Fizahan-teny

Ohabolana : fotaka

Ohabolana 1Aza lalim-panihika fandrao mihatra amin' ny fotaka. [2.558 #460]
Lalim-panihika ka sendra ny fotaka. [1.1 #526]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo ta hahazo trondro diso tafaohatra kanjo fotaka no azo; fananarana mba tsy hikendry fotsiny ny hahazo betsaka fa izay tsara sy mendrika, na kelikely aza. [1.1 #526]

Ohabolana 2Efa raharaha hatao ihany, hoy ilay vinanto naka fanafody, dia nitondra fotaka. [2.558 #1025]

Ohabolana 3Horirika am-body fotaka : ny vony no mitsangan-ko zokiny. [2.415 #4495, 2.558 #92, 2.653 #1101]
Dikanteny frantsayArum comestible qui est à l' endroit où se déverse le purin du parc à boeufs : ce sont les feuilles jaunes qui ont l' air d' être les meilleures. [2.415]

Ohabolana 4Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amy ny elnkela-tanana; hazonina moramora, lany mitsika. [2.653 #1475]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amin' ny elakela-tanana ; hazonina moramora, lany mitsika. [2.415 #293]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy miporitsaka, tazonina mora lany mitsika. [2.558 #1950]
Dikanteny frantsaySerrer dans les mains de la vase coulante : si on la serre fortement, elle s' échappe par les intervalles des doigts ; si on la retient mollement, elle s' en va tout entière goutte à goutte. [2.415 #293]
Fanazavana frantsayLe gouvernement des hommes est difficile : il faut éviter les excès de sévérité et de faiblesse. [2.415 #293]

Ohabolana 5Miala fotaka. [2.415 #3701]
Dikanteny frantsaySe débarrasser de la boue. [2.415 #3701]
Fanazavana frantsaySe disait d' un repas fait après un travail fatiguant comme le travail des rizières. [2.415 #3701]

Ohabolana 6Ny fitondrana ny olona tahaka ny fotaka : fihinina mafy miporitsaka, fa kenakenaina no ahatanana azy. [2.558 #3010]
Ny fitondrana ny olona toy ny fotaka : raha gejana mafy loatra, dia miporiatra, fa kenakenaina no hahatanana azy. [2.415 #6522, 2.653 #2238]
Ny fitondrana ny olona toy ny fotaka : raha giazana mafy loatra dia miporiatra ; tsia, fa kenakenaina no hahatanana azy. [2.974 #271]
Dikanteny frantsayGouverner les hommes c' est comme si on portait de la vase : trop serrée la vase s' échappe ; pour la retenir il faut la porter avec soin dans les mains. [2.415 #6522]
Le gouvernement des hommes est comme la boue : à vouloir presser trop fort, on aboutit à des éclaboussures ; non, il faut porter cela avec précaution. [2.974 #271]

Ohabolana 7Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany. [2.165 #546]
Ny teny ratsy fotaka eo am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany. [2.653 #2446]
Ny teny ratsy toy ny fotaka eo am-baravarana, ka samy manilika ny eo am-baravarany. [2.558 #3285]
Dikanteny frantsayLes mauvaises paroles sont comme de la boue devant la porte, et chacun pousse de côté celle qui est devant lui. [2.165]

Ohabolana 8Toy ny adala manihika: atao ambany, mitondra fotaka; atao ambony, mitondra volon-drano. [2.165]
Toy ny fanihik' adala : atao ambany, mitondra fotaka ; ambony, mitondra volon-drano. [2.415 #2119]
Dikanteny frantsayImbécile qui fait la pêche au panier : ou bien il va en bas et ramasse de la vase, ou bien il va en haut et ramène des herbes. [2.415 #2119]
Un imbécile qui pêche au panier: tantôt il l' enfonce trop et ramasse de la boue, tantôt il ne l' enfonce pas assez et attrape des herbes. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des imbéciles qui ne font jamais rien de bien. [2.415 #2119]

Fizahan-teny