<-
->

Mts / Mpits 7:1 Then Jerubbaal, who is Gideon, and all the people that were with him, rose up early, and pitched beside the well of Harod: so that the host of the Midianites were on the north side of them, by the hill of Moreh, in the valley. Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin' ny loharano Haroda; ary ny tobin' ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan' ny havoana More. Vao maraina koa dia nifoha Jerobaala, dia Jedeona izany, mbamin' ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin' ny loharano tao Harada. Ny tobin' i Madiana kosa, dia teo avaratry ny an' i Jedeona akaikikaikin' ny havoana More amin' ny tany lemaka. Yerubbaal c' est-à-dire Gédéon se leva de grand matin ainsi que tout le peuple qui était avec lui, et il vint camper à En-Harod; le camp de Madiân se trouvait au nord du sien, au pied de la colline du Moré dans la vallée.
Mts / Mpits 7:2 And the Lord said unto Gideon, The people that are with thee are too many for me to give the Midianites into their hands, lest Israel vaunt themselves against me, saying, Mine own hand hath saved me. Ary hoy Jehovah tamin' i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an' i Madiana ho eo an-tànany aho, fandrao hireharehan' Israely amiko izany hataony hoe: Ny tànako ihany no nahafaka ahy. Alors Yahvé dit à Gédéon : " Le peuple qui est avec toi est trop nombreux pour que je livre Madiân entre ses mains; Israël pourrait en tirer gloire à mes dépens, et dire : "C' est ma propre main qui m' a délivré! "
Mts / Mpits 7:3 Now therefore go to, proclaim in the ears of the people, saying, Whosoever is fearful and afraid, let him return and depart early from mount Gilead. And there returned of the people twenty and two thousand; and there remained ten thousand. Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan' ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin' ny tany havoan' i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa. Koa asaovy antsoina ampahibemaso ho ren' ny vahoaka ny hoe: Aoka hiverina izay matahotra sy mangovitra, ka hiala amin' ny tendrombohitra Gelboe. Lehilahy roa arivo sy roa alina tamin' ny vahoaka no niverina ka iray alina sisa no nijanona. Et maintenant, proclame donc ceci aux oreilles du peuple : "Que celui qui a peur et qui tremble, s' en retourne et qu' il observe du mont Gelboé". " Vingt-deux mille hommes parmi le peuple s' en retournèrent et il en resta dix mille.
Mts / Mpits 7:4 And the Lord said unto Gideon, The people are yet too many; bring them down unto the water, and I will try them for thee there: and it shall be, that of whom I say unto thee, This shall go with thee, the same shall go with thee; and of whomsoever I say unto thee, This shall not go with thee, the same shall not go. Fa hoy Jehovah tamin' i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin' ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao. Hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io, no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao. Yahvé dit à Gédéon : " Ce peuple est encore trop nombreux. Fais-les descendre au bord de l' eau et là, pour toi, je les éprouverai. Celui dont je te dirai : "Qu' il aille avec toi", celui-là ira avec toi. Et tout homme dont je te dirai : "Qu' il n' aille pas avec toi", celui-là n' ira pas. "
Mts / Mpits 7:5 So he brought down the people unto the water: and the Lord said unto Gideon, Every one that lappeth of the water with his tongue, as a dog lappeth, him shalt thou set by himself; likewise every one that boweth down upon his knees to drink. Ary dia nampidinin' i Gideona ho eo amin' ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin' ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa. Dia nasain' i Jedeona nidina ho eo amoron-drano ny vahoaka, ka hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Samy atokàny avy izay milelaka ny rano amin' ny lelany, toy ny filelaky ny amboa, sy izay rehetra mandohalika hisotro. Gédéon fit alors descendre le peuple au bord de l' eau et Yahvé lui dit : " Tous ceux qui laperont l' eau avec la langue comme lape le chien, tu les mettras d' un côté. Et tous ceux qui s' agenouilleront pour boire, tu les mettras de l' autre. "
Mts / Mpits 7:6 And the number of them that lapped, putting their hand to their mouth, were three hundred men: but all the rest of the people bowed down upon their knees to drink water. Ary telon-jato lahy no isan' izay nanainga ny tànany tamin' ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano. Nisy telon-jato lahy no nilelaka ny rano tamin' ny tànany naingainy ho eo am-bavany, fa ny vahoaka sisa rehetra dia nandohalika avokoa no nisotro. Le nombre de ceux qui lapèrent l' eau avec leurs mains à leur bouche fut de trois cents. Tout le reste du peuple s'était agenouillé pour boire.
Mts / Mpits 7:7 And the Lord said unto Gideon, By the three hundred men that lapped will I save you, and deliver the Midianites into thine hand: and let all the other people go every man unto his place. Ary hoy Jehovah tamin' i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin' ny fonenany avy. Ka hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Amin' ireo telon-jato lahy nilelaka aireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an' i Madiana ho eo an-tànanao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy. Alors Yahvé dit à Gédéon : " C' est avec les trois cents hommes qui ont lapé l' eau que je vous sauverai et que je livrerai Madiân entre tes mains. Que tout le peuple s' en retourne chacun chez soi. "
Mts / Mpits 7:8 So the people took victuals in their hand, and their trumpets: and he sent all the rest of Israel every man unto his tent, and retained those three hundred men: and the host of Midian was beneath him in the valley. Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin' ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin' ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha. Dia nakan' izy telon-jato lahy ny vatsin' ny vahoaka sy ny trompetrany, izay dia nalefan' i Jedeona hody ny olona sisa rehetra tamin' Israely, samy ho any an-dainy, fa notànany ny telon-jato lahy. Ny tobin' ny Madianita dia teo ambaniny teo amin' ny tany lemaka. Ils prirent les provisions du peuple et leurs cors, puis Gédéon renvoya tous les Israélites chacun sous sa tente, ne gardant que les trois cents. Le camp de Madiân se trouvait au-dessous du sien dans la vallée.
Mts / Mpits 7:9 And it came to pass the same night, that the Lord said unto him, Arise, get thee down unto the host; for I have delivered it into thine hand. Ary tamin' izany alina izany dia hoy Jehovah tamin' i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin' ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io. Tamin' ny alin' izay, dia hoy Iaveh tamin' i Jedeona: Mitsangàna hianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro eo an-tànanao izy. Or il arriva que pendant cette nuit-là Yahvé lui dit : " Lève-toi, descends au camp, car je le livre entre tes mains.
Mts / Mpits 7:10 But if thou fear to go down, go thou with Phurah thy servant down to the host: Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin' ny toby Pora zatovonao; Raha matahotra ny hamely azy hianao, dia miaraha midina amin' i Farà mpanomponao, Cependant, si tu as peur de descendre, descends au camp avec Pura ton serviteur;
Mts / Mpits 7:11 And thou shalt hear what they say; and afterward shall thine hands be strengthened to go down unto the host. Then went he down with Phurah his servant unto the outside of the armed men that were in the host. dia ho renao izay lazain' ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin' ny toby. Dia nidina niaraka tamin' i Pora zatovony izy ho any an-tsisin' ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin' ny toby. ka heony izay lazain' izy ireo, ary amin' izay dia hihahahery ny tànanao ka hidina eny an-toby hianao. Dia nidina niaraka tamin' i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin' ny mpiambina tsy aman' afo, eo alohalohan' ny toby. écoute ce qu' ils disent; tu en seras réconforté, et tu descendras contre le camp. " Il descendit donc avec son serviteur Pura jusqu'à l' extrémité des avant-postes du camp.
Mts / Mpits 7:12 And the Midianites and the Amalekites and all the children of the east lay along in the valley like grasshoppers for multitude; and their camels were without number, as the sand by the sea side for multitude. Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. Madiana sy Amaleka mbamin' ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran' ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hits isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Madiân, Amaleq et tous les fils de l' Orient étaient déployés dans la vallée, aussi nombreux que des sauterelles; leurs chameaux étaient sans nombre, comme le sable sur le bord de la mer.
Mts / Mpits 7:13 And when Gideon was come, behold, there was a man that told a dream unto his fellow, and said, Behold, I dreamed a dream, and, lo, a cake of barley bread tumbled into the host of Midian, and came unto a tent, and smote it that it fell, and overturned it, that the tent lay along. Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin' ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin' ny tobin' ny Midina ka nankamin' ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay. Tonga tao Jedeona ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin' ny namany anankiray nanao hoe: Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin' ny tobin' i Madiana, dia tonga hatrany amin' ny lay dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo. Gédéon vint donc et voici qu' un homme racontait un rêve à son camarade; il disait : " Voici le rêve que j' ai fait : une galette de pain d' orge roulait dans le camp de Madiân, elle atteignit la tente, elle la heurta et la renversa sens dessus dessous. "
Mts / Mpits 7:14 And his fellow answered and said, This is nothing else save the sword of Gideon the son of Joash, a man of Israel: for into his hand hath God delivered Midian, and all the host. Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr' i Gideona, zanak' i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr' Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. Dia izao no navalin' ilay namany nataony hoe: Tsy inona izany, fa ny sabatr' i Jedeona, zanak' i Joasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr' Andriamanitra ho eo an-tànany mihitsy Madiana sy ny toby rehetra. Son camarade lui répondit : " Ce ne peut être que l'épée de Gédéon, fils de Yoash, l' Israélite. Dieu a livré entre ses mains Madiân et tout le camp. "
Mts / Mpits 7:15 And it was so, when Gideon heard the telling of the dream, and the interpretation thereof, that he worshipped, and returned into the host of Israel, and said, Arise; for the Lord hath delivered into your hand the host of Midian. Ary rehefa ren' i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin' ny tobin' ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr' i Jehovah eo an-tananareo ny tobin' ny Midiana. Nony ren' i Jedeona ny filazany ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin' ny tobin' Israely, dia hoy izy: Mitsangàna hianareo, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika ny tobin' i Madiana. Quand il eut entendu le récit du songe et son explication, Gédéon se prosterna, puis il revint au camp d' Israël et dit : " Debout! car Yahvé a livré entre vos mains le camp de Madiân! "
Mts / Mpits 7:16 And he divided the three hundred men into three companies, and he put a trumpet in every man' s hand, with empty pitchers, and lamps within the pitchers. Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin' ny siny. nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trompetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny, Gédéon divisa alors ses trois cents hommes en trois groupes. A tous il remit des cors et des cruches vides, avec des torches dans les cruches;
Mts / Mpits 7:17 And he said unto them, Look on me, and do likewise: and, behold, when I come to the outside of the camp, it shall be that, as I do, so shall ye do. Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin' ny sisin' ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. dia hoy izy tamin' izy ireo: Izaho no hojerenareo, ary izay ataoko no hataonareo. " Regardez-moi, leur dit-il, et faites comme moi! Quand je serai arrivé à l' extrémité du camp, ce que je ferai, vous le ferez aussi!
Mts / Mpits 7:18 When I blow with a trumpet, I and all that are with me, then blow ye the trumpets also on every side of all the camp, and say, The sword of the Lord, and of Gideon. Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An' i Jehovah sy Gideona! Rahefa mitsoka trompetra aho sy ireo miaraka amiko, dia mitsofa trompetra manodidina ny toby koa hianareo, ka milazà hoe: Ho an' ny Tompo sy ho an' i Jedeona. Je sonnerai du cor, moi et tous ceux qui sont avec moi; alors, vous aussi, vous sonnerez du cor tout autour du camp et vous crierez : Pour Yahvé et pour Gédéon! "
Mts / Mpits 7:19 So Gideon, and the hundred men that were with him, came unto the outside of the camp in the beginning of the middle watch; and they had but newly set the watch: and they blew the trumpets, and brake the pitchers that were in their hands. Dia nankany amin' ny sisin' ny toby tamin' ny fiandohan' ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. Vao avy nosoloana ny mpiambina tamin' ny fiandohan' ny fotoam-piambenana misasaka no tonga tao amin' ny sisin' ny toby Jedeona sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trompetra sy namaky ny siny teny an-tànany. Gédéon et les cent hommes qui l' accompagnaient arrivèrent à l' extrémité du camp au début de la veille de la minuit, comme on venait de placer les sentinelles : ils sonnèrent du cor et brisèrent les cruches qu' ils avaient à la main.
Mts / Mpits 7:20 And the three companies blew the trumpets, and brake the pitchers, and held the lamps in their left hands, and the trumpets in their right hands to blow withal: and they cried, The sword of the Lord, and of Gideon. Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr' i Jehovah sy Gideona! Niaraka tamin' izay, samy nitsoka ny trompetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tànany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny tànany havanana kosa ny trompetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: Sabatra ho an' ny Tompo sy ho an' i Jedeona. Alors les trois groupes sonnèrent du cor et brisèrent leurs cruches; de la main gauche ils saisirent les torches, de la droite les cors pour en sonner, et ils crièrent : " Épée pour Yahvé et pour Gédéon! "
Mts / Mpits 7:21 And they stood every man in his place round about the camp; and all the host ran, and cried, and fled. Ary samy nijanona teo amin' ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. Samy nijanona tamin' izay nisy azy nanodidina ny toby avy izy ireo; ka rafitra nihazakazaka, ninananana sy nandositra ny tao an-toby rehetra. Et ils se tinrent immobiles chacun à sa place autour du camp. Tout le camp alors s' agita et, poussant des cris, les Madianites prirent la fuite.
Mts / Mpits 7:22 And the three hundred blew the trumpets, and the Lord set every man' s sword against his fellow, even throughout all the host: and the host fled to Bethshittah in Zererath, and to the border of Abelmeholah, unto Tabbath. Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin' i Jehovah tamin' ny sabatra ny miaramila eran' ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin' ny fari-tanin' i Abela-mehola akaiky an' i Tabata. Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trompetra; Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Beti-Seta mankany Sarera ka hatrany amin' ny sisin-tanin' i Abela-Meholà akaikin' i Tebata. Pendant que les trois cents sonnaient du cor, Yahvé fit que dans tout le camp chacun tournait l'épée contre son camarade. Tous s' enfuirent jusqu'à Bet-ha-Shitta, vers Çartân, jusqu'à la rive d' Abel-Mehola vis-à-vis de Tabbat.
Mts / Mpits 7:23 And the men of Israel gathered themselves together out of Naphtali, and out of Asher, and out of all Manasseh, and pursued after the Midianites. Dia nivory ny lehilahy amin' ny Isiraely avy tamin' ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. Dia nivory ny lehilahy amin' Israely ny avy amin' i Neftalì sy amin' i Asera ary amin' i Manase rehetra ka nanenjika an' i Madiana. Les gens d' Israël se rassemblèrent, de Nephtali, d' Asher et de tout Manassé, et ils poursuivirent Madiân.
Mts / Mpits 7:24 And Gideon sent messengers throughout all mount Ephraim, saying, come down against the Midianites, and take before them the waters unto Bethbarah and Jordan. Then all the men of Ephraim gathered themselves together, and took the waters unto Bethbarah and Jordan. Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan' i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin' ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. Ary nandefa iraka Jedeona any amin' ny tendrombohitra' i Efraima rehetra, nanao hoe: Midìna hianareo, ary tano alohan' izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an' i Jordany. Gédéon envoya dans toute la montagne d'Éphraïm des messagers dire : " Descendez à la rencontre de Madiân et occupez avant eux les points d' eau jusqu'à Bet-Bara et le Jourdain. " Tous les gens d'Éphraïm se rassemblèrent et ils occupèrent les points d' eau jusqu'à Bet-Bara et le Jourdain.
Mts / Mpits 7:25 And they took two princes of the Midianites, Oreb and Zeeb; and they slew Oreb upon the rock Oreb, and Zeeb they slew at the winepress of Zeeb, and pursued Midian, and brought the heads of Oreb and Zeeb to Gideon on the other side Jordan. Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin' ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin' ny vatolampin' i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin' ny famiazam-boalobok' i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan' i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin' i Gideona tany an-dafin' i Jordana. Dia nosamborin' izy ireo ny andriana roa lahy tamin' i Madiana, Oreba sy Zeba, ary novonoiny Oreba tao amin' ny vaton' i Oreba, ary Zeba novonoiny tao amin' ny famiazam-boalobok' i Zeba. Nanenjika an' i Madiana izy, sy nitondra ny lohan' i Oreba sy Zeba tany amin' i Jedeona any an-dafin' i Jordany. Ils firent prisonniers les deux chefs de Madiân, Oreb et Zéeb, ils tuèrent Oreb au Rocher d' Oreb et Zéeb au Pressoir de Zéeb. Ils poursuivirent Madiân et ils apportèrent à Gédéon au-delà du Jourdain les têtes d' Oreb et de Zéeb.

<-
->