<-
->

Rom / Rm 15:1 We then that are strong ought to bear the infirmities of the weak, and not to please ourselves. Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen' ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen' izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. Mais c' est un devoir pour nous, les forts, de porter les faiblesses de ceux qui n' ont pas cette force et de ne point rechercher ce qui nous plaît.
Rom / Rm 15:2 Let every one of us please his neighbour for his good to edification. Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin' izay hahasoa sy hampandroso azy. Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin' izay hahasoa azy, hahatarika azy amin' ny tsara. Que chacun d' entre nous plaise à son prochain pour le bien, en vue d'édifier.
Rom / Rm 15:3 For even Christ pleased not himself; but, as it is written, The reproaches of them that reproached thee fell on me. Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon' izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9). Fa tsy nitady ny hahafaly ny tenany ny Kristy; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsan' izay nandatsa anao dia nihatra tamiko. Car le Christ n' a pas recherché ce qui lui plaisait ; mais comme il est écrit : Les insultes de tes insulteurs sont tombées sur moi.
Rom / Rm 15:4 For whatsoever things were written aforetime were written for our learning, that we through patience and comfort of the scriptures might have hope. Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin' ny faharetana sy ny fiononana avy amin' ny Soratra Masina. Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin' ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin' ny Soratra Masina. En effet, tout ce qui a été écrit dans le passé le fut pour notre instruction, afin que la constance et la consolation que donnent les Écritures nous procurent l' espérance.
Rom / Rm 15:5 Now the God of patience and consolation grant you to be likeminded one toward another according to Christ Jesus: Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an ' i Kristy Jesosy, Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an' ny Kristy Jeso, Que le Dieu de la constance et de la consolation vous accorde d' avoir les uns pour les autres la même aspiration à l' exemple du Christ Jésus,
Rom / Rm 15:6 That ye may with one mind and one mouth glorify God, even the Father of our Lord Jesus Christ. mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an' Andriamanitra, Rain' i Jesosy Kristy Tompontsika. mba hiarahanareo mankalaza an' Andriamanitra Rain' i Jeso-Kristy Tompontsika, amin' ny fo iray sy vava iray. afin que d' un même coeur et d' une même bouche vous glorifiiez le Dieu et Père de notre Seigneur Jésus Christ.
Rom / Rm 15:7 Wherefore receive ye one another, as Christ also received us to the glory of God. Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan' i Kristy anareo koa ho voninahitr' Andriamanitra. Koa mifandraisa hianareo, tahaka ny nandraisan' ny Kristy anareo mba ho voninahitr' Andriamanitra. Aussi soyez accueillants les uns pour les autres, comme le Christ le fut pour vous à la gloire de Dieu.
Rom / Rm 15:8 Now I say that Jesus Christ was a minister of the circumcision for the truth of God, to confirm the promises made unto the fathers: Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon' ny voafora noho ny fahamarinan' Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin' ny razana, Fa ny Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan' Andriamanitra, amin' ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin' ny razan' izy ireo; Je l' affirme en effet, le Christ s' est fait ministre des circoncis à l' honneur de la véracité divine, pour accomplir les promesses faites aux patriarches,
Rom / Rm 15:9 And that the Gentiles might glorify God for his mercy; as it is written, For this cause I will confess to thee among the Gentiles, and sing unto thy name. mba hankalazan' ny jentilisa an' Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin' ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). ary ny jentily kosa dia mankalaza an' Andriamanitra noho ny famindra-pony, araka ny vosaoratra hoe: Izany no hiderako anao any amin' ny jentily, sy hankalazako ny anaranao. et les nations glorifient Dieu pour sa miséricorde, selon le mot de l'Écriture : C' est pourquoi je te louerai parmi les nations et je chanterai à la gloire de ton nom ;
Rom / Rm 15:10 And again he saith, Rejoice, ye Gentiles, with his people. Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin' ny olony (Deo. 32. 43). Ary koa: Miaraha miravoravo amin' ny olony, ry jentily; et cet autre : Nations, exultez avec son peuple ;
Rom / Rm 15:11 And again, Praise the Lord, all ye Gentiles; and laud him, all ye people. Ary koa: Midera' an' i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). mbamin' ny hoe: Miderà ny Tompo, hianareo firenena rehetra; ary mankalazà azy, ry vahoaka rehetra. ou encore : Toutes les nations, louez le Seigneur, et que tous les peuples le célèbrent.
Rom / Rm 15:12 And again, Esaias saith, There shall be a root of Jesse, and he that shall rise to reign over the Gentiles; in him shall the Gentiles trust. Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon' i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian' ny jentilisa (Iza. 11. 10). Hoy koa Izaia: Hisy solofon' i Jese, izay hitsangana hanapaka ny jentily; izy no hitokian' ny firenena rehetra. Et Isaïe dit à son tour : Il paraîtra, le rejeton de Jessé, celui qui se dresse pour commander aux nations. En lui les nations mettront leur espérance.
Rom / Rm 15:13 Now the God of hope fill you with all joy and peace in believing, that ye may abound in hope, through the power of the Holy Ghost. Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin' ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin' ny finoanareo, mba hitomboanareo amin' ny fanantenana noho ny herin' ny Fanahy Masina. Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin' ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin' ny Fanahy Masina. Que le Dieu de l' espérance vous donne en plénitude dans votre acte de foi la joie et la paix, afin que l' espérance surabonde en vous par la vertu de l' Esprit Saint.
Rom / Rm 15:14 And I myself also am persuaded of you, my brethren, that ye also are full of goodness, filled with all knowledge, able also to admonish one another. Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. Izaho aloha, ry rahalahy, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra hianareo, sady mahay mifananatra koa. Je suis personnellement bien persuadé, mes frères, à votre sujet, que vous êtes par vous-mêmes remplis de bons sentiments, en pleine possession du don de science, capables aussi de vous avertir mutuellement.
Rom / Rm 15:15 Nevertheless, brethren, I have written the more boldly unto you in some sort, as putting you in mind, because of the grace that is given to me of God, Kanefa amin' ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen' Andriamanitra ahy, Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen' Andriamanitra ahy Je vous ai cependant écrit assez hardiment par endroits, comme pour raviver vos souvenirs, en vertu de la grâce que Dieu m' a faite
Rom / Rm 15:16 That I should be the minister of Jesus Christ to the Gentiles, ministering the gospel of God, that the offering up of the Gentiles might be acceptable, being sanctified by the Holy Ghost. mba ho mpanompon' i Kristy Jesosy ho an' ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin' ny itoriako ny filazantsaran' Andriamanitra, mba horaisina amin' ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin' ny Fanahy Masina. mba ho mpandraharahan' ny Kristy Jeso amin' ny jentily aho, amin' ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin' Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily, rahefa nohamasinin' ny Fanahy Masina. d'être un officiant du Christ Jésus auprès des païens, ministre de l'Évangile de Dieu, afin que les païens deviennent une offrande agréable, sanctifiée dans l' Esprit Saint.
Rom / Rm 15:17 I have therefore whereof I may glory through Jesus Christ in those things which pertain to God. Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin' i Kristy Jesosy aho noho ny amin' Andriamanitra. Koa mba manana rehareha ao amin' i Kristy Jeso ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an' Andriamanitra. Je puis donc me glorifier dans le Christ Jésus en ce qui concerne l' oeuvre de Dieu.
Rom / Rm 15:18 For I will not dare to speak of any of those things which Christ hath not wrought by me, to make the Gentiles obedient, by word and deed, Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin' i Kristy ahy, na tamin' ny teny, na tamin' ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin' ny Kristy ahy, mba hampanaiky ny jentily, na tamin' ny teny aman' asa, Car je n' oserais parler de ce que le Christ n' aurait pas fait par moi pour obtenir l' obéissance des païens, en parole et en oeuvre,
Rom / Rm 15:19 Through mighty signs and wonders, by the power of the Spirit of God; so that from Jerusalem, and round about unto Illyricum, I have fully preached the gospel of Christ. dia tamin' ny herin' ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin' ny herin' ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran' i Kristy. na tamin' ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin' ny Fanahy Masina; any ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin' ny Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Hiria; par la vertu des signes et des prodiges, par la vertu de l' Esprit de Dieu : ainsi, depuis Jérusalem en rayonnant jusqu'à l' Illyrie, j' ai procuré l' accomplissement de l'Évangile du Christ,
Rom / Rm 15:20 Yea, so have I strived to preach the gospel, not where Christ was named, lest I should build upon another man' s foundation: Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin' izay efa niantsoana an' i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin' izay efa naorin' ny sasany aho; sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin' izay mbola tsy nanononana ny Kristy, mba tsy hanorina amin' izay efa nanoeran' ny sasany, tenant de la sorte à honneur de limiter cet apostolat aux régions où l' on n' avait pas invoqué le nom du Christ, pour ne point bâtir sur des fondations posées par autrui
Rom / Rm 15:21 But as it is written, To whom he was not spoken of, they shall see: and they that have not heard shall understand. fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15). fa ho araka ny voasoratra hoe: Ireo tsy nilazana azy dia hahita; ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala. et me conformer à ce qui est écrit : Ceux à qui on ne l' avait pas annoncé le verront et ceux qui n' en avaient pas entendu parler comprendront.
Rom / Rm 15:22 For which cause also I have been much hindered from coming to you. Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo. Izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo; C' est bien là ce qui chaque fois m' empêchait d' aller chez vous.
Rom / Rm 15:23 But now having no more place in these parts, and having a great desire these many years to come unto you; Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin' ireto tany ireto sady efa naniry hatramin' ny taona maro hankany aminareo aho, fa ankehitriny, noho ny tsy fisian' ny zava-misakana ahy intsony amin' ireto fari-tany ireto, Mais à présent, comme je n' ai plus d' occupation dans ces contrées et que depuis des années j' ai un vif désir d' aller chez vous,
Rom / Rm 15:24 Whensoever I take my journey into Spain, I will come to you: for I trust to see you in my journey, and to be brought on my way thitherward by you, if first I be somewhat filled with your company. raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin' ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo. dia manantena hahita anareo aho, rahefa mandalo ho any Hispania, ka hiara-mipetraka kelikely aminareo, fa rahefa afakafaka ny alaheloko no vao haterinareo any. quand je me rendrai en Espagne... Car j' espère vous voir en cours de route et être mis par vous sur le chemin de ce pays, une fois que j' aurai un peu savouré la joie de votre présence.
Rom / Rm 15:25 But now I go unto Jerusalem to minister unto the saints. Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina. Izao dia ho any Jerosalema aho, hitondra fanampiana ho an' ny olona masina any. Mais maintenant je me rends à Jérusalem pour le service des saints :
Rom / Rm 15:26 For it hath pleased them of Macedonia and Achaia to make a certain contribution for the poor saints which are at Jerusalem. Fa efa sitrapon' Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin' ny olona masina any Jerosalema. Fa namory vola an-tsitra-po hiantrana ny olona masina tra-pahoriana any Jerosalema, ry zareo ao Masedonia sy ao Akaia. car la Macédoine et l' Achaïe ont bien voulu prendre quelque part aux besoins des saints de Jérusalem qui sont dans la pauvreté.
Rom / Rm 15:27 It hath pleased them verily; and their debtors they are. For if the Gentiles have been made partakers of their spiritual things, their duty is also to minister unto them in carnal things. Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin' ny zavatra momba ny nofo izy. Sitrany tokoa ny nanao izany, fa ananan' ny any trosa izy ireo. Satria nahazo anjara tamin' ny harem-panahiny izy jentily, ka tsy maintsy mba manampy azy amin' ny haren' ny nofo kosa. Oui, elles l' ont bien voulu, et elles le leur devaient : si les païens, en effet, ont participé à leurs biens spirituels, ils doivent à leur tour les servir de leurs biens temporels.
Rom / Rm 15:28 When therefore I have performed this, and have sealed to them this fruit, I will come by you into Spain. Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania. Raha vao vitako io raharaha io, ka voapetraka eo am-pelatànan' izy ireo izany vokatra izany, dia hiainga aho any Hispania aho ka hihazo any aminareo. Quand donc j' aurai terminé cette affaire et leur aurai remis officiellement cette récolte, je partirai pour l' Espagne en passant par chez vous.
Rom / Rm 15:29 And I am sure that, when I come unto you, I shall come in the fulness of the blessing of the gospel of Christ. Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan' ny fitahian' i Kristy. Ary fantatro fa hiara-tonga amiko any aminareo koa ny hafenoan' ny tso-dranon' ny Kristy. Et je sais qu' en arrivant chez vous je viendrai avec la plénitude des bénédictions du Christ.
Rom / Rm 15:30 Now I beseech you, brethren, for the Lord Jesus Christ' s sake, and for the love of the Spirit, that ye strive together with me in your prayers to God for me; Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin' i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin' ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin' ny fivavahanareo amin' Andriamanitra ho ahy, Avy mangataka aminareo, amin' ny anaran' i Jeso-Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin' ny Fanahy aho, ry rahalahy, hiara-miady amiko, amin' ny fivavahanareo amin' Andriamanitra ho ahy, Mais je vous le demande, frères, par notre Seigneur Jésus Christ et la charité de l' Esprit, luttez avec moi dans les prières que vous adressez à Dieu pour moi,
Rom / Rm 15:31 That I may be delivered from them that do not believe in Judaea; and that my service which I have for Jerusalem may be accepted of the saints; mba ho voavonjy amin' ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan' ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema, mba ho afaka amin' ny tsy mpino any Jerosalema aho, mba hankasitrahan' ny olo-masina any ny fanomezana hatolotro, afin que j'échappe aux incrédules de Judée et que le secours que je porte à Jérusalem soit agréé des saints,
Rom / Rm 15:32 That I may come unto you with joy by the will of God, and may with you be refreshed. mba hankanesako any aminareo amin' ny fifaliana, raha sitrapon' Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika. ka ho tonga an-kafaliana any aminareo, raha sitra-pon' Andriamanitra, sy hiala sasatra kely eo afovoanareo. et qu' ainsi, venant à vous dans la joie, Dieu veuille me faire goûter avec vous quelque repos.
Rom / Rm 15:33 Now the God of peace be with you all. Amen. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena. Ho aminareo rehetra anie Andriamanitry ny fiadanana. Amena. Que le Dieu de la paix soit avec vous tous ! Amen.

<-
->