireo Baala, ka tsy hotononina amin' ny anarany intsony ireny. J'écarterai de sa bouche les noms des Baals, et ils ne seront plus mentionnés par leur nom.
Hos / Os 2:20 I will even betroth thee unto me in faithfulness: and thou shalt know the Lord. Ary raha mby amin' izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin' ny bibidia sy amin' ny voro-manidina ary amin' ny biby mandady sy mikisaka amin' ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin' ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy; Amin' izany andro izany aho hanao fanekena ho azy, amin' ny biby dia, amin' ny voromanidina, ary amin' ny biby mandady amin' ny tany; hofoanako tsy hisy amin' ny tany ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady, ka hataoko mandry fehizay izy. Je conclurai pour eux une alliance, en ce jour-là, avec les bêtes des champs, avec les oiseaux du ciel et les reptiles du sol; l' arc, l'épée, la guerre, je les briserai et les bannirai du pays, et eux, je les ferai reposer en sécurité.
Hos / Os 2:21 And it shall come to pass in that day, I will hear, saith the Lord, I will hear the heavens, and they shall hear the earth; Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin' ny rariny sy ny hitsiny ary amin' ny fitiavana sy ny indrafo ianao; Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay hianao; hofofoiko ho ahy hianao amin' ny rariny sy ny hitsiny, ary amin' ny fahasoavana sy ny fitiavana: Je te fiancerai à moi pour toujours; je te fiancerai dans la justice et dans le droit, dans la tendresse et la miséricorde;
Hos / Os 2:22 And the earth shall hear the corn, and the wine, and the oil; and they shall hear Jezreel. Eny, hofofoiko ho vadiko amin' ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an' i Jehovah. hofofoiko ho ahy amin' ny fahamarinana hianao, ka hahalala an' ny Tompo. je te fiancerai à moi dans la fidélité, et tu connaîtras Yahvé.
Hos / Os 2:23 And I will sow her unto me in the earth; and I will have mercy upon her that had not obtained mercy; and I will say to them which were not my people, Thou art my people; and they shall say, Thou art my God. Ary amin' izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an' i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin' ny tany izy; Ary hamindra fo amin' i Lò-rohama Aho sady hanao amin' i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao. Izao no ho tonga amin' izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin' ny Tompo, izaho hamaly ny fangatahan' ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan' ny tany; Il adviendra, en ce jour-là, que je répondrai - oracle de Yahvé - je répondrai aux cieux et eux répondront à la terre;
Hos / Os 2:24 ny tany hamaly ny fangatahan' ny vary sy ny divay vaovao ary ny diloilo, ary ireo hamaly ny fangatahan' i Jezrahely. la terre répondra au froment, au vin nouveau et à l' huile fraîche, et eux répondront à Yizréel.
Hos / Os 2:25 Hafafiko amin' ny tany ho ahy Israely, ary hanao famindram-po amin' i Lo-Rokhama aho sy hilaza amin' i Lo-Ammì hoe: Vahoakako hianao, ary izy hanao hoe: Andriamanitro. Je la sèmerai dans le pays, j' aurai pitié de Lo-Ruhamah, je dirai à Lo-Ammi : " Tu es mon peuple " et lui dira : " Mon Dieu! "

<-
->