Fizahan-teny

Ohabolana : basy

Ohabolana 1Ady basy aman-defona. [2.415 #6265]
Dikanteny frantsayCombat au fusil et à la lance. [2.415 #6265]
Fanazavana frantsayCombat acharné. [2.415 #6265]

Ohabolana 2Angalisa rovi-kazo, ka anarany no sisa. [2.165 #1331]
Angalisa rovi-kazo, ka anaran-tsy very no sisa. [2.558]
Angalisa rovi-kazo, ka ny anarana no sisa. [2.415 #407]
Angalisa rovi-kazo : ny anarany no sisa. [2.653 #229]
Basy angalisa rovi-kazo: anaran-tsy very no sisa. [1.1]
Fanazavana malagasyEntimilaza zavatra, na olona koa aza, izay nahavita be tamin' ny androny, nefa efa antitra na simba ka ny anarany sisa mijanona. [1.1]
Dikanteny frantsayFusil anglais dont la crosse est usée : le nom seul lui reste. [2.415 #407]
Un fusil dont le fût est vermoulu, il n' a plus de fusil que le nom. [2.165]
Fanazavana frantsay"Angalisa" est le nom du mousquet à pierre introduit à Madagascar d'Angleterre, il y a une centaine d' années. [2.165]
Se disait des guerriers usés par l' âge et la maladie ; et aussi de toutes les personnes ou choses usées. [2.415 #407]

Ohabolana 3Basy ambiaty ka tapaka anio soloana rahampitso. [2.558 #851]
Basy ambiaty, tapaka anio dia soloana rahampitso. [2.415 #1498, 2.165]
Dikanteny frantsayFusil d' enfant, fait avec une tige creuse de l' arbre ambiaty : cassé aujourd' hui, il est remplacé demain. [2.415]
Un fusil (jouet) formé d' une tige creuse d' "ambiaty" (arbuste): s' il se casse aujourd' hui, on le remplace demain. [2.165]
Fanazavana frantsayCela ne coûte pas cher! [2.165]
Chose sans valeur. [2.415]

Ohabolana 4Basy atifi-baratra ka ny kely indray no maninana ny lehibe. [2.558 #852]
Basy atifi-baratra, ka ny kely indray no mitifitra ny lehibe. [2.165 #1342]
Basy atifi-baratra : kely mihaika ny lehibe. [2.415]
Basy atifi-baratra: ny kely indray no kely mihaika ny lehibe. [2.653 #739]
Basy atifi-baratra: ny kely indray no mitifitra ny lehibe. [2.653 #739, 2.974 #31, 2.415]
Dikanteny frantsayFusil avec lequel on tire sur la foudre : c' est un petit qui tire sur un grand et le provoque. [2.415 #760]
Fusil qui tire vers la foudre; c’est le petit qui provoque le grand. [2.974 #31]
Un fusil servant à tirer sur la foudre: c' est le plus petit qui s' attaque au plus grand. [2.165]
Fanazavana frantsayLes petits ne doivent pas s' attaquer aux grands. [2.415 #760]

Ohabolana 5Basy atifi-kavana : arangaranga lahatea. [1.147 #B4]
Basy atifi-kavana ka arangaranga ihany. [1.1]
Basy atifi-kavana : tsy afenina fa arangaranga. [2.558 #866]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy mba mihatsaravelatsihy ny tena ka na hamely aza dia aharihary ny atao. [1.1]

Ohabolana 6Basy jala fito : tsy azoñi ty latsa, tsy ahoañi ty pañarivo. [1.68]
Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana. [1.1]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory. [2.558 #850]
Basin' ariary fito: tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny malahelo. [1.1]
Basin’ ariary fito: tsy tian’ ny mpanana, tsy takatry ny malahelo. [2.653]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito: tsy takatry ny malahelo, tsy tian' ny mpanana. [2.165]
Dikanteny frantsayDouteux comme un fusil de sept piastres: les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [2.165]
Un fusil à trente-cinq FMG : ceux qui sont pauvres ne peuvent l'acquérir, les riches le dédaignent. [1.68]

Ohabolana 7Basy mahalasa lavitra. [2.415 #4744]
Tafondro mahalasa lavitra. [2.415 #4744]
Dikanteny frantsayCe sont fusils ou canons qui portent loin. [2.415 #4744]
Fanazavana frantsaySe disait des paroles ayant une longue portée. [2.415 #4744]

Ohabolana 8Basy mamahan-tenany. [2.415 #2073]
Dikanteny frantsayC' est un fusil qui se charge tout seul. [2.415 #2073]
Fanazavana frantsaySurnom donné par le sage Andriamampandry, conseiller du roi, à l' un des fils d' Andriamasinavalona, pour dire qu' il était sans sagesse ; on l' appliquait à ceux qui, venus en visite, ne mangeaient que ce qu'ils avaient apporté. [2.415 #2073]

Ohabolana 9Basy tapaka talata : tsy ananan-tsininy. [2.558]

Ohabolana 10"Fara fahitana izao" , hoy ilay voa bala amin' ny masony. [2.165 #2050]
Fara fahitana izao," hoy ilay voa basy amy ny masony. [2.653 #932]
"Fara fahitana izao" hoy ilay voa basy amin' ny masony. [2.415 #2787]
Dikanteny frantsayC' est pour la dernière fois que je vois, dit celui qui a reçu un coup de fusil dans l' oeil. [2.415]
"J' ai fini d' y voir" , dit celui qui vient de recevoir une balle dans l' œil. [2.165 #2050]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : voir trente-six chandelles. [2.415 #2787]

Ohabolana 11Fehy tafik' Andrianalinalina : tsy basy mipoaka, tsy ra mandriaka, ka fatin' olona koa eran-tany. [2.415 #418]
Dikanteny frantsayConduire l' armée à la manière d' Andrianalinalina : les fusils ne partent pas, le sang ne coule pas, et cependant la terre est jonchée de cadavres. [2.415 #418]
Fanazavana frantsayLe chef Andrianalinalina administrait le tanguin à ses soldats qui mouraient empoisonnés. Se disait des chefs qui traitaient mal leurs soldats. [2.415 #418]

Ohabolana 12Hanao akory amin' ny efa nanaiky : hiady ka tsy niady fe be basy! [2.558]
Hanao akory efa nanaiky : hiady, ka tsy niady fe be basy. [2.415 #423, 2.653 #1022]
Dikanteny frantsayQue pouvez-vous prétendre une fois soumis ? combattre ? pourquoi ne l' avez-vous pas fait alors que vous aviez beaucoup de fusils ? [2.415 #423]
Fanazavana frantsayFormule pour dire qu'il faut se soumettre, et dans un sens plus général, qu' il est trop tard pour revenir en arrière. [2.415 #423]

Ohabolana 13Mahafinaritra ahy ny fitanany basy na tsy mahay mitifitra aza. [2.558]

Ohabolana 14Manondro basy. [2.415 #357]
Dikanteny frantsaySe révolter, c' est diriger les fusils vers les chefs. [2.415 #357]

Ohabolana 15Mpanihika ka manadino tandroho; mpianala ka manadino famaky; mpitifitra ka manadino bala. [2.165 #1724]
Mpanihika manadino tandroho, mpianala manadino famaky, mpitifitra manadino basy : andao hiverina fa rahampitso manaraina. [2.558 #2594]
Dikanteny frantsayÊtre pêcheur (au panier) et oublier son panier; être bûcheron et oublier sa hache; être tireur et oublier ses balles. [2.165]

Ohabolana 16Raha longo adala, izaho mba basy. [2.653, 2.558]

Ohabolana 17Toy ny Vazaha matim-basy, ka matin-java-nataony. [2.165 #1393]
Vazaha matim-basy, ka matin-java-natao. [2.415 #3627]
Vazaha matim-basy : matin-draha hainy. [1.147 #V43]
Vazaha matim-basy : matin-java-natao. [2.558 #319, 2.653 #3654, 2.974 #290]
Dikanteny frantsayBlanc tué par un fusil : il est tué par son propre ouvrage. [2.415 #3627]
Pareil à un "Vazaha" tué par un fusil; il a été tué par une chose qu' il a faite lui-même. [2.165]
Quand un vazaha meurt d’un coup de fusil, il est victime de sa propre invention. [2.974 #290]
Fanazavana frantsayAllusion au fait que les fusils venaient des Européens ; ce proverbe se disait de l' homme pris dans ses propres paroles ou victime de ses propres actions ; dans la guerre franco-hova, le chef Rakoto se servait de ce proverbe pour dire que les Malgaches se serviraient du fusil pour tuer les Français. [2.415 #3627]
Le terme de "Vazaha" ne s' appliquait pas à tous les étrangers, mais seulement aux blancs d' Europe et d' Amérique, et non aux Hindous ou aux Arabes. [2.165]

Ohabolana 18Toram-poana, tahaka an-drangahy Andriandambo, nolalovan' ny basin-dRabevitsika. [2.558 #270]
Toram-poana tahaka an-drangahy Andriandambo nolalovan' ny vava basin-dRabevitsika. [2.415 #5734, 2.653 #3146]
Dikanteny frantsayDéfaillir pour un rien, comme monsieur Andriandambo près duquel a passé la gueule du fusil de Rabevitsika. [2.415]

Ohabolana 19Tsy hanondro basy an' Ambohimanga sy Antananarivo. [2.415 #463]
Dikanteny frantsayJe ne dirigerai pas mon fusil contre Ambohimanga et Tananarive. [2.415 #463]
Fanazavana frantsayParoles dites par le roi de l' Imamo à Andrianampoinimerina pour l' assurer de ses intentions pacifiques. [2.415]

Fizahan-teny