<-
->

Mts / Mpits 4:1 And the children of Israel again did evil in the sight of the Lord, when Ehud was dead. Ary ny Zanak' Isiraely nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. Nony maty Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo indray ny zanak' Israely; Après la mort d'Éhud les Israélites recommencèrent à faire ce qui est mal aux yeux de Yahvé,
Mts / Mpits 4:2 And the Lord sold them into the hand of Jabin king of Canaan, that reigned in Hazor; the captain of whose host was Sisera, which dwelt in Harosheth of the Gentiles. Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan' ny Jentilisa, no komandin' ny miaramilany. ka namidin' ny Tompo teo an-tànan' i Jabìna mpanjakan' i Kanaana, izay nanjaka tao Asora. Sisarà no lehiben' ny foloalindahy, ary tao Haroseta-Goïma izy no nitoetra. et Yahvé les livra à Yabîn, roi de Canaan, qui régnait à Haçor. Le chef de son armée était Sisera, qui habitait à Haroshèt-ha-Goyim.
Mts / Mpits 4:3 And the children of Israel cried unto the Lord: for he had nine hundred chariots of iron; and twenty years he mightily oppressed the children of Israel. Dia nitaraina tamin' i Jehovah ny Zanak' Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak' Isiraely roa-polo taona izy. Nitaraina tamin' ny Tompo ny zanak' Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak' Israely hatramin' ny roapolo taona. Alors les Israélites poussèrent des gémissements vers Yahvé. Car Yabîn avait neuf cents chars de fer et il avait opprimé durement les Israélites pendant vingt ans.
Mts / Mpits 4:4 And Deborah, a prophetess, the wife of Lapidoth, she judged Israel at that time. Ary Debora mpaminanivavy, vadin' i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin' izany andro izany. Tamin' izany andro izany dia Deborà vehivavy mpaminany, vadin' i Lapidota no nitsara ny zanak' Israely. En ce temps-là Débora, une prophétesse, femme de Lappidot, jugeait Israël.
Mts / Mpits 4:5 And she dwelt under the palm tree of Deborah between Ramah and Bethel in mount Ephraim: and the children of Israel came up to her for judgment. Ary izy nipetraka teo ambanin' ny hazo rofian' i Debora, teo anelanelan' i Rama sy Betela, tany amin' ny tany havoan' i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak' Isiraely hatsaraina. Teo ambanin' ny rofian' i Deborà, anelanelan' i Ramà sy Betela, amin' ny tendrombohitr' i Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak' Israely nanatona azy hotsaraina. Elle siégeait sous le palmier de Débora entre Rama et Béthel, dans la montagne d'Éphraïm, et les Israélites allaient vers elle pour obtenir justice.
Mts / Mpits 4:6 And she sent and called Barak the son of Abinoam out of Kedeshnaphtali, and said unto him, Hath not the Lord God of Israel commanded, saying, Go and draw toward mount Tabor, and take with thee ten thousand men of the children of Naphtali and of the children of Zebulun? Ary Debora naniraka ka niantso an' i Baraka, zanak' i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin' ny taranak' i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao? Naniraka olona hiantso an' i Baràka, zanak' i Abinoama, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: Tsy izao va no didy nomen' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabora hianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin' ny taranak' i Neftalì sy amin' ny taranak' i Zabolona hiaraka aminao, Elle envoya chercher Baraq, fils d' Abinoam de Qédèsh en Nephtali et lui dit : " Yahvé, Dieu d' Israël, n' a-t-il pas ordonné : "Va, marche vers le mont Tabor et prends avec toi dix mille hommes des fils de Nephtali et des fils de Zabulon.
Mts / Mpits 4:7 And I will draw unto thee to the river Kishon Sisera, the captain of Jabin' s army, with his chariots and his multitude; and I will deliver him into thine hand. Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron' ny ony Kisona, Sisera, komandin' ny miaramilan' i Jabina, mbamin' ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho. fa hoentiko ho ao aminao ao amin' ny ranon-driaka Sisaona Sisarà, lehiben' ny foloalindahin' i Jabìna, mbamin' ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tànanao. J' attirerai vers toi au torrent du Qishôn Sisera, le chef de l' armée de Yabîn, avec ses chars et ses troupes, et je le livrerai entre tes mains" ? "
Mts / Mpits 4:8 And Barak said unto her, If thou wilt go with me, then I will go: but if thou wilt not go with me, then I will not go. Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho. Hoy Baràka taminy: Raha handeha miaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko hianao, dia tsy handeha aho. Baraq lui répondit : " Si tu viens avec moi, j' irai, mais si tu ne viens pas avec moi, je n' irai pas, car je ne sais pas en quel jour l' Ange de Yahvé me donnera le succès. " -
Mts / Mpits 4:9 And she said, I will surely go with thee: notwithstanding the journey that thou takest shall not be for thine honour; for the Lord shall sell Sisera into the hand of a woman. And Deborah arose, and went with Barak to Kedesh. Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan' i Jehovah an' i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin' i Baraka hankany Kadesy Ka hoy ny navaliny: Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin' izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hanoloran' ny Tompo an' i Sisarà. Dia niainga Deborà, ka lasa niaraka tamin' i Baràka nankany Kedesy. " J' irai donc avec toi, lui dit-elle; seulement, dans la voie où tu marches, l' honneur ne sera pas pour toi, car c' est entre les mains d' une femme que Yahvé livrera Sisera. " Alors Débora se leva et, avec Baraq, elle se rendit à Qédesh.
Mts / Mpits 4:10 And Barak called Zebulun and Naphtali to Kedesh; and he went up with ten thousand men at his feet: and Deborah went up with him. Ary nantsoin' i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy. Nantsoin' i Baràka ho any Kedesy Zabolona sy Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary Deborà nandeha niaraka taminy. Baraq convoqua Zabulon et Nephtali à Qédesh. Dix mille hommes le suivirent et Débora monta avec lui.
Mts / Mpits 4:11 Now Heber the Kenite, which was of the children of Hobab the father in law of Moses, had severed himself from the Kenites, and pitched his tent unto the plain of Zaanaim, which is by Kedesh. Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin' ny Kenita izay avy amin' ny taranak' i Hobaba, zaodahin' i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin' ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan' i Kadesy. Hebera ilay Kineana, dia nisaraka tamin' ny Kineana tarakan' i Hobaba, zaodahin' i Moizy ka nilasy hatrany amin' ny aoka any Senima, akaikin' i Kedesy. Héber, le Qénite, s'était séparé de la tribu de Qayîn et du clan des fils de Hobab, beau-père de Moïse; il avait planté sa tente près du chêne de Çaanannim, non loin de Qédesh.
Mts / Mpits 4:12 And they shewed Sisera that Barak the son of Abinoam was gone up to mount Tabor. Ary nisy nilaza tamin' i Sisera fa Baraka, zanak' i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. Nilazana Sisarà, fa niainga Baràka zanak' i Abinoema nankany amin' ny tendrombohitra Tabora, On annonça à Sisera que Baraq, fils d' Abinoam, était monté sur le mont Tabor.
Mts / Mpits 4:13 And Sisera gathered together all his chariots, even nine hundred chariots of iron, and all the people that were with him, from Harosheth of the Gentiles unto the river of Kishon. Dia nangonin' i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan' ny Jentilisa, hankany amin' ny ony Kisona. ka nasainy nentina avy tany Haroseta-Goïma avokoa ny kalesiny vy sivin-jato mbamin' ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin' ny ranon-driaka Sisaona. Sisera convoqua tous ses chars, neuf cents chars de fer, et toutes les troupes qu' il avait, de Haroshèt-ha-Goyim au torrent du Qishôn.
Mts / Mpits 4:14 And Deborah said unto Barak, Up; for this is the day in which the Lord hath delivered Sisera into thine hand: is not the Lord gone out before thee? So Barak went down from mount Tabor, and ten thousand men after him. Ary hoy Debora tamin' i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran' i Jehovah an' i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara. Tamin' izay dia hoy Deborà tamin' i Baràka: Mitsangàna, fa anio no andro nanoloran' ny Tompo an' i Sisarà ho eo an-tànanao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va Iaveh? Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabora, Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy. Débora dit à Baraq : " Lève-toi, car voici le jour où Yahvé a livré Sisera entre tes mains. Oui! Yahvé ne marche-t-il pas devant toi ? " Et Baraq descendit du mont Tabor avec dix mille hommes derrière lui.
Mts / Mpits 4:15 And the Lord discomfited Sisera, and all his chariots, and all his host, with the edge of the sword before Barak; so that Sisera lighted down off his chariot, and fled away on his feet. Dia nampifanaritahin' i Jehovah tamin' ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan' i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin' ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra. Ary Sisarà mbamin' ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahan' ny Tompo tamin' ny lelan-tsabatra teo anoloan' i Baràka, ka nidina niala tamin' ny kalesiny Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra. Yahvé frappa de panique Sisera, tous ses chars et toute son armée devant Baraq. Sisera, descendant de son char, s' enfuit à pied.
Mts / Mpits 4:16 But Barak pursued after the chariots, and after the host, unto Harosheth of the Gentiles: and all the host of Sisera fell upon the edge of the sword; and there was not a man left. Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon' ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan' i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. Nenjehin' i Baràka hatrany Haroseta-Goïma, ny kalesin' ny tafika ka lavony tamin' ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik' i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza. Baraq poursuivit les chars et l' armée jusqu'à Haroshèt-ha-Goyim. Toute l' armée de Sisera tomba sous le tranchant de l'épée et pas un homme n'échappa.
Mts / Mpits 4:17 Howbeit Sisera fled away on his feet to the tent of Jael the wife of Heber the Kenite: for there was peace between Jabin the king of Hazor and the house of Heber the Kenite. Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin' ny lain' i Jaela, vadin' i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan' i Hazora, sy ny mpianakavin' i Hebera Kenita. Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin' ny lain' i Jahela vadin' i Hebera Kineana; fa nihavana Jabìna mpanjakan' i Asora sy ny fianakavian' i Hebera Kineana. Sisera cependant s' enfuyait à pied dans la direction de la tente de Yaèl, femme de Héber le Qénite, car la paix régnait entre Yabîn, roi de Haçor, et la maison de Héber le Qénite.
Mts / Mpits 4:18 And Jael went out to meet Sisera, and said unto him, Turn in, my lord, turn in to me; fear not. And when he had turned in unto her into the tent, she covered him with a mantle. Dia nivoaka Jaela hitsena an' i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atý amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra. Nivoaka Jahela hitsena an' i Sisarà ka nanao taminy hoe: Mandrosoa, tompoko, mandrosoa aty amiko fa aza matahotra. Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana. Yaèl, sortant au-devant de Sisera, lui dit : " Arrête-toi, Monseigneur, arrête-toi chez moi. Ne crains rien! " Il s' arrêta chez elle sous la tente et elle le recouvrit d' un tapis.
Mts / Mpits 4:19 And he said unto her, Give me, I pray thee, a little water to drink; for I am thirsty. And she opened a bottle of milk, and gave him drink, and covered him. Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy. Ary hoy izy taminy: Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta. Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy. Il lui dit : " Donne-moi à boire un peu d' eau, je te prie, car j' ai soif. " Elle ouvrit l' outre où était le lait, le fit boire et le recouvrit de nouveau.
Mts / Mpits 4:20 Again he said unto her, Stand in the door of the tent, and it shall be, when any man doth come and enquire of thee, and say, Is there any man here? that thou shalt say, No. Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran' ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia. Hoy ralehilahy taminy: Mitoera eo am-baravaran' ny lahy hianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia. Il lui dit : " Tiens-toi à l' entrée de la tente, et si quelqu' un vient, t' interroge et dit : "Y a-t-il un homme ici ?" tu répondras : "Non". "
Mts / Mpits 4:21 Then Jael Heber' s wife took a nail of the tent, and took an hammer in her hand, and went softly unto him, and smote the nail into his temples, and fastened it into the ground: for he was fast asleep and weary. So he died. Dia naka tsima-day Jaela, vadin' i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin' ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin' ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy. Fa nalain' i Jahela vadi' i Hebera kosa ny tsima-day, nataony an-tànana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin' ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka amin' ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon' ny hasasarana mafy; dia maty izy. Mais Yaèl, femme de Héber, prit un piquet de la tente, saisit un marteau dans sa main et, s' approchant de lui doucement, elle lui enfonça dans la tempe le piquet, qui se planta en terre. Il dormait profondément, épuisé de fatigue, c' est ainsi qu' il mourut.
Mts / Mpits 4:22 And, behold, as Barak pursued Sisera, Jael came out to meet him, and said unto him, Come, and I will shew thee the man whom thou seekest. And when he came into her tent, behold, Sisera lay dead, and the nail was in his temples. Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an' i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atý, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin' i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin' ny fihirifany. Ary indro kosa fa nanenjika an' i Sisarà Baràka ka nivoaka hitsena azy Jahela, ka nanao taminy hoe: Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo Sisarà, ary ny tsima-day teo amin' ny fihirifany. Et voici que Baraq survint, poursuivant Sisera. Yaèl sortit au-devant de lui : " Viens, lui dit-elle, et je te ferai voir l' homme que tu cherches. " Il entra chez elle : Sisera gisait mort, le piquet dans la tempe.
Mts / Mpits 4:23 So God subdued on that day Jabin the king of Canaan before the children of Israel. Dia naetrin' Andriamanitra teo anoloan' ny Zanak' Isiraely tamin' izany andro izany Jabina, mpanjakan' i Kanana. Tamin' izany andro izany no nanetren' Andriamanitra an' i Jabìna mpanjakan' i Kanaana, teo anoloan' ny zanak' Israely. Dieu humilia donc en ce jour Yabîn, roi de Canaan, devant les Israélites.
Mts / Mpits 4:24 And the hand of the children of Israel prospered, and prevailed against Jabin the king of Canaan, until they had destroyed Jabin king of Canaan. Ary ny tanan' ny Zanak' Isiraely nihahery tamin' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, mandra-pandringany azy. Ary nihanahery nanampatra ny tànany tamin' i Jabìna, mpanjakan' i Kanaana, ny zanak' Israely, mandra-pandevony an' i Jabìna mpanjakan' ny Kanaana. La main des Israélites s' appesantit de plus en plus durement sur Yabîn, roi de Canaan, jusqu'à ce qu' ils aient supprimé Yabîn, roi de Canaan.

<-
->