<-
->

1Sm / 1Sam 11:1 Then Nahash the Ammonite came up, and encamped against Jabeshgilead: and all the men of Jabesh said unto Nahash, Make a covenant with us, and we will serve thee. Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin' i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin' i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. Ary Naasy Amonita niakatra dia nitoby teo anoloan' i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin' i Naasy: Manaova fanekem-pihavanana aminay, dia hanompo anao izahay. Nahash l' Ammonite vint dresser son camp contre Yabesh de Galaad. Tous les gens de Yabesh dirent à Nahash : " Fais un traité avec nous et nous te servirons. "
1Sm / 1Sam 11:2 And Nahash the Ammonite answered them, On this condition will I make a covenant with you, that I may thrust out all your right eyes, and lay it for a reproach upon all Israel. Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany. Fa izao no navalin' i Naasy Amonita azy ireo: Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky hianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an' Israely rehetra. Mais Nahash l' Ammonite leur répondit : " Voici à quel prix je traiterai avec vous; je vous crèverai à tous l' oeil droit, j' en ferai un défi à tout Israël. "
1Sm / 1Sam 11:3 And the elders of Jabesh said unto him, Give us seven days' respite, that we may send messengers unto all the coasts of Israel: and then, if there be no man to save us, we will come out to thee. Fa hoy ny loholon' i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin' ny fari-tanin' ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay. Ka hoy ny loholon' i Jabesy taminy: Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin' ny faritanin' Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay. Les anciens de Yabesh lui dirent : " Accorde-nous une trêve de sept jours. Nous enverrons des messagers dans tout le territoire d' Israël et, si personne ne vient à notre secours, nous nous rendrons à toi. "
1Sm / 1Sam 11:4 Then came the messengers to Gibeah of Saul, and told the tidings in the ears of the people: and all the people lifted up their voices, and wept. Dia tonga tany Gibean' i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan' ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. Nankany Gabaàn' i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren' ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany. Les messagers arrivèrent à Gibéa de Saül et exposèrent les choses aux oreilles du peuple, et tout le peuple se mit à crier et à pleurer.
1Sm / 1Sam 11:5 And, behold, Saul came after the herd out of the field; and Saul said, What aileth the people that they weep? And they told him the tidings of the men of Jabesh. Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin' ny mponina tao Jabesy. Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny Saola tamin' izay, ka hoy Saola hoe: Maninona ity vahoaka no mitomany? Dia nambaran' ny olona azy ny voalazan' ny olona avy any Jabesy. Or, voici que Saül revenait des champs derrière ses boeufs et il demanda : " Qu' a donc le peuple à pleurer ainsi ? " On lui raconta les propos des hommes de Yabesh,
1Sm / 1Sam 11:6 And the Spirit of God came upon Saul when he heard those tidings, and his anger was kindled greatly. Dia nilatsaka tamin' i Saoly ny Fanahin' Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran' i Saoly, raha nandre izany teny izany. Vao nandre izany teny izany Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin' ny Tompo ka nirehitra ny hatezerany. et quand Saül entendit ces choses l' esprit de Yahvé fondit sur lui et il entra dans une grande colère.
1Sm / 1Sam 11:7 And he took a yoke of oxen, and hewed them in pieces, and sent them throughout all the coasts of Israel by the hands of messengers, saying, Whosoever cometh not forth after Saul and after Samuel, so shall it be done unto his oxen. And the fear of the Lord fell on the people, and they came out with one consent. Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin' ny fari-tanin' ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an' i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an' i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy. Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin' ny faritanin' Israely rehetra nataony hoe: Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an' i Saola sy Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny. Azon' ny tahotra an' ny Tompo ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra. Il prit une paire de boeufs et la dépeça en morceaux qu' il envoya par messagers dans tout le territoire d' Israël, avec ces mots : " Quiconque ne marchera pas à la suite de Saül, ainsi sera-t-il fait de ses boeufs. " Une terreur de Yahvé s' abattit sur le peuple et ils marchèrent comme un seul homme.
1Sm / 1Sam 11:8 And when he numbered them in Bezek, the children of Israel were three hundred thousand, and the men of Judah thirty thousand. Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan' ny Zanak' Isiraely, ary telo alina no isan' ny lehilahy amin' ny Joda. Notsapain' i Saola tamin' ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan' ny zanak' Israely, ary telo alina ny lehilahy amin' i Jodà. Il les passa en revue à Bézeq : il y avait trois cent mille Israélites et trente mille hommes de Juda.
1Sm / 1Sam 11:9 And they said unto the messengers that came, Thus shall ye say unto the men of Jabeshgilead, To morrow, by that time the sun be hot, ye shall have help. And the messengers came and shewed it to the men of Jabesh; and they were glad. Ary hoy izy tamin' ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin' ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin' ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo. Dia hoy izy tamin' iretsy iraka tonga: Lazao amin' ny olona an' i Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena hianareo. Nambaran' ny iraka tamin' ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo. Il dit aux messagers qui étaient venus : " Dites aux hommes de Yabesh de Galaad : Demain, quand le soleil sera ardent, le secours vous arrivera. " Une fois rentrés, les messagers donnèrent la nouvelle aux hommes de Yabesh, qui se réjouirent.
1Sm / 1Sam 11:10 Therefore the men of Jabesh said, To morrow we will come out unto you, and ye shall do with us all that seemeth good unto you. Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin' ny Amonita: Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay dia hataonareo aminay izay tianareo. Ceux-ci dirent à Nahash : " Demain, nous sortirons vers vous et vous nous ferez tout ce qu' il vous plaira. "
1Sm / 1Sam 11:11 And it was so on the morrow, that Saul put the people in three companies; and they came into the midst of the host in the morning watch, and slew the Ammonites until the heat of the day: and it came to pass, that they which remained were scattered, so that two of them were not left together. Ary nony maraina, dia nozarain' i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin' ny toby tamin' ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan' ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin' ny roa aza. Nony ampitso, nozarain' i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin' ny Amonita, tamin' ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn' ny andro. Nieli-patrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza. Le lendemain, Saül disposa l' armée en trois corps, qui envahirent le camp à la veille du matin, et ils battirent les Ammonites jusqu' au plus chaud du jour. Les survivants se dispersèrent, il n' en resta pas deux ensemble.
1Sm / 1Sam 11:12 And the people said unto Samuel, Who is he that said, Shall Saul reign over us? bring the men, that we may put them to death. Ary hoy ny vahoaka tamin' i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty. Ary hoy ny vahoaka tamin' i Samoela: Zovy moa no nilaza hoe: Dia Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty. Alors le peuple dit à Samuel : " Qui donc disait : "Saül régnera-t-il sur nous ?" Livrez ces gens, que nous les mettions à mort. "
1Sm / 1Sam 11:13 And Saul said, There shall not a man be put to death this day: for to day the Lord hath wrought salvation in Israel. Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan' i Jehovah famonjena teo amin' ny Isiraely. Fa hoy Saola: Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen' ny Tompo an' Israely. Mais Saül dit : " On ne mettra personne à mort en ce jour, car aujourd' hui Yahvé a opéré un salut en Israël. "
1Sm / 1Sam 11:14 Then said Samuel to the people, Come, and let us go to Gilgal, and renew the kingdom there. Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Andeha isika ho any Galgalà, hanavao ny fanjakana any. Puis Samuel dit au peuple : " Venez et allons à Gilgal et nous y renouvellerons la royauté. "
1Sm / 1Sam 11:15 And all the people went to Gilgal; and there they made Saul king before the Lord in Gilgal; and there they sacrificed sacrifices of peace offerings before the Lord; and there Saul and all the men of Israel rejoiced greatly. Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an' i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan' i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan' i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin' ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely. Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an' i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan' ny Tompo, tany Galgalà, ary teo no nanateran' izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan' ny Tompo; ary teo Saola sy ny lehilahy rehetra amin' Israely dia nanao firobirobiana fatratra. Tout le peuple se rendit à Gilgal et Saül y fut proclamé roi devant Yahvé, à Gilgal. Là, on immola devant Yahvé des sacrifices de communion, et Saül et tous les hommes d' Israël se livrèrent à de grandes réjouissances.

<-
->