<-
->

Deo / Dt 3:21 And I commanded Joshua at that time, saying, Thine eyes have seen all that the Lord your God hath done unto these two kings: so shall the Lord do unto all the kingdoms whither thou passest. Dia nandidy an' i Josoa aho tamin' izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah Andriamanitrareo tamin' ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon' i Jehovah amin' ny fanjakana rehetra izay halehanao. Nanome didy an' i Josoe koa aho tamin' izany andro izany nanao hoe: masonao no nahita izay rehetra nataon' ny Tompo Andriamanitrareo tamin' ireo mpanjaka roa lahy ireo. Toy izany koa no hataon' ny Tompo amin' ny fanjakana rehetra halehanao hiadiana. Je donnai alors cet ordre à Josué : " Tu vois de tes yeux tout ce que Yahvé notre Dieu a fait à ces deux rois ; Yahvé traitera de même tous les royaumes où tu vas passer.