Fizahan-teny

Ohabolana : androngo

Ohabolana 1Androngo an' asa: (amin' ny tany asaina) ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. [1.1]
Androngo an-asa : ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. [2.165 #1170, 2.558 #235, 2.653 #218]
Fanazavana malagasySamy mamonjy ny ainy avy raha misy olona miasa tany fa sao tapaky ny angady eo ny rambo. [1.1]
Dikanteny frantsayDes lézards dans la terre qu' on laboure: chacun s' esquive pour sauver sa queue (pour l' empêcher d' être coupée par les coups de bêche). [2.165]

Ohabolana 2Androngo efa hita ka na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony. [2.558 #236]
Androngo efa hita : na mitsipelika aza, tsy mahataitra intsony. [2.415 #5685, 2.653 #219]
Dikanteny frantsayLézard qui s' est montré : il a beau s' agiter, il n' effraie plus. [2.415 #5685]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qu'on ne redoute plus. [2.415 #5685]

Ohabolana 3Androngolahy manetsa : mandro matetika vao mavo lamosina. [2.558 #237]
Androngolahy manetsa : mandro matetika vao mavo lamosina ; tongo-dririnina : hosoran-tsavony vao mihavasoka. [2.415 #701, 2.653 #227]
Dikanteny frantsayLézard à l' époque du repiquage du riz : il prend des bains fréquents et il a le dos sale ; les pieds en hiver, on les enduit de savon et ils sont ternes. [2.415 #701]
Fanazavana frantsaySe disait des officiers concussionnaires. [2.415 #701]

Ohabolana 4Androngolahy milanja voantay : izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify. [2.415 #700, 2.653 #223]
Androngo milanja voatay : ny milanja ny manga indray no milaza ho manehi-nify. [2.558 #241]
Aza manao androngolahy milanja voantay, ka izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify. [2.165]
Dikanteny frantsayLézard qui porte un bousier : il porte une riche proie, et voilà qu' il se plaint d' avoir mal aux dents. [2.415 #700]
Fanazavana frantsayLe peuple est exploité, et ce sont les exploiteurs qui se plaignent. [2.415 #700]

Ohabolana 5Androngo may, antsiantsy mirehitra: izay may mamonjy rano. [2.558 #238, 2.653 #220]

Ohabolana 6Androngo mangataka, ka ny mody no ady. [2.558 #242]
Androngo nangataka ka ny mody no adiny. [1.1 #23]
Androngo nangataka : ny mody no adiny. [2.415 #703, 2.653 #224]
Dikanteny frantsayLézard qui est allé chasser : le difficile c' est de rentrer chez lui. [2.415 #703]
Fanazavana frantsaySe disait des concussionnaires, mais aussi du sens propre, de ceux qui revenaient après une chasse. [2.415 #703]

Ohabolana 7Androngo miditra ala : ny tompon-tany ihany no aloha. [2.415 #613, 2.653]
Androngo miditra ala, ny tompon-tany no mialoha lalana. [2.558]
Dikanteny frantsayLézards qui vont sous bois : ce sont les habitués du pays qui vont devant. [2.415 #613]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des chefs qui étaient les premiers, mais opprimaient le peuple ; dans un sens plus général, il signifiait que les gens habitués à un métier devaient donner l'exemple. [2.415 #613]

Ohabolana 8Androngo milanja lolo : be am-pitondrana fa kely am-pihinanana. [2.653 #222, 2.974 #360]
Dikanteny frantsayLézard qui transporte un papillon : la charge est volumineuse, mais le profit maigre. [2.974 #360]

Ohabolana 9Androngo milanja vonin' avoko : ny mihinana tsy toy inona, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.415 #704]
Androngo nilanja vonin' avoko, ny mihinana tsy ela, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.558 #245]
Androngo nilanja vonin' avoko: ny mihinana tsy toy inona, fa ny mielo mena no tsy tanty. [2.653 #226]
Dikanteny frantsayLézard qui porte une fleur d'avoko : la manger, ce n' est pas une affaire, mais le dangereux c' est de porter un parasol rouge. [2.415 #704]
Fanazavana frantsayLa fleur d' avoko est rouge ; le proverbe fait allusion au parasol rouge, signe de la souveraineté ; le sens est que les officiers concussionnaires ne craignent que le souverain. [2.415 #704]

Ohabolana 10Androngo nahazo voangory: ny mihinana tsy toy inona, fa ny mamolapolaka ny elany no tsy tanty. [2.415 #702, 2.653 #225, 2.558]
Dikanteny frantsayLézard qui a pris un hanneton : le manger n' est pas une affaire, mais le difficile c' est de briser ses ailes. [2.415 #702]
Fanazavana frantsayS'appliquait aux officiers concussionnaires qui prenaient soin d'empêcher les résistances des exploités. [2.415 #702]

Ohabolana 11Androngo: tapaka vao mirebika. [1.1]
Tapaka vao mirebika, tahaka ny androngo. [2.558 #4100]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mifaly aorian' ny fahoriana nihatra taminy. [1.1]

Ohabolana 12Aza dongidongy miendrika androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka. [2.165 #597, 2.558 #445]
Dongaingingaingy miendrika androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka. [2.974 #158]
Midongidongy miendrik' androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka. [2.415 #6403]
Tsy mety raha dongaingingaingy miendrik' androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka. [2.415 #3994]
Tsy mety raha dongidongy miendrik' androngo, ka mandany ny tsaramasom-. [2.165 #2318, 2.558 #4590]
Tsy mety raha miendrika androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka. [2.653]
Dikanteny frantsayFaire le boudeur comme le lézard, et dévorer les haricots de tout le monde. [2.415 #6403]
Il n' est pas permis d' enfoncer la tête dans les épaules, de prendre des airs de lézard, et de dévorer les haricots des gens. [2.415 #3994]
Ne prenez pas un air boudeur comme un lézard, pour aller manger les haricots des gens. [2.165]
Prendre des airs contrits comme un lézard gris, et dévaster les haricots d’autrui. [2.974 #158]
Fanazavana frantsayAvoir l' air inoffensif et gruger tout le monde. [2.415 #6403]
Se disait des paresseux vivant aux dépens des autres. [2.415 #3994]
Se dit de quelqu' un qui paraît inoffensif et dont on ne se méfie pas, et qui fait pourtant du mal. [2.165]

Ohabolana 13Aza manao dian' androngo, fa manaova dian-tana. [2.415 #6105]
Dikanteny frantsayNe marchez pas légèrement et inconsidérément comme le lézard, mais marchez comme le caméléon, dont un oeil regarde en avant, et l' autre en arrière. [2.415]
Fanazavana frantsaySoyez prudent. [2.415 #6105]

Ohabolana 14Bibilava nisambotra androngo ka manantena ny fahalavana. [2.558 #893]
Bibilava nisambotra androngo ka nanantena ny fahalavana. [2.165 #950]
Dikanteny frantsayUn serpent ayant pris un lézard a profité de ce qu' il (le serpent) était le plus long (donc aussi le plus fort). [2.165]

Ohabolana 15Fivalon' androngo: ka ny fotsy no mby ambany. [2.165]
Fivalon' androngo ka ny fotsy no mby ambony. [2.558 #1184]
Dikanteny frantsayLes replis d' un lézard: ce qui est blanc est en dessous. [2.165]
Fanazavana frantsayCe qui est blanc devrait se montrer, et n' être pas dessous, mais dessus. [2.165]

Ohabolana 16Manasaha voay amason’ androngo. [1.147 #M23]

Ohabolana 17Manihika an-tanety : androngo no azo. [2.653 #1616]
Manihika an-tanety ka androngo no azo. [2.165 #1696, 2.558 #2108]
Dikanteny frantsayPêcher au panier sur la terre ferme, et attraper des lézards. [2.165]

Ohabolana 18Mihanta tsy aman-tsasaka, ka mihira fen' androngo. [2.415 #1657]
Dikanteny frantsayCapricieux et exigeant, on s' amuse avec une cuisse de lézard. [2.415 #1657]

Ohabolana 19Ny antsiantsy no manana anaka ka ny androngo no vaky manta. [2.558 #2900]
Ny antsiantsy no manan-janaka, ka ny androngo no voky maina. [2.165 #2168, 2.415 #728]
Dikanteny frantsayLes petits lézards verts ont des petits, et le grand lézard androngo s' en régale gratuitement. [2.415 #728]
Un petit lézard a des petits, et un grand lézard trouve un repas gratuit. [2.165]
Fanazavana frantsayIl mange les petits de l' autre. [2.165]

Ohabolana 20Ny sitry no manana anaka, ka ny androngo no sanganehena. [2.653 #2418]
Ny sitry no mananan' anaka, ka ny androngo no sanganehana. [2.558 #3248]

Ohabolana 21Rafotsibe leon-toho ka ny androngo kely avy no andosirana. [2.558 #3504]
Rafotsibe leon-toho: ny androngokely avy no andosirana. [2.415 #1897, 2.653 #2606]
Dikanteny frantsayVieille qui est dégoûtée des petits poissons qu' on appelle toho : elle fuit jusqu' aux lézards. [2.415 #1897]
Fanazavana frantsayElle fuit jusqu' aux apparences qui lui rappellent l' objet de son dégoût. [2.415 #1897]

Ohabolana 22Tapaka vao mirebika, ohatra ny androngo. [2.653]

Ohabolana 23Tsikovo-dohataona : manidina hanin' ny vorona, mipetraka hanin' ny androngo. [2.558 #4427]
Tsikovo-dohataona : manidina, lanin' ny vorona ; mipetraka, lanin' ny androngo. [2.415 #7, 2.653 #3303, 2.165]
Dikanteny frantsayDytiques du printemps : s' ils volent ils sont mangés par les oiseaux ; s' ils restent en place, ils sont mangés par les lézards. [2.415 #7]
Un dytique au printemps (au moment de la sécheresse): s' il vole il est mangé par un oiseau, et s' il se tient sur la terre il est pris par un lézard. [2.165]
Fanazavana frantsayLes petits, quoi qu'ils fassent, sont destinés à être victimes. [2.415 #7]

Ohabolana 24Tsy misy be alahelo tahaka ny maty vady, fa raha manitsaka androngo, mitsinjaka. [2.653 #3511]
Tsy misy be alahelo tahaky ny maty vady, fa raha manitsaka androngo, mitsinjaka. [2.415 #1345]
Tsy misy be alahelo toy ny maty vady, fa raha mandray lavenona mitehaka. [2.558 #302]
Tsy misy be alahelo toy ny maty vady, fa raha manitsaka androngo mitsinjaka. [2.558 #4705]
Dikanteny frantsayPersonne n' a autant de chagrin qu' une femme qui vient de perdre son mari, et cependant quand elle foule aux pieds un lézard, elle danse. [2.415 #1345]
Fanazavana frantsayLe sens est que toute douleur doit cesser dans certains cas et quelle cesse avec le temps. [2.415 #1345]

Ohabolana 25Tsy soa tsy ratsy miendrik' androngo : atao tsara milongolingy vava, atao ratsy, be soratsoratra. [2.558 #4795]
Tsy soa tsy ratsy miendrik’ androngo: hatao tsara, longilongy vava; hatao ratsy, be soratsoratra. [2.415 #5835, 2.653 #3578]
Dikanteny frantsayNi beau ni laid, comme l' extérieur d' un lézard : pour dire qu' il est beau, il a la bouche trop pointue ; mais pour dire qu' il est laid, il a cependant des bigarrures. [2.415 #5835]

Ohabolana 26Tsy soa tsy ratsy ohatra ny hoditr' androngo. [2.165, 2.558]
Dikanteny frantsayNi bon ni mauvais, comme la peau d' un lézard. [2.165]

Ohabolana 27Tsy zoin-kabary, ka mitakoko ny androngo, tapa-drambo mirebika dia ny androngo ihany koa. [2.558 #4813]
Tsy zoin-kabary ka mitakoko ny vorondolo; tapa-drambo vao mirebika ny androngo; migadra tenany ihany ny biby. [2.165 #2292]

Ohabolana 28Valaben' ny androngo ny ampiantany, fa tsy misy mpiahy. [2.415 #2756, 2.653 #3597, 2.558]
Dikanteny frantsayLes murs en terre sont les grands enclos des lézards car personne n' a soin d' eux. [2.415 #2756]
Fanazavana frantsaySe disait des petits qui ne peuvent compter que sur eux-mêmes. [2.415 #2756]

Fizahan-teny