Fizahan-teny

Ohabolana : ampiakarana

Ohabolana 1Fara-faty angaha no hitomaniana am-piakarana. [2.558 #74]

Ohabolana 2Hazakazaka am-piakarana, ka izay tonga aloha dia mianina. [2.165 #1247]
Dikanteny frantsayQuand on court en faisant une montée, celui qui arrive le premier en haut s' arrête (il est essoufflé). [2.165]

Ohabolana 3Mitehin-kiho am-piakarana, ka sady haingo no tohan' aina. [2.558 #2448]
Tehin-kiho am-piakarana; tsy haingo fa tohan' aina. [2.165 #1304, 2.653 #3057, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa misy fisehoan-javatra ivelany izay toa haitraitra fotsiny, nefa hay tena zavatra ilaina mihitsy. [1.1]
Enti-milaza ny olona toa mampidera bika amin' ny fihetsiny, nefa hakingana no anaovany an' io fa mba tsy hisehoany hoe sasatra. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand on met les mains sur les hanches en montant, ce n' est pas pour être plus beau, c' est pour s' aider à marcher. [2.165]

Fizahan-teny