Fizahan-teny

Ohabolana : anio

Ohabolana 1Akoholahy tsy maneno anio, rahampitso mbola andro. [2.415 #3449]
Dikanteny frantsayCoq qui ne chante pas aujourd' hui, chantera demain. [2.415 #3449]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui savent supporter une défaite et se relèvent comme le coq battu, qui ne chante pas le jour de sa défaite, mais entonne de nouveau son chant le lendemain. [2.415 #3449]

Ohabolana 2Aleo ho faty ampitso, toy izay ho faty anio. [2.165 #2099, 2.653 #89]
Aleo maty rahampitso, toy izay maty anio. [2.558 #128]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux mourir demain qu' aujourd' hui. [2.165 #2099]

Ohabolana 3Anio milelaka ny lefona, ka no rahampitso dia hiohatra ny mandà. [2.558]

Ohabolana 4Aza manao hoe: irý trafo ampitso; tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.653 #464]
Aza manao hoe : irý trafo rahampitso tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.558]

Ohabolana 5Aza manjehy andro lava, fa ny anio aza tsy fantatra. [2.558 #688]
Aza manjehy ny andro ho lava. [2.653 #577, 2.974 #465]
Dikanteny frantsayNe comptez pas sur la longueur de votre vie. [2.974 #465]

Ohabolana 6Aza miovaova: ka anio ho ondry bobo, ary rahampitso ho mena loha. [2.165]
Dikanteny frantsayNe soyez pas changeant: aujourd' hui un mouton à tête blanche et demain un mouton à tête rouge. [2.165]

Ohabolana 7Basy ambiaty ka tapaka anio soloana rahampitso. [2.558 #851]
Basy ambiaty, tapaka anio dia soloana rahampitso. [2.415 #1498, 2.165]
Dikanteny frantsayFusil d' enfant, fait avec une tige creuse de l' arbre ambiaty : cassé aujourd' hui, il est remplacé demain. [2.415]
Un fusil (jouet) formé d' une tige creuse d' "ambiaty" (arbuste): s' il se casse aujourd' hui, on le remplace demain. [2.165]
Fanazavana frantsayCela ne coûte pas cher! [2.165]
Chose sans valeur. [2.415]

Ohabolana 8Boka mievina : afa-drofy anio, fa mivindina rahampitso. [2.415 #1963, 2.653 #789]
Dikanteny frantsayLépreux qui éternue : on lui souhaite aujourd' hui d' être exempt de toute maladie, mais dès le lendemain son corps est plein de tumeurs. [2.415 #1963]

Ohabolana 9Donga andro anio hoatry ny lainga. [2.415 #4917]
Donga andro anio, ohatra ny lainga. [2.653, 2.974]
Donga takona, fa botry mifanatrika. [2.653]
Dikanteny frantsayAujourd’hui gros et gras, comme le mensonge. [2.974 #141]
Il est gras aujourd' hui comme le mensonge. [2.415 #4917]
Fanazavana frantsayLe mensonge est gras tant qu' il n'est pas découvert, mais il devient maigre en présence de la vérité. [2.415 #4917]

Ohabolana 10Fihavanan' Imamoladahy : anio toa tsy hisaraka, ampitso toa tsy hihaona. [2.558]
Fihavanan' Imamoladahy : anio toa tsy hisaraka ; ampitso toa tsy hiray. [2.415 #3642, 2.653 #956]
Dikanteny frantsayAlliance d' Imamoladahy : aujourd' hui c' est comme si on ne devait jamais se séparer ; le lendemain c' est comme si on ne devait jamais se réconcilier. [2.415 #3642]

Ohabolana 11Hivady tsy to' inona, ary hisaraka anio ihany. [2.415 #1194]
Dikanteny frantsaySe marier, pour les esclaves, c' est la moindre des choses ; et se séparer, il le feront aujourd' hui même si cela leur passe par la tête. [2.415 #1194]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des mariages faits sans formalités à la manière des esclaves qui se mariaient ainsi ; il se disait aussi des mariages qui n' étaient pas stables, et de toutes les affaires entreprises et laissées facilement. [2.415 #1194]

Ohabolana 12Homeko azy ny anio tontolo andro, fa ny farany ho ahy. [2.415 #3643]
Dikanteny frantsayJe lui donne le présent en échange de l' avenir. [2.415 #3643]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andriantompokoindrindra en faveur de son frère Andrianjaka, pour assurer à ses descendants, certains avantages stipulés ; elles sont passées en proverbe. [2.415 #3643]

Ohabolana 13Izay tondraka anio manan-jara, fa izay ampitso ka hitanao ! [2.974 #496]
Izay tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka hitanao. [2.415 #2709]
Izay tondraka anio manan-jara; izay ho ampitso ka ho hitanao. [1.1]
Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao. [1.1]
Fanazavana malagasyFitenin' ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy. [1.1]
Fitenin' ireo mpirobaroba izay tsy mitsinjo ny ho avy fa faly ny handany anio izay azo anio ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui jouit de l' abondance aujourd' hui a de la chance, car le jour de demain est incertain. [2.415 #2709]
Heureux ceux qui sont arrosés aujourd’hui ; car qui peut prévoir ce que sera demain ! [2.974 #496]

Ohabolana 14Manao ohatra ny mpitrosa mahay: anio tsy mamoa-javatra, ampitso mifehy trano, afak’ ampitso lasa-davitra. [2.653, 2.558]

Ohabolana 15Manenji-balala maina andro, ka raha tsy azoko anio, azoko ampitso. [2.415]
Manenji-balala main-andro, ka raha tsy azoko anio, azoko ampitso. [2.653 #1608]
Manenji-balala main' andro, ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso. [2.558 #2096]
Misambo-balala maina andro, ka raha tsy azoko anio, azoko ampitso. [2.415]
Dikanteny frantsayPoursuite de sauterelles par un jour de clair soleil : si je ne les prends pas aujourd' hui, je les prendrai bien demain. [2.415 #5858]
Fanazavana frantsayPar un temps sec, les sauterelles volent bien ; on espère que la pluie viendra et que la prise sera plus facile, car les sauterelles auront les ailes mouillées. Il ne faut pas se décourager au premier insuccès. [2.415 #5858]

Ohabolana 16Mpanakalo rano merik' andro, ka izay rahampitso no asa fa ny anio hariam-potsiny. [2.558 #2570]

Ohabolana 17Ny fanompoana ny manjaka : anio dia anio, maraina dia maraina, alina dia alina. [2.415 #386]
Dikanteny frantsayOn ne remet pas à plus tard le service du souverain, la corvée : si c'est aujourd' hui, il faut s' y mettre aujourd' hui ; si c' est le matin, le matin ; si c' est la nuit, la nuit. [2.415 #386]

Ohabolana 18Ny lainga tombon-dahiny anio fa intelo fatiantoka rahampitso. [2.558 #3058]

Ohabolana 19Ny olo-marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.415 #2968]
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.165]
Dikanteny frantsayGens honnêtes : ils sont comme les taureaux que l' on pousse au combat : pas vaincus aujourd' hui, jamais tués. [2.415 #2968]
Les honnêtes gens sont comme les taureaux que l' on pousse dans le combat: ils ne sont pas vaincus aujourd' hui, et ils ne sont jamais tués. [2.165]

Ohabolana 20Ny olombelona voatr' ampangoro ka mifamadibadika ambony sy ambany. [2.558 #3185]
Ny olombelona voatr' ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany. [2.165 #5]
Ny olombelona voatr’ ampangoro: mifandimby ambony sy ambany. [2.653 #2372, 2.974 #472]
Voatr' ampangoro ny olombelona, ka mifandimby ambony sy ambany : zokiny anio, zandriny rahampitso, fa Andriamanitra no misahala. [2.415 #2758]
Voatr' ampangoro ny olona, ka mifandimby ambany sy ambony : zokiny anio, zandriny rahampitso, fa Andriamanitra no misahala. [2.415 #2758]
Dikanteny frantsayIl en est des hommes comme du riz cuit qu'on retire de la marmite : ce qui était dessus passe dessous, et ce qui était dessous passe dessus ; tel est grand aujourd'hui qui sera petit demain : Dieu égalise et donne à chacun ce qui lui revient. [2.415 #2758]
Les hommes ressemblent au riz cuit qu’on tire de la marmite : ce qui était dessus passe dessous, et inversement. [2.974 #472]
Les hommes sont comme le riz qui bout dans la marmite, ils sont tantôt en haut, tantôt en bas. [2.165 #5]

Ohabolana 21Ny toerana ela maharairoy, fa ny omaly tsy anio intsony. [2.558 #3299]

Ohabolana 22Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso. [2.653 #2491, 2.974 #336]
Ny vola tsy mandry lalana toy ny rano: tonga anio, fa lasa rahampitso. [2.165]
Dikanteny frantsayL' argent est comme l' eau: et ne s' arrête pas (litt. ne couche pas) en route, il arrive aujourd' hui et demain s' en va. [2.165]
L’argent ressemble à l’hôte de passage : aujourd’hui il arrive, demain il n’est plus. [2.974]

Ohabolana 23Omaly hianao misolanga ho tandrony, ka anio no misafelika ho sofiny. [2.558 #3401]
Omaly hianao nisolanga ho tandrony, ary anio hianao misafelika ho sofiny. [2.165]
Dikanteny frantsayHier vous montiez comme des cornes, aujourd' hui vous pendez comme des oreilles. [2.165]

Ohabolana 24Omaly hianao vao nihabe maso, ary anio hianao mangidy ro am-boafotsy. [2.653 #2543]
Omaly hianao vao nihabe maso ary anio mangidy ro am-boafotsy. [2.558]

Ohabolana 25Omaly irỳ ny lalana, anio itỳ ny lalana [1.1 #525]
Fanazavana malagasymety hiova ny haleha noho ny anton-javatra, sady tsy mety koa raha manao lalan-kitankisoa [1.1 #525]

Ohabolana 26Raha tsy azoko anio ialahy ry ambolo bitaka, ry ambolo matavy, azoko rahampitso [2.470]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no farany. [2.165 #1700, 2.415 #2127]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no sisa. [2.558]
Zozoro miantaha rano : sangasanga no farany. [2.653 #3790]
Dikanteny frantsayDes joncs qui ne profitent pas de l' eau, le panache seul sera utilisable (ou: restera). [2.165 #1700]
Joncs qui ne profitent pas de l' eau : il n' en restera que le panache. [2.415 #2127]

Ohabolana 27Sambo-balala maina andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso. [1.1]
Sambo-balala mainandro : raha tsy azo anio, azo ampitso. [2.974 #27, 2.653]
Sambo-balala main' andro : raha tsy azoko anio, azoko rahampitso. [2.558 #3821]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa azo atao amin' ny andro hafa izay manahirana anio, fa manova zavatra ny fotoana. [1.1]
Dikanteny frantsayChasse aux sauterelles par un jour sec : si on les manque aujourd'hui, on les aura demain... [2.974 #27]

Ohabolana 28Soavalin' ny manamboninahitra : koa raha maty anio, soloana rahampitso. [2.165 #1438, 2.415 #681]
Soavalin' ny ofisidepelanina, ka maty anio, soloana rahampitso. [2.558 #3905]
Dikanteny frantsayCheval d' un officier : s' il meurt aujourd' hui, demain il est remplacé. [2.415]
Le cheval d' un officier (du royaume malgache, autrefois): s' il périt aujourd' hui, il est déjà remplacé demain. [2.165]

Ohabolana 29Tahaka ny valalanamboa diso ny namany : omaly lasa, anio eto kosa. [2.165 #1024, 2.653 #2967, 2.558]
Dikanteny frantsayPareil à une "sauterelle de chien" séparée de ses compagnes: hier elle était partie, et aujourd' hui elle revient. [2.165]
Fanazavana frantsayLa sauterelle de chien est une grosse sauterelle tachetée. [2.165]

Ohabolana 30Voro-damba atakalo patsa : ny iray tafiana anio, dia rovitra ; ny iray hanina anio, dia lany. [2.653 #3741]
Voro-damba atakalo patsa: ny iray tafina anio dia rovitra, ary ny iray hanina anio ka lany. [2.165]
Dikanteny frantsayDes haillons échangés contre des chevrettes: les uns seront portés et usés en un jour et les autres seront mangées et consommées en un jour aussi. [2.165]
Fanazavana frantsayDonc, il n' y a pas là de quoi se disputer. [2.165]

Ohabolana 31Zanak' ondry tao afovoan' ny amboadia, ka ampitso toa ho rava, anio toa ho velona. [2.415 #2835]
Dikanteny frantsayBrebis parmi les loups : demain il semble qu' elle sera mise en pièces, aujourd' hui, il semble qu' elle vivra. [2.415 #2835]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui sont dans l'expectative, dans une crainte continuelle. [2.415 #2835]

Fizahan-teny