<-
->

1Sm / 1Sam 26:1 And the Ziphites came unto Saul to Gibeah, saying, Doth not David hide himself in the hill of Hachilah, which is before Jeshimon? Ary ny Zifita tonga tao amin' i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin' ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida? Tonga tao amin' i Saola tany Gabaà, ny Zifeana, ka nilaza hoe: Miery any amin' ny havoan' i Hakilà ao atsinanan' ny tany lava volo Davida. Les gens de Ziph vinrent à Gibéa et dirent à Saül : " Est-ce que David ne se cache pas sur la colline de Hakila, à l' orée de la steppe ? "
1Sm / 1Sam 26:2 Then Saul arose, and went down to the wilderness of Ziph, having three thousand chosen men of Israel with him, to seek David in the wilderness of Ziph. Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr' i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin' ny Isiraely hanaraka azy hitady an' i Davida any an-efitr' i Zifa. Dia nitsangana Saola, ka nidina nankany an' efitr' i Zifa, mbamin' ny telo arivo lahy, voafantina tamin' Israely, hitady an' i Davida, any an' efitr' i Zifa. S'étant mis en route, Saül descendit au désert de Ziph, accompagné de trois mille hommes, l'élite d' Israël, pour traquer David dans le désert de Ziph.
1Sm / 1Sam 26:3 And Saul pitched in the hill of Hachilah, which is before Jeshimon, by the way. But David abode in the wilderness, and he saw that Saul came after him into the wilderness. Ary nitoby tao amin' ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly. Nitoby teo amin' ny havoan' i Hakilà Saola ao atsinanan' ny tany lava volo, eo amoron-dàlana, ary Davida nitoetra tany an' efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an' efitra Saola, Saül campa à la colline de Hakila, qui est à l' orée de la steppe, près de la route. David séjournait au désert et il vit que Saül était venu derrière lui au désert.
1Sm / 1Sam 26:4 David therefore sent out spies, and understood that Saul was come in very deed. Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly. dia naniraka mpitsikilo Davida ka nahalala fa tonga tokoa Saola. David envoya des espions et il sut que Saül était effectivement arrivé.
1Sm / 1Sam 26:5 And David arose, and came to the place where Saul had pitched: and David beheld the place where Saul lay, and Abner the son of Ner, the captain of his host: and Saul lay in the trench, and the people pitched round about him. Dia niainga Davida ka tonga teo amin' ny nitobian' i Saoly; ary hitan' i Davida izay nandrian' i Saoly sy Abnera, zanak' i Nera, komandin' ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin' ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka. Dia niainga Davida ka tonga teo amin' ny toerana nitobian' i Saola. Hitan' i Davida ny toerana nandrian' i Saola sy Abnera zanak' i Nera lehiben' ny miaramilany; tao afovoan' ny toby Saola no nandry ary nitoby manodidina azy ny vahoaka. Alors David se mit en route et arriva au lieu où Saül campait. Il vit l' endroit où étaient couchés Saül et Abner, fils de Ner, le chef de son armée : Saül était couché dans le campement et la troupe bivouaquait autour de lui.
1Sm / 1Sam 26:6 Then answered David and said to Ahimelech the Hittite, and to Abishai the son of Zeruiah, brother to Joab, saying, Who will go down with me to Saul to the camp? And Abishai said, I will go down with thee. Ary hoy Davida tamin' i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak' i Zeroia, rahalahin' i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin' i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao. Koa niteny tamin' i Akimeleka Heteana sy tamin' i Abisaï zanak' i Sarvia sy rahalahin' i Joaba, Davida ka nanao hoe: Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby any amin' i Saola? Dia hoy Abisaï namaly azy: Izaho no hiara-midina aminao. David, s' adressant à Ahimélek le Hittite et à Abishaï, fils de Çeruya et frère de Joab, leur dit : " Qui veut descendre avec moi au camp, jusqu'à Saül ? " Abishaï répondit : " C' est moi qui descendrai avec toi. "
1Sm / 1Sam 26:7 So David and Abishai came to the people by night: and, behold, Saul lay sleeping within the trench, and his spear stuck in the ground at his bolster: but Abner and the people lay round about him. Ary tonga tao amin' ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin' ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin' ny tany teo anilan' ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. Alina no nahatongavan' i Davida sy Abisaï tany amin' ny vahoaka; ary inty Saola nandry tao afovoan' ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin' ny tany teo anilan' ny ondany; Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy. Donc David et Abishaï se dirigèrent de nuit vers la troupe : ils trouvèrent Saül étendu et dormant dans le campement, sa lance plantée en terre à son chevet, et Abner et l' armée étaient couchés autour de lui.
1Sm / 1Sam 26:8 Then said Abishai to David, God hath delivered thine enemy into thine hand this day: now therefore let me smite him, I pray thee, with the spear even to the earth at once, and I will not smite him the second time. Ary hoy Abisay tamin' i Davida: Efa voahidin' Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin' ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho. Dia hoy Abisaï tamin' i Davida: Voahidin' ny Tompo eo an-tànanao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin' ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin' ny tany amin' ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany. Alors Abishaï dit à David : " Aujourd' hui Dieu a livré ton ennemi en ta main. Eh bien, laisse-moi le clouer à terre avec sa propre lance, d' un seul coup et je n' aurai pas à lui en donner un second! "
1Sm / 1Sam 26:9 And David said to Abishai, Destroy him not: for who can stretch forth his hand against the Lord' s anointed, and be guiltless? Fa hoy Davida tamin' i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin' ny voahosotr' i Jehovah ka tsy nanan-tsiny? Fa hoy Davida tamin' i Abisaï: Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tànana amin' ny voahosotry ny Tompo, ka afa-maina tsy ho voasazy? Mais David dit à Abishaï : " Ne le tue pas! Qui pourrait porter la main sur l' oint de Yahvé et rester impuni ? "
1Sm / 1Sam 26:10 David said furthermore, As the Lord liveth, the Lord shall smite him; or his day shall come to die; or he shall descend into battle, and perish. Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin' ny ady izy, ka any no hahafaty azy. Ary hoy Davida: Marina fa velona Iaveh, koa dia Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitr' andro izy ka maty, na hirotsaka amin' ny ady izy ka maty; David ajouta : " Aussi vrai que Yahvé est vivant, c' est Yahvé qui le frappera, soit que son jour arrive et qu' il meure, soit qu' il descende au combat et qu' il y périsse.
1Sm / 1Sam 26:11 The Lord forbid that I should stretch forth mine hand against the Lord' s anointed: but, I pray thee, take thou now the spear that is at his bolster, and the cruse of water, and let us go. Sanatria amiko eo anatrehan' i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr' i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan' ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha. fa aoka harovan' ny Tompo tsy haninji-tànana amin' ny voahosotry ny Tompo aho! Koa ankehitriny ny lefona eo anilan' ny ondany sy ny sny fitoeran-drano no alao, dia ndao isika handeha. Mais que Yahvé me garde de porter la main sur l' oint de Yahvé! Maintenant, prends donc la lance qui est à son chevet et la gourde d' eau, et allons-nous-en. "
1Sm / 1Sam 26:12 So David took the spear and the cruse of water from Saul' s bolster; and they gat them away, and no man saw it, nor knew it, neither awaked: for they were all asleep; because a deep sleep from the Lord was fallen upon them. Dia nalain' i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan' ny lohan' i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon' i Jehovah renoky ny torimaso izy. Dia nalain' i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan' ny ondan' i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan' ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo. David prit du chevet de Saül la lance et la gourde d' eau et ils s' en allèrent : personne n' en vit rien, personne ne le sut, personne ne s'éveilla, ils dormaient tous, car une torpeur venant de Yahvé s'était abattue sur eux.
1Sm / 1Sam 26:13 Then David went over to the other side, and stood on the top of an hill afar off; a great space being between them: Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon' ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan' izy roa tonta); Niampita teny an-dafy Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon' ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta. David passa de l' autre côté et se tint sur le sommet de la montagne au loin; il y avait un grand espace entre eux.
1Sm / 1Sam 26:14 And David cried to the people, and to Abner the son of Ner, saying, Answerest thou not, Abner? Then Abner answered and said, Who art thou that criest to the king? ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak' i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan' ny mpanjaka? Ary Davida niantso ny vahoaka sy Abnera zanak' i Nera nanao hoe: Tsy hamaly va hianao, ry Abnera? Dia hoy Abnera namaly: Zovy moa hianao, miantso aty amin' ny mpanjaka? Alors David appela l' armée et Abner, fils de Ner : " Ne vas-tu pas répondre, Abner ? ", dit-il. Et Abner répondit : " Qui es-tu, toi qui appelles ? "
1Sm / 1Sam 26:15 And David said to Abner, Art not thou a valiant man? and who is like to thee in Israel? wherefore then hast thou not kept thy lord the king? for there came one of the people in to destroy the king thy lord. Ary hoy Davida tamin' i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin' ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin' ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao. Ary hoy Davida tamin' i Abnera: Tsy lehilahy va hianao? Ary iza no toa anao amin' Israely? Koa nahoana hianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin' ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao. David dit à Abner : " N' es-tu pas un homme ? Et qui est ton pareil en Israël ? Pourquoi donc n' as-tu pas veillé sur le roi ton maître ? Car quelqu' un du peuple est venu pour tuer le roi ton maître.
1Sm / 1Sam 26:16 This thing is not good that thou hast done. As the Lord liveth, ye are worthy to die, because ye have not kept your master, the Lord' s anointed. And now see where the king' s spear is, and the cruse of water that was at his bolster. Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr' i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon' ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan' ny lohany? Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona Iaveh, koa dia ny maty no tandrifin' anao, satria hianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotry ny Tompo. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon' ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan' ny ondany? Ce n' est pas bien, ce que tu as fait. Aussi vrai que Yahvé est vivant, vous êtes dignes de mort pour n' avoir pas veillé sur votre maître, l' oint de Yahvé. Maintenant, regarde donc où est la lance du roi et où est la gourde d' eau qui était à son chevet! "
1Sm / 1Sam 26:17 And Saul knew David' s voice, and said, Is this thy voice, my son David? And David said, It is my voice, my lord, O king. Ary fantatr' i Saoly ny feon' i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko. Fantatr' i Saola ny feon' i Davida, ka hoy izy: Feonao va izany, ry Davida, zanako ô! Dia hoy Davida namaly: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko! Or Saül reconnut la voix de David, et il demanda : " Est-ce bien ta voix, mon fils David ? " - " Oui, Monseigneur le roi ", répondit David.
1Sm / 1Sam 26:18 And he said, Wherefore doth my lord thus pursue after his servant? for what have I done? or what evil is in mine hand? Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin' ny tanako? Sady nampiany hoe: Nahoana ny tompoko no manenjika ity mpanompony? Fa nanao inona aho? Inona no ratsy nataon' ny tànako? Et il continua : " Pourquoi donc Monseigneur poursuit-il son serviteur ? Qu' ai-je fait et de quoi suis-je coupable ?
1Sm / 1Sam 26:19 Now therefore, I pray thee, let my lord the king hear the words of his servant. If the Lord have stirred thee up against me, let him accept an offering: but if they be the children of men, cursed be they before the Lord; for they have driven me out this day from abiding in the inheritance of the Lord, saying, Go, serve other gods. Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin' ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak' olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan' i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin' ny lova nomen' i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa. Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin' ny mpanompony: Raha Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahany ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan' ny Tompo izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara toerako amin' ny lovan' ny Tompo, nanao hoe: mandehana manompo andriamani-kafa. Maintenant, que Monseigneur le roi veuille écouter les paroles de son serviteur : si c' est Yahvé qui t' excite contre moi, qu' il soit apaisé par une offrande, mais si ce sont des humains, qu' ils soient maudits devant Yahvé, car ils m' ont banni aujourd' hui, en sorte que je ne participe plus à l' héritage de Yahvé, comme s' ils disaient : "Va servir des dieux étrangers! "
1Sm / 1Sam 26:20 Now therefore, let not my blood fall to the earth before the face of the Lord: for the king of Israel is come out to seek a flea, as when one doth hunt a partridge in the mountains. Koa aza avela ho latsaka amin' ny tany lavitra an' i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan' ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra. Koa ankehitriny, aoka ny rako tsy ho latsaka aminny tany lavitra ny tavan' ny Tompo! Fa ny mpanjakan' Israely ity no niainga hitady izay parasy anankiray, mova tsy ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra! Maintenant, que mon sang ne soit pas répandu à terre loin de la présence de Yahvé! En effet, le roi d' Israël est sorti à la quête de ma vie, comme on pourchasse la perdrix dans les montagnes. "
1Sm / 1Sam 26:21 Then said Saul, I have sinned: return, my son David: for I will no more do thee harm, because my soul was precious in thine eyes this day: behold, I have played the fool, and have erred exceedingly. Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra. Dia hoy Saola: Nanota aho, miverena re, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe. Saül dit : " J' ai péché! Reviens, mon fils David, je ne te ferai plus de mal, puisque ma vie a eu aujourd' hui tant de prix à tes yeux. Oui, j' ai agi en insensé et je me suis très lourdement trompé. "
1Sm / 1Sam 26:22 And David answered and said, Behold the king' s spear! and let one of the young men come over and fetch it. Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon' ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy. Namaly Davida hoe: Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin' ny zatovonao no aoka haka azy ety. David répondit : " Voici la lance du roi. Que l' un des garçons traverse et vienne la prendre.
1Sm / 1Sam 26:23 The Lord render to every man his righteousness and his faithfulness; for the Lord delivered thee into my hand to day, but I would not stretch forth mine hand against the Lord' s anointed. Ny lehilahy izay nanoloran' i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr' i Jehovah aho. Samy hovalian' ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy; fa efa natolotry ny Tompo teo an-tànako hianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tànako tamin' ny voahosotry ny Tompo aho. Yahvé rendra à chacun selon sa justice et sa fidélité : aujourd' hui Yahvé t' avait livré entre mes mains et je n' ai pas voulu porter la main contre l' oint de Yahvé.
1Sm / 1Sam 26:24 And, behold, as thy life was much set by this day in mine eyes, so let my life be much set by in the eyes of the Lord, and let him deliver me out of all tribulation. Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan' i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin' ny fahoriana rehetra. Ary indro fa toy ny nahasarobidy ny ainao teo imasoko androany, no mba hahasarobidy ny aiko eo imason' ny Tompo koa, ka hanafahany ahy amin' ny tebiteby rehetra. De même que ta vie a compté beaucoup à mes yeux en ce jour, ainsi ma vie comptera beaucoup au regard de Yahvé et il me délivrera de toute angoisse. "
1Sm / 1Sam 26:25 Then Saul said to David, Blessed be thou, my son David: thou shalt both do great things, and also shalt still prevail. So David went on his way, and Saul returned to his place. Ary hoy Saoly tamin' i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina. Dia hoy Saola tamin' i Davida: Hambinina anie hianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao. Dia nanohy ny diany Davida; ary Saola nody any aminy. Saül dit à David : " Béni sois-tu, mon fils David. Certainement tu entreprendras et tu réussiras. " David alla son chemin et Saül retourna chez lui.

<-
->