Fizahan-teny

Ohabolana : anti-dahy

Ohabolana 1Antibavy kendan-drano : lany raha niangonana. [1.147 #A81]
Antidahy kendan-drano: lany raha niangoana. [2.165]
Fanazavana malagasyAnti-dahy kendan-drano, lany rehaka. + Ny rano no sisa zavatra ireharehan-drangahy, fa hany sisa laniny, fa ny zavatra rehetra efa tsy omby ny tendany avokoa; nefa io indray aza nahakenda azy. [2.165]

Ohabolana 2Be anjonanjona toa anti-dahy voan-kanina. [2.415 #1837]
Mianjonanjona ohatra ny anti-dahy voan-kanina. [2.558]
Mianjonanjona toa anti-dahy voan-kanina. [2.415 #1837]
Mianjonanjona, toy ny anti-dahy voan-kanina. [2.653 #1726]
Dikanteny frantsayFier mais embarrassé comme le vieillard qui est bien repu. [2.415 #1837]

Ohabolana 3Manao anti-dahy be : tahina, tomany. [2.415 #1831]
Dikanteny frantsayFaire comme les vieillards : on les soigne et ils pleurent. [2.415 #1831]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne sont jamais contents. [2.415 #1831]

Fizahan-teny