<-
->

Mts / Mpits 14:1 And Samson went down to Timnath, and saw a woman in Timnath of the daughters of the Philistines. Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin' ny zanakavavin' ny Filistina. Ary nidina nankany Tamnà Samsona, ka nahita vehivavy anankiray tamin' ireo zanakavavin' ny Filistina tany Tamnà. Samson descendit à Timna et remarqua, à Timna, une femme parmi les filles des Philistins.
Mts / Mpits 14:2 And he came up, and told his father and his mother, and said, I have seen a woman in Timnath of the daughters of the Philistines: now therefore get her for me to wife. Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin' ny zanakavavin' ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny nanao hoe: Nahita vehivavy anankiray tamin' ireo zanakavavin' ny Filistina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy. Il remonta et l' apprit à son père et à sa mère : " J' ai remarqué à Timna, dit-il, parmi les filles des Philistins, une femme. Prends-la moi donc pour épouse. "
Mts / Mpits 14:3 Then his father and his mother said unto him, Is there never a woman among the daughters of thy brethren, or among all my people, that thou goest to take a wife of the uncircumcised Philistines? And Samson said unto his father, Get her for me; for she pleaseth me well. Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin' ny zana-kavanao, na ato amin' ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin' ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy. Hoy ny ray aman-dreniny taminy: Nahoana kosa no dia any amin' izay Filistina tsy mifora hianao no haka vady; fa angaha dia tsy misy vehivavy amin' ny zana-kavanao, sy eto amin' izay rehetra iray firenena amintsika? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako. Son père lui dit, ainsi que sa mère : " N' y a-t-il pas de femme parmi les filles de tes frères et dans tout mon peuple, pour que tu ailles prendre femme parmi ces Philistins incirconcis ? " Mais Samson répondit à son père : " Prends-la moi, celle-là, car c' est celle-là qui me plaît. "
Mts / Mpits 14:4 But his father and his mother knew not that it was of the Lord, that he sought an occasion against the Philistines: for at that time the Philistines had dominion over Israel. Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin' i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin' ny Filistina Izy; fa tamin' izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely. Tsy nahalala rainy aman-dreniny fa avy amin' Andriamanitra izany, satria izy nitady antony hananganan' ny Filistina ady. Nanapaka an' Israely tamin' izany andro izany ny Filistina. Son père et sa mère ne savaient pas que cela venait de Yahvé qui cherchait un sujet de querelle avec les Philistins, car, en ce temps-là, les Philistins dominaient sur Israël.
Mts / Mpits 14:5 Then went Samson down, and his father and his mother, to Timnath, and came to the vineyards of Timnath: and, behold, a young lion roared against him. Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin' ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. Dia nidina nankany Tamnà Samsona, niaraka tamin' ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin' ny tanim-boalobok' i Tamnà izy, dia indry nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy. Samson descendit à Timna et, comme il arrivait aux vignes de Timna, il vit un jeune lion qui venait à sa rencontre en rugissant.
Mts / Mpits 14:6 And the Spirit of the Lord came mightily upon him, and he rent him as he would have rent a kid, and he had nothing in his hand: but he told not his father or his mother what he had done. Dia nilatsaka tamin' i Samsona ny Fanahin' i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak' osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin' ny rainy na tamin' ny reniny izay efa nataony. Fa notsindrin' ny Fanahin' ny Tompo Samsona, ka nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak' osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany. L' esprit de Yahvé fondit sur lui et, sans rien avoir en main, Samson déchira le lion comme on déchire un chevreau; mais il ne raconta pas à son père ni à sa mère ce qu' il avait fait.
Mts / Mpits 14:7 And he went down, and talked with the woman; and she pleased Samson well. Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an' i Samsona izy. Dia nidina izy, ka nireska tamin' ilay vehivavy ary tia azy. Il descendit, s' entretint avec la femme et elle lui plut.
Mts / Mpits 14:8 And after a time he returned to take her, and he turned aside to see the carcase of the lion: and, behold, there was a swarm of bees and honey in the carcase of the lion. Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin' ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin' ilay fatin' ny liona. Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin' ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin' ny vatan' ilay liona. A quelque temps de là, Samson revint pour l'épouser. Il fit un détour pour voir le cadavre du lion, et voici qu' il y avait dans la carcasse du lion un essaim d' abeilles et du miel.
Mts / Mpits 14:9 And he took thereof in his hands, and went on eating, and came to his father and mother, and he gave them, and they did eat: but he told not them that he had taken the honey out of the carcase of the lion. Ary nalain' i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin' ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin' ny fatin' ilay liona no nangalany ny tantely. Naka tamin' io izy teo an-tànany, nohaniny teny an-dàlana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinanana; nefa tsy nolazainy tamin' ireo fa nalainy tamin' ny vatan' ilay liona ny tantely. Il en recueillit dans sa main et, chemin faisant, il en mangea. Lorsqu' il fut revenu près de son père et de sa mère, il leur en donna, ils en mangèrent, mais il ne leur dit pas qu' il l' avait recueilli dans la carcasse du lion.
Mts / Mpits 14:10 So his father went down unto the woman: and Samson made there a feast; for so used the young men to do. Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain' i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon' ny zatovo. Nidina nankany amin' ilay vehivavy ny rain' i Samsona, ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon' ny zatovo. Son père descendit ensuite chez la femme et Samson fit là un festin, car c' est ainsi qu' agissent les jeunes gens.
Mts / Mpits 14:11 And it came to pass, when they saw him, that they brought thirty companions to be with him. Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy. Vao nahita azy ny olona dia nanasa olona telopolo lahy ho namany hiara-mitoetra aminy. Quand on le vit, on choisit trente compagnons pour rester auprès de lui.
Mts / Mpits 14:12 And Samson said unto them, I will now put forth a riddle unto you: if ye can certainly declare it me within the seven days of the feast, and find it out, then I will give you thirty sheets and thirty change of garments: Ary hoy Samsona tamin' ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin' ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo. Ary hoy Samsona tamin' ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin' ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana hianareo. Alors Samson leur dit : " Laissez-moi vous proposer une énigme. Si vous m' en donnez la solution au cours des sept jours de festin, je vous donnerai trente pièces de toile fine et trente vêtements d' honneur.
Mts / Mpits 14:13 But if ye cannot declare it me, then shall ye give me thirty sheets and thirty change of garments. And they said unto him, Put forth thy riddle, that we may hear it. Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay. Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa hianareo, dia hianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana. Mais si vous ne pouvez pas me donner la solution, c' est vous qui me donnerez trente pièces de toile fine et trente vêtements d' honneur. " - " Propose ton énigme, lui répondirent-ils, nous écoutons. "
Mts / Mpits 14:14 And he said unto them, Out of the eater came forth meat, and out of the strong came forth sweetness. And they could not in three days expound the riddle. Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin' ny mpihinana no nivoahan' ny hanina; Ary avy tao amin' ny mahery no nivoahan' ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin' ny hateloana. Dia hoy ireo taminy: Ataovy ary izay ankamantatra, ho henonay, ka hoy izy: Izay mihinana no ivoahan' ny fihinana; Ary ny mahery no ivoahan' ny mamy. Hateloana izy ireo tsy nahalaza ny hevitry ny ankamantatra. Il leur dit donc : " De celui qui mange est sorti ce qui se mange, et du fort est sorti le doux. " Mais de trois jours il ne réussirent pas à résoudre l'énigme.
Mts / Mpits 14:15 And it came to pass on the seventh day, that they said unto Samson' s wife, Entice thy husband, that he may declare unto us the riddle, lest we burn thee and thy father' s house with fire: have ye called us to take that we have? is it not so? Ary nony tamin' ny andro fahafito, dia hoy izy tamin' ny vadin' i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin' ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? Ka nony tamin' ny andro fahafito dia hoy izy tamin' ny vadin' i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza aminay ny hevitry ny ankamantatra, fa raha tsy izany, hodoranay avokoa hianao sy ny ankohonan-drainao. Sa ny hataonareo mafafa no nanasanareo anay? Au quatrième jour ils dirent à la femme de Samson : " Enjôle ton mari pour qu' il nous explique l'énigme, autrement nous te brûlerons, toi et la maison de ton père. Est-ce pour nous dépouiller que vous nous avez invités ici ? "
Mts / Mpits 14:16 And Samson' s wife wept before him, and said, Thou dost but hate me, and lovest me not: thou hast put forth a riddle unto the children of my people, and hast not told it me. And he said unto her, Behold, I have not told it my father nor my mother, and shall I tell it thee? Ary ny vadin' i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin' ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako? Dia nitomany teo anilan' i Samsona ny vavy, ka nanao taminy hoe: Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin' ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr' izany. Fa hoy ny navaliny azy: Ikaky sy ineny aza tsy nilazako izany, ka hianao indray ve no hialazako? Alors la femme de Samson pleura à son cou : " Tu n' as pour moi que de la haine, disait-elle, tu ne m' aimes pas. Tu as proposé une énigme aux fils de mon peuple, et à moi, tu ne l' as pas expliquée. " Il lui répondit : " Je ne l' ai même pas expliquée à mon père et à ma mère, et à toi je l' expliquerais! "
Mts / Mpits 14:17 And she wept before him the seven days, while their feast lasted: and it came to pass on the seventh day, that he told her, because she lay sore upon him: and she told the riddle to the children of her people. Dia nitomany teo anatrehany tamin' ny hafitoana izay nisian' ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin' ny andro fahafito dia nolazain' i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin' ny zanaky ny fireneny. Nandritra ny hafitoana nisian' ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin' ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain' io tamin' iretsy zanaky ny fireneny kosa. Elle pleura à son cou pendant les sept jours que dura leur festin. Le septième jour, il lui donna la solution, car elle l' avait obsédé, mais elle, elle donna le mot de l'énigme aux fils de son peuple.
Mts / Mpits 14:18 And the men of the city said unto him on the seventh day before the sun went down, What is sweeter than honey? And what is stronger than a lion? and he said unto them, If ye had not plowed with my heifer, ye had not found out my riddle. Ary nony tamin' ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin' i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko. Tamin' ny andro fahafito raha mbola tsy maty ny masoandro dia hoy ny lehilahy tao an-tanana tamin' i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy tamin' izy ireo: Raha tsy ny ombivavy keliko no nentinareo niasa dia tsy nahalala ny ankamantatro hianareo. Le septième jour, avant qu' il n' entrât dans la chambre à coucher, les gens de la ville dirent donc à Samson : " Qu' y a-t-il de plus doux que le miel, et quoi de plus fort que le lion ? " Il leur répliqua : " Si vous n' aviez pas labouré avec ma génisse, vous n' auriez pas deviné mon énigme. "
Mts / Mpits 14:19 And the Spirit of the Lord came upon him, and he went down to Ashkelon, and slew thirty men of them, and took their spoil, and gave change of garments unto them which expounded the riddle. And his anger was kindled, and he went up to his father' s house. Dia nilatsaka tamin' i Samsona ny Fanahin' i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian' ireo ka nomeny ho an' izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran' i Samsona, ka niakatra nankany amin' ny tranon-drainy izy. Dia nentin' ny Fanahin' ny Tompo izy ka nidina nankany Askalona. Ary namomo olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an' izay nahalala ny ankamantatra. Rahefa izany niakatra nakany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran' i Samsona. Alors l' esprit de Yahvé fondit sur lui, il descendit à Ashqelôn, y tua trente hommes, prit leurs dépouilles et remit les vêtements d' honneur à ceux qui avaient expliqué l'énigme, puis, enflammé de colère, il remonta à la maison de son père.
Mts / Mpits 14:20 But Samson' s wife was given to his companion, whom he had used as his friend. Ary ny vadiny dia lasan' ny namany, izay efa nataony sakaizany. Ary ny vadiny lasan' ny anankiray amin' ireo namany izay nofidiny ho sakaizany. La femme de Samson fut alors donnée au compagnon qui lui avait servi de garçon d' honneur.

<-
->