Fizahan-teny

Ohabolana : herehina

Ohabolana 1Be herehina ohatra ny mitaiza kely manetsa. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona misahana adidy maro, izay sahala amin' ny vehivavy mitaiza kely ka sady manao raharaha no mikarakara ny zanany. [1.1]

Ohabolana 2Tsy mba maro herehina tahaka ny mason' ny mpandrary, fa tokam-pilana toa siny, ka rano ihany no ampoizina. [2.558 #4544]
Tsy mba maro herehina, tahaka ny mason’ ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, dia ny rano ihany no ampoizina. [2.974 #285, 2.653]
Tsy mba maro herehina, tahaky ny mason' ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, ka dia ny rano ihany no ampoizina. [2.415 #1409]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas regarder plusieurs endroits comme les yeux de la femme qui tresse les nattes, mais il faut n' avoir qu' un but comme la cruche qui n' a de souci que pour l' eau. [2.415 #1409]
Ne pas avoir de multiples préoccupations, comme l’œil de celui qui tresse ; mais n’avoir qu’un métier, comme la cruche qui ne pense qu’à l’eau. [2.974 #285]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait du mari qui ne cherchait plus à changer de femme ; il se disait aussi en général de l' attention qu' on devait apporter à une affaire. [2.415 #1409]

Fizahan-teny