Fizahan-teny

Ohabolana : havia

Ohabolana Mitana ny efa hoatry ny rary havia. [Veyrières 1913 #2092]
Mitana ny efa ohatra ny rary havia. [Cousins 1871, Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Tenir ce qui est fait et qui tient déjà par lui-même, comme les tresses de faiseurs de nattes sans habileté. [Veyrières 1913 #2092]
Fanazavana frantsay Se disait des gens maladroits. [Veyrières 1913 #2092]

Ohabolana Ny sampin-kavia mahay mianjaika ve no niolonolonana aman-kavana. [Rinara 1974 #3237]

Ohabolana Ny sampin-kavia nitopatopa no naharava fanambadiana. [Rinara 1974 #3238]
Ny sampin-kavia nitopatopa no naharava harena. [Rinara 1974 #3238]

Ohabolana Sampin-kavia mahavery ny adala, saina tsy mionona mahalany harena. [Rinara 1974 #3825]

Ohabolana Sikim-balaka mahay mamindra, sampin-kavia, mahay mianjaika. [Rinara 1974 #3886]
Sikim-balaka, mahay mandeha ; sampin-kavia, mahay mihaingo. [Veyrières 1913 #2461, Cousins 1871 #2895, Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Celui qui se ceint les reins sans trop serrer montre qu' il sait marcher, et celui qui jette le bout de son lamba sur l' épaule gauche montre qu' il sait s' habiller. [Houlder 1895]
Qui met un lamba autour de ses reins et laisse pendre un bout sait marcher ; qui se drape de la main gauche sait se parer. [Veyrières 1913 #2461]

Ohabolana Tanana an-kavia sy havanana, ka izay didiana maharary. [Houlder 1895 #1033]
Tanan-kavia sy havanana: izay didia-maharary. [Cousins 1871 #2997, Nicol 1935 #425, Rajemisa 1985]
Tanan-kavia sy havanana ka izay didia-maharary. [Veyrières 1913 #1129, Rinara 1974]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa samy rantsambatan' ny tena ireo ka na iza na iza voadidy aminy, dia samy ren' ny tena maharary tokoa. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay La main gauche et la main droite, que l' on se coupe lune ou que l' on se coupe l' autre, c' est également douloureux. [Houlder 1895]
Main droite et main gauche : quand l'une est blessée, l' autre le sent. [Veyrières 1913 #1129]
Main gauche et main droite : elles souffrent de la môme blessure. [Nicol 1935 #425]
Fanazavana frantsay Les parents ressentent les malheurs de leurs parents. [Veyrières 1913 #1129]

Ohabolana Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [Rinara 1974]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [Veyrières 1913 #1128, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Main droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [Veyrières 1913 #1128]
Fanazavana frantsay Se disait des différends entre parents. [Veyrières 1913 #1128]

Fizahan-teny