Fizahan-teny

Ohabolana : hahazo

Ohabolana Fandri-boron' Ambohidralambo : ny tsy mamandrika manantena hahazo. [Rinara 1974]
Fandri-boron’ Ambohidralambo: ny tsy maman-drika no manantena hahazo. [Veyrières 1913 #5750, Cousins 1871 #921]
Dikanteny frantsay Lacet à prendre les oiseaux chez les gens d' Ambohidralambo : ceux qui ne posent pas de lacet, espèrent prendre du gibier. [Veyrières 1913 #5750]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui attendent l' impossible. [Veyrières 1913 #5750]

Ohabolana Hanina azy fa toa tsy hahazo, hoy ilay boka manani-boara. [Rinara 1974 #1271]
Hanina azy, toy ny boka manani-boara. [Veyrières 1913 #1999]
Hanina azy, toy ny boka nanani-boara. [Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Pur regret, comme le lépreux qui est monté sur un figuier. [Veyrières 1913 #1999]
Fanazavana frantsay Se disait de l'impuissance. [Veyrières 1913 #1999]

Ohabolana Izay miaritra ny mangidy voantondro dia hahazo ny mamy irain-jehy. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Ceux qui savent supporter un doigt d' amertume, trouveront un empan de douceur. [Veyrières 1913 #5269]
Fanazavana frantsay La constance et la peine sont récompensées, et après l' amer vient le doux. [Veyrières 1913 #5269]

Ohabolana Manaova soa ho hitan' ny olona hahazo dera amin' ny olona. [Veyrières 1913 #2949]
Dikanteny frantsay Faites le bien pour être vu des hommes et recevoir leurs louanges. [Veyrières 1913 #2949]

Ohabolana Mangataha mba hahazo. [Veyrières 1913 #2523]
Dikanteny frantsay Demandez pour obtenir. [Veyrières 1913 #2523]

Ohabolana Rafotsibe maka rindra : ny tsy hahazo ahina, ny tsy hahazaka ahina. [Rinara 1974 #3506]

Ohabolana Raha an-tsingoloka no hatao dia ny vorombazaha no hahazo be. [Rinara 1974 #231]
Raha antsongoloka no atao, ny vorombazaha no hahazo aloha. [Veyrières 1913 #5032, Cousins 1871 #2639]
Raha ny an-tsingoloka no ahazoana, ny vorombazaha no mahazo aloha. [Houlder 1895 #2298]
Dikanteny frantsay Si on use de perfidie, comme ceux qui mettent la tête en bas, pour prendre les biens d' autrui, ce sont les canards qui prendront les premiers, car ils mettent la tête en bas pour chercher leur nourriture. [Veyrières 1913 #5032]
Fanazavana frantsay Se disait par moquerie de ceux qui cherchaient une occasion pour voler. [Veyrières 1913]

Ohabolana Salasala toy ny mitery ombin-drafozana : mirerarera toa tsy hahazo, hisikina toa hamono zanak' omby. [Rinara 1974]
Salasala, toy ny mitery ombin-drafozana : mirerarera, toa tsy hahazo ; misikina, toa mivolon-ko tompony ; misaron-doha, toa miavona ; mipetraka, ataon' ny olona ho amboa. [Veyrières 1913 #1475, Cousins 1871 #2850]
Dikanteny frantsay Embarrassé comme un gendre qui va traire la vache de son beau-père : s' il n'y met pas assez d' ardeur, il ne réussira pas ; s' il en met trop, il aura l' air d' être le maître ; s' il se couvre la tête, il a l' air d' être fier ; s' il s' assied, on le prend pour un effronté. [Veyrières 1913 #1475]
Fanazavana frantsay Le gendre a la situation difficile, il n' est pas considéré comme le fils. [Veyrières 1913 #1475]

Ohabolana Tsy mahaleo ny mangidy voatondro, dia tsy hahazo ny mamy irain-jehy. [Veyrières 1913 #2755]
Dikanteny frantsay Il faut savoir supporter un doigt d' amertume pour gagner un empan de douceur. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay On n'a rien sans peine. [Veyrières 1913 #2917]

Ohabolana Vavy antitra maka kitay : midina, manahy ny tsy hahazo; miakatra, manahy ny tsy hahazaka. [Cousins 1871 #3647]
Vavy antitra maka kitay : midina manahy ny tsy hahazo, miakatra manahy tsy hahazaka. [Rinara 1974 #316]

Fizahan-teny