<-
->

1Sm / 1Sam 28:1 And it came to pass in those days, that the Philistines gathered their armies together for warfare, to fight with Israel. And Achish said unto David, Know thou assuredly, that thou shalt go out with me to battle, thou and thy men. Ary tamin' izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin' i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao. Tamin' izany andro izany nangonin' ny Filistina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin' Israely. Ka hoy Akisa tamin' i Davida: Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby hianao sy ny olonao. Or, en ce temps-là, les Philistins rassemblèrent leurs troupes en guerre pour combattre Israël, et Akish dit à David : " Sache bien que tu iras à l' armée avec moi, toi et tes hommes. "
1Sm / 1Sam 28:2 And David said to Achish, Surely thou shalt know what thy servant can do. And Achish said to David, Therefore will I make thee keeper of mine head for ever. Ary hoy Davida tamin' i Akisy: Amin' izao dia ho fantatrao tokoa izay hain' ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin' i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao. Ary hoy ny navalin' i Davida tamin' i Akisa: Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao. Ka hoy Akisa tamin' i Davida: Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay. David répondit à Akish : " Aussi bien, tu sauras maintenant ce que va faire ton serviteur. " Alors Akish dit à David : " Eh bien! Je t' instituerai pour toujours mon garde du corps. "
1Sm / 1Sam 28:3 Now Samuel was dead, and all Israel had lamented him, and buried him in Ramah, even in his own city. And Saul had put away those that had familiar spirits, and the wizards, out of the land. (Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin' i Saoly hiala amin' ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.) Efa maty Samoela ka nitomanian' Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin' ny tanànany. Ary efa noroahin' i Saola hiala amin' ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy. Samuel était mort, tout Israël avait fait son deuil et on l' avait enseveli à Rama, dans sa ville. Saül avait expulsé du pays les nécromants et les devins.
1Sm / 1Sam 28:4 And the Philistines gathered themselves together, and came and pitched in Shunem: and Saul gathered all Israel together, and they pitched in Gilboa. Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo. Nony tafangona ny Filistina dia tonga nitoby tao Sonama; ary Israely rehetra novorin' i Saola ka nitoby tao Jelboe. Tandis que les Philistins, s'étant groupés, venaient camper à Shunem, Saül rassembla tout Israël et ils campèrent à Gelboé.
1Sm / 1Sam 28:5 And when Saul saw the host of the Philistines, he was afraid, and his heart greatly trembled. Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan' ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony. raiki-tahotra sy nivadi-po mafy Saola, nony nahita ity tobin' ny Filistina. Lorsque Saül vit le camp philistin, il eut peur et son coeur trembla fort.
1Sm / 1Sam 28:6 And when Saul enquired of the Lord, the Lord answered him not, neither by dreams, nor by Urim, nor by prophets. Ary Saoly dia nanontany tamin' i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin' ny nofy, na tamin' ny Orima, na tamin' ny mpaminany. Nanontany an' ny Tompo Saola, nefa tsy namaly azy Iaveh, na tamin' ny nofy, na tamin' ny Orima, na tamin' ny mpaminany. Saül consulta Yahvé, mais Yahvé ne lui répondit pas, ni par les songes, ni par les sorts, ni par les prophètes.
1Sm / 1Sam 28:7 Then said Saul unto his servants, Seek me a woman that hath a familiar spirit, that I may go to her, and enquire of her. And his servants said to him, Behold, there is a woman that hath a familiar spirit at Endor. Ary hoy Saoly tamin' ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora. Dia hoy Saola tamin' ny mpanompony: Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hantontany azy aho. Ka hoy ny mpanompony taminy: Any Endora misy vehivavy mpamoha angatra. Saül dit alors à ses serviteurs : " Cherchez-moi une nécromancienne, que j' aille chez elle et que je la consulte ", et ses serviteurs lui répondirent : " Il y a une nécromancienne à En-Dor. "
1Sm / 1Sam 28:8 And Saul disguised himself, and put on other raiment, and he went, and two men with him, and they came to the woman by night: and he said, I pray thee, divine unto me by the familiar spirit, and bring me him up, whom I shall name unto thee. Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin' ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etý amiko izay hotononiko aminao. Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa Saola, ka niainga narahin' ny olona roa lahy. Alina no tonga tany amin' ilay vehivavy izy ireo ka hoy Saola taminy: Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin' ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankaty amiko izay hotononiko aminao. Saül se déguisa et endossa d' autres vêtements, puis il partit avec deux hommes et ils arrivèrent de nuit chez la femme. Il lui dit : " Je t' en prie, fais-moi dire l' avenir par un revenant, et évoque pour moi celui que je te dirai. "
1Sm / 1Sam 28:9 And the woman said unto him, Behold, thou knowest what Saul hath done, how he hath cut off those that have familiar spirits, and the wizards, out of the land: wherefore then layest thou a snare for my life, to cause me to die? Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon' i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin' ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy? Fa namaly azy ravehivavy: Indro fa fantatro ihany ny nataon' i Saola, dia ny nandroahany hiala amin' ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana hianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko? Mais la femme lui répondit : " Voyons, tu sais toi-même ce qu' a fait Saül et comment il a supprimé du pays les nécromants et les devins. Pourquoi tends-tu un piège à ma vie pour me faire mourir ? "
1Sm / 1Sam 28:10 And Saul sware to her by the Lord, saying, As the Lord liveth, there shall no punishment happen to thee for this thing. Ary Saoly nianiana tamin' i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin' izao zavatra izao. Nianiana taminy, tamin' ny Tompo, Saola, nanao hoe: Marina fa velona Iaveh. Koa tsy hampidi-doza aminao akory izao zavatra izao. Alors Saül lui fit ce serment par Yahvé : " Aussi vrai que Yahvé est vivant, dit-il, tu n' encourras aucun blâme pour cette affaire. "
1Sm / 1Sam 28:11 Then said the woman, Whom shall I bring up unto thee? And he said, Bring me up Samuel. Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etý amiko. Dia hoy ravehivavy: Iza àry no hasaiko miakatra mankaty aminao? Ka hoy ny navaliny: Samoela no asaovy miakatra mankaty amiko. La femme demanda : " Qui faut-il évoquer pour toi ? ", et il répondit : " Évoque-moi Samuel. "
1Sm / 1Sam 28:12 And when the woman saw Samuel, she cried with a loud voice: and the woman spake to Saul, saying, Why hast thou deceived me? for thou art Saul. Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin' ny feo mafy izy ka nanao tamin' i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly. Vao nahita an' i Samoela ravehivavy dia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin' i Saola hoe: Ahoana no namitahanao ahy? Hianao no Saola. Alors la femme vit Samuel et, poussant un grand cri, elle dit à Saül : " Pourquoi m' as-tu trompée ? Tu es Saül! "
1Sm / 1Sam 28:13 And the king said unto her, Be not afraid: for what sawest thou? And the woman said unto Saul, I saw gods ascending out of the earth. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin' i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin' ny tany no hitako. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Dia hoy ravehivavy tamin' i Saola: andriamanitra miakatra avy amin' ny tany no hitako. Le roi lui dit : " N' aie pas peur! Mais que vois-tu ? " et la femme répondit à Saül : " Je vois un spectre qui monte de la terre. "
1Sm / 1Sam 28:14 And he said unto her, What form is he of? And she said, An old man cometh up; and he is covered with a mantle. And Saul perceived that it was Samuel, and he stooped with his face to the ground, and bowed himself. Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr' i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin' ny tany izy ka niankohoka. Ka hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Ary hoy ny navaliny: Anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin' ny kapaoty izy. Fantatr' i Saola fa Samoela izay, ka tafaondrika tamin' ny tany tery izy, dia niankohoka. Saül lui demanda : " Quelle apparence a-t-il ? ", et la femme répondit : " C' est un vieillard qui monte, il est drapé dans un manteau. " Alors Saül sut que c'était Samuel et, s' inclinant la face contre terre, il se prosterna.
1Sm / 1Sam 28:15 And Samuel said to Saul, Why hast thou disquieted me, to bring me up? And Saul answered, I am sore distressed; for the Philistines make war against me, and God is departed from me, and answereth me no more, neither by prophets, nor by dreams: therefore I have called thee, that thou mayest make known unto me what I shall do. Ary hoy Samoela tamin' i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin' ny mpaminany, na amin' ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko. Ary hoy Samoela tamin' i Saola: Ahoana no manabataba ahy hianao amin' ny fampiakarana ahy? Dia namaly Saola nanao hoe: Poritra loatra aho: ny Filistina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy izy, na tamin' ny mpaminany, na tamin' ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy hataoko. Samuel dit à Saül : " Pourquoi as-tu troublé mon repos en m'évoquant ? " - " C' est, répondit Saül, que je suis dans une grande angoisse : les Philistins me font la guerre et Dieu s' est détourné de moi, il ne me répond plus, ni par les prophètes, ni en songe. Alors je t' ai appelé pour que tu m' indiques ce que je dois faire. "
1Sm / 1Sam 28:16 Then said Samuel, Wherefore then dost thou ask of me, seeing the Lord is departed from thee, and is become thine enemy? Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao. Ary hoy Samoela: Ahoana no anontanianao ahy, nefa Iaveh efa nihataka taminao, sy efa tonga fahavalonao? Samuel dit : " Pourquoi me consulter, quand Yahvé s' est détourné de toi et est devenu ton adversaire ?
1Sm / 1Sam 28:17 And the Lord hath done to him, as he spake by me: for the Lord hath rent the kingdom out of thine hand, and given it to thy neighbour, even to David: Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin' ny tananao ny fanjakana ka nomeny an' i Davida namanao. Nataon' ny Tompo izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin' ny alàlako; efa notsoahan' ny Tompo teo am-pelatànanao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia Davida. Yahvé t' a fait comme il t' avait dit par mon entremise : il a arraché de ta main la royauté et l' a donnée à ton prochain, David,
1Sm / 1Sam 28:18 Because thou obeyedst not the voice of the Lord, nor executedst his fierce wrath upon Amalek, therefore hath the Lord done this thing unto thee this day. Satria tsy nihaino ny feon' i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin' ny Amalekita, dia izany no nanaovan' i Jehovah izao zavatra izao taminao androany. Satria tsy nihaino ny feon' ny Tompo hianao, fa tsy nanao tamin' i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan' ny Tompo toy izao taminao androany. parce que tu n' as pas obéi à Yahvé et que tu n' as pas satisfait l' ardeur de sa colère contre Amaleq. C' est pour cela que Yahvé t' a traité de la sorte aujourd' hui.
1Sm / 1Sam 28:19 Moreover the Lord will also deliver Israel with thee into the hand of the Philistines: and to morrow shalt thou and thy sons be with me: the Lord also shall deliver the host of Israel into the hand of the Philistines. Ary hiaraka hatolotr' i Jehovah ho eo an-tànan' ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etý amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan' ny Isiraely koa dia hatolotr' i Jehovah eo an-tànan' ny Filistina. Mainka hatolotry ny Tompo eo an-tànan' ny Filistina aza Israely sy hianao. Rahampitso hianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin' Israely hatolotry ny Tompo eo an-tànan' ny Filistina. De plus, Yahvé livrera, en même temps que toi, ton peuple Israël aux mains des Philistins. Demain, toi et tes fils, vous serez avec moi; le camp d' Israël aussi, Yahvé le livrera aux mains des Philistins. "
1Sm / 1Sam 28:20 Then Saul fell straightway all along on the earth, and was sore afraid, because of the words of Samuel: and there was no strength in him; for he had eaten no bread all the day, nor all the night. Dia lavo niampatra tamin' ny tany niaraka tamin' izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin' i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra. Dia lavo nitsingidina tamin' ny tany, niaraka tamin' izany, Saola; fa ny tenin' i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, stria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra. Aussitôt Saül tomba à terre de tout son long. Il était terrifié par les paroles de Samuel; de plus, il était sans force, n' ayant rien mangé de tout le jour et de toute la nuit.
1Sm / 1Sam 28:21 And the woman came unto Saul, and saw that he was sore troubled, and said unto him, Behold, thine handmaid hath obeyed thy voice, and I have put my life in my hand, and have hearkened unto thy words which thou spakest unto me. Ary nankao amin' i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko. Nankeo amin' i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izaitsizy, ka dia nanao taminy hoe: Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin' ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko. La femme vint à Saül, et, le voyant épouvanté, elle lui dit : " Vois, ta servante t' a obéi, j' ai risqué ma vie et j' ai obéi aux ordres que tu m' avais donnés.
1Sm / 1Sam 28:22 Now therefore, I pray thee, hearken thou also unto the voice of thine handmaid, and let me set a morsel of bread before thee; and eat, that thou mayest have strength, when thou goest on thy way. Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin' ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin' ny alehanao ianao. Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin' ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely hianao; mihinàna amin' izany hahazoanao tanjaka ho eny amin' ny dia hotohizanao. Maintenant, je t' en prie, écoute à ton tour la voix de ta servante : laisse-moi te servir un morceau de pain, mange et prends des forces pour te remettre en route. "
1Sm / 1Sam 28:23 But he refused, and said, I will not eat. But his servants, together with the woman, compelled him; and he hearkened unto their voice. So he arose from the earth, and sat upon the bed. Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara. Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Nanesy azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan' izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin' ny tany, dia nipetraka tamin' ny saofà izy. Saül refusa : " Je ne mangerai pas ", dit-il. Mais ses serviteurs le pressèrent, ainsi que la femme, et il céda à leurs instances. Il se leva de terre et s' assit sur le divan.
1Sm / 1Sam 28:24 And the woman had a fat calf in the house; and she hasted, and killed it, and took flour, and kneaded it, and did bake unleavened bread thereof: Ary ravehivavy nanana zanak' omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira. Nanan-janak' omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay. La femme avait chez elle un veau à l' engrais. Vite, elle l' abattit et, prenant de la farine, elle pétrit et fit cuire des pains sans levain.
1Sm / 1Sam 28:25 And she brought it before Saul, and before his servants; and they did eat. Then they rose up, and went away that night. Ary narosony teo anoloan' i Saoly sy teo anoloan' ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin' iny alina iny ihany. Ary narosony teo anoloan' i Saola sy teo anoloan' ny mpanompony ireo, ka dia niihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany. Elle servit Saül et ses gens. Ils mangèrent, puis se levèrent et partirent cette même nuit.

<-
->