<-
->

1Sm / 1Sam 3:1 And the child Samuel ministered unto the Lord before Eli. And the word of the Lord was precious in those days; there was no open vision. Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin' i Jehovah teo anatrehan' i Ely. Ary tamin' izany andro izany efa nahàlana ny tenin' i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra. Nanao ny fanompoana tamin' ny Tompo teo anatrehan' i Helì, Samoela kely. Nahalana ny tenin' ny Tompo tamin' izany andro izany, ary vitsy ny fahitana. Le jeune Samuel servait donc Yahvé en présence d'Éli; en ce temps-là, il était rare que Yahvé parlât, les visions n'étaient pas fréquentes.
1Sm / 1Sam 3:2 And it came to pass at that time, when Eli was laid down in his place, and his eyes began to wax dim, that he could not see; Ary tamin' izany andro izany, raha nandry tao amin' ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy), Tamin' izany andro izany nony nandry Helì teo amin' ny fitoerany, - ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy; Or, un jour, Éli était couché dans sa chambre - ses yeux commençaient de faiblir et il ne pouvait plus voir -
1Sm / 1Sam 3:3 And ere the lamp of God went out in the temple of the Lord, where the ark of God was, and Samuel was laid down to sleep; sady tsy mbola maty ny jiron' Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin' ny tempolin' i Jehovah, izay nisy ny fiaran' Andriamanitra, ny jiron' Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin' ny Tompo izay nisy ny fiaran' Andriamanitra; - la lampe de Dieu n'était pas encore éteinte et Samuel était couché dans le sanctuaire de Yahvé, là où se trouvait l' arche de Dieu.
1Sm / 1Sam 3:4 That the Lord called Samuel: and he answered, Here am I. dia niantso an' i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho. dia nantsoin' ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho! Yahvé appela : " Samuel, Samuel! " Il répondit : " Me voici! "
1Sm / 1Sam 3:5 And he ran unto Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And he said, I called not; lie down again. And he went and lay down. Dia nihazakazaka nankeo amin' i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin' i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry. et il courut près d'Éli et dit : " Me voici, puisque tu m' as appelé. " - " Je ne t' ai pas appelé, dit Éli; retourne te coucher. " Il alla se coucher.
1Sm / 1Sam 3:6 And the Lord called yet again, Samuel. And Samuel arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And he answered, I called not, my son; lie down again. Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin' i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany. Nantsoin' ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin' i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry. Yahvé recommença d' appeler : " Samuel, Samuel! " Il se leva et alla près d'Éli et dit : " Me voici, puisque tu m' as appelé. " - " Je ne t' ai pas appelé, mon fils, dit Éli; retourne te coucher. "
1Sm / 1Sam 3:7 Now Samuel did not yet know the Lord, neither was the word of the Lord yet revealed unto him. Ary Samoela tsy mbola nahalala an' i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin' i Jehovah izy. Tsy mbola nahalala an' ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin' ny Tompo izy. Samuel ne connaissait pas encore Yahvé et la parole de Yahvé ne lui avait pas encore été révélée.
1Sm / 1Sam 3:8 And the Lord called Samuel again the third time. And he arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou didst call me. And Eli perceived that the Lord had called the child. Ary Jehovah niantso an' i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin' i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr' i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. Ary nantsoin' ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin' i Helì, Yahvé recommença d' appeler Samuel pour la troisième fois. Il se leva et alla près d'Éli et dit : " Me voici, puisque tu m' as appelé. " Alors Éli comprit que c'était Yahvé qui appelait l' enfant
1Sm / 1Sam 3:9 Therefore Eli said unto Samuel, Go, lie down: and it shall be, if he call thee, that thou shalt say, Speak, Lord; for thy servant heareth. So Samuel went and lay down in his place. Ary hoy Ely tamin' i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin' ny fandriany. nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr' i Helì tamin' izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin' i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin' ny fitoerany. et il dit à Samuel : " Va te coucher et, si on t' appelle, tu diras : Parle, Yahvé, car ton serviteur écoute ", et Samuel alla se coucher à sa place.
1Sm / 1Sam 3:10 And the Lord came, and stood, and called as at other times, Samuel, Samuel. Then Samuel answered, Speak; for thy servant heareth. Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao. Yahvé vint et se tint présent. Il appela comme les autres fois : " Samuel, Samuel! ", et Samuel répondit : " Parle, car ton serviteur écoute. "
1Sm / 1Sam 3:11 And the Lord said to Samuel, Behold, I will do a thing in Israel, at which both the ears of every one that heareth it shall tingle. Ary hoy Jehovah tamin' i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin' ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. Ary hoy Iaveh tamin' i Samoela: Indro aho hanao zavatra eo amin' Israely; ka tsy hisy handre izany ka tsy hangintsingintsina ny sofiny roa. Yahvé dit à Samuel : " Je m' en vais faire en Israël une chose telle que les deux oreilles en tinteront à quiconque l' apprendra.
1Sm / 1Sam 3:12 In that day I will perform against Eli all things which I have spoken concerning his house: when I begin, I will also make an end. Amin' izany andro izany dia hotanterahiko amin' i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin' ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. Hotanterahiko amin' i Helì amin' izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin' ny tranony; hanomboka aho ary hanapitra koa. En ce jour-là, j' accomplirai contre Éli tout ce que j' ai dit sur sa maison, du commencement à la fin.
1Sm / 1Sam 3:13 For I have told him that I will judge his house for ever for the iniquity which he knoweth; because his sons made themselves vile, and he restrained them not. Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an' ny tenany, nefa tsy nosakanany. Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony aho ho amin' ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan' ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany. Tu lui annonceras que je condamne sa maison pour toujours; parce qu' il a su que ses fils maudissaient Dieu et qu' il ne les a pas corrigés.
1Sm / 1Sam 3:14 And therefore I have sworn unto the house of Eli, that the iniquity of Eli' s house shall not be purged with sacrifice nor offering for ever. Koa izany no nianianako ny amin' ny taranak' i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay. Izany no nianianako tamin' ny tranon' i Helì fa tsy ho azo honeran' ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon' i Helì. C' est pourquoi - je le jure à la maison d'Éli - ni sacrifice ni offrande n' effaceront jamais la faute de la maison d'Éli. "
1Sm / 1Sam 3:15 And Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of the Lord. And Samuel feared to shew Eli the vision. Ary nandry Samoela mandra-pahamarain' ny andro, dia namoha ny varavaran' ny tranon' i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin' i Ely. Dia mbola nandry mandra-pahamarain' ny andro Samoela vao namoha ny varavaran' ny tranon' ny Tompo. Ary natahotra Samoela ny hilaza ny fahitany tamin' i Helì. Samuel reposa jusqu' au matin, puis il ouvrit les portes du temple de Yahvé. Samuel craignait de raconter la vision à Éli,
1Sm / 1Sam 3:16 Then Eli called Samuel, and said, Samuel, my son. And he answered, Here am I. Fa Ely niantso an' i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. Fa nantsoin' i Helì kosa Samoela nataony hoe: Ry Samoela zanako ô! ka namaly hoe: Inty aho. mais Éli l' appela en disant : " Samuel, mon fils! ", et il répondit : " Me voici! "
1Sm / 1Sam 3:17 And he said, What is the thing that the Lord hath said unto thee? I pray thee hide it not from me: God do so to thee, and more also, if thou hide any thing from me of all the things that he said unto thee. Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain' i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon' Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. Ary hoy Helì: Inona no teny voalaza taminao? Masìna hianao, aza anafenana amiko. Hoentin' ny Tompo amin' izay sarotra indrindra anie hianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao. Il demanda : " Quelle est la parole qu' il t' a dite ? Ne me cache rien! Que Dieu te fasse ce mal et qu' il ajoute encore cet autre si tu me caches un mot de ce qu' il t' a dit. "
1Sm / 1Sam 3:18 And Samuel told him every whit, and hid nothing from him. And he said, It is the Lord: let him do what seemeth him good. Dia nambaran' i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. Dia nambaran' i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy Helì: Iaveh izy ka aoka hataony izay fantany ho mety. Alors Samuel lui rapporta tout, il ne lui cacha rien. Éli dit : " Il est Yahvé; qu' il fasse ce qui lui semble bon! "
1Sm / 1Sam 3:19 And Samuel grew, and the Lord was with him, and did let none of his words fall to the ground. Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. Dia nitombo ho lehibe Samoela sady nomba azy Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny. Samuel grandit. Yahvé était avec lui et ne laissa rien tomber à terre de tout ce qu' il lui avait dit.
1Sm / 1Sam 3:20 And all Israel from Dan even to Beersheba knew that Samuel was established to be a prophet of the Lord. Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin' i Jehovah tokoa Samoela. Fantatr' Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin' ny Tompo marina tokoa Samoela. Tout Israël sut, depuis Dan jusqu'à Bersabée, que Samuel était accrédité comme prophète de Yahvé.
1Sm / 1Sam 3:21 And the Lord appeared again in Shiloh: for the Lord revealed himself to Samuel in Shiloh by the word of the Lord. Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin' i Samoela tao Silo Jehovah tamin' ny teniny. Ary Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin' i Samoela tao Silao Iaveh, tamin' ny tenin' ny Tompo. Yahvé continua de se manifester à Silo, car il se révélait à Samuel, à Silo,

<-
->