Fizahan-teny

Ohabolana : idirana

Ohabolana 1Aza moramorain' ny mivahiny fa sarotsarotiny hidirana an-trano. [2.558 #806]

Ohabolana 2Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [2.558 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [2.415 #3468, 2.653 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [1.1]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsayVous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [2.415 #3468]
Fanazavana frantsayParoles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [2.415 #3468]

Ohabolana 3Manetsa mahalana: ny ataon’ ny tena ihany no alaina. [2.653]
Manetsa vary mahalana, ka ny atao ihany no idiran' ny fatiantoka. [2.558 #2098]
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina. [2.165 #729]
Dikanteny frantsayPlanter son riz trop espacé, et récolter ce qu' on a fait (c. à. d. récolter peu). [2.165]

Ohabolana 4Miditra an-dranon’ olona, milaka, milaka; idiran’ olona an-drano, milaka mihohotra. [1.147 #M110]
Miditra an-tranon' olona milaka milaka, ka nony idirana an-trano milaka-mihohoka. [2.558 #2278]

Ohabolana 5Miditra an-tranon' olona, misolelaka ohatra ny sifotra, fa nony idiran' an-trano, mikainkona tahaka ny sokina. [2.558]

Ohabolana 6Miditra an-tranon' olona, mitsipy sandry, fa nony idirana an-trano mitan-takolaka. [2.558]
Miditra an-tranon’ olona, mitsipy sandry; ka raha idiran’ olona an-tiano, mitan-takolaka. [2.653]
Tsy mety raha miditra an-tranon' olona mitsipy sandry, fa nony hidiran' olona an-trano mitàn-takolaka. [2.558 #4642]
Tsy mety raha miditra an-tranon' olona mitsipy sandry, ka nony hidiran' olona an-trano mitan-takolaka. [2.415 #4070, 2.653 #3459]
Dikanteny frantsayIl ne sied pas d'agiter les bras en signe de joie quand on entre chez les autres, et de se tenir les joues en signe de tristesse quand on a des visiteurs. [2.415 #4070]
Fanazavana frantsaySe disait des égoïstes, empressés à demander service mais paresseux à rendre eux-mêmes service. [2.415 #4070]

Ohabolana 7Moramorain-tsy bohafina, kanefa raha hidirana an-trano tsemboka orona. [2.415 #4052, 2.653]
Moramorain-tsy bohafina, nefa raha hidirana an-trano tsembok' orona. [2.558 #2562]
Dikanteny frantsayC' est un homme doux et bon, sans qu' on ait besoin de le cajoler ; cependant quand on vient lui rendre visite chez lui, il a le nez plein de sueur. [2.415 #4052]

Ohabolana 8Nidiran' angano fa ny faty halevina indray no hadino! [2.558]
Nidiran’ angano, fa ny faty halevina no hadino. [2.415 #3284, 2.653 #2100]
Dikanteny frantsayRencontrer un malheur, parce qu' on a oublié le corps à enterrer pour se livrer à d' autres occupations. [2.415 #3284]
Fanazavana frantsayLaisser le principal pour l' inutile ou l' accessoire ; c'était une croyance populaire que le manque de soin pour les funérailles portait malheur. [2.415 #3284]

Ohabolana 9Raha baka mahay manorirana hianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [2.165 #412, 2.415 #6379]
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [1.1]
Raha baka mahay mihorirana ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha baka mahay misisika ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha kirongo tsy azo idirana izy dia baka mahay manohana izahay. [2.558 #3590]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsaySi vous avez des cornes dirigées en dehors et pouvez ainsi donner des coups de côté, moi, par contre, j' ai les cornes tournées en dedans et vous ne pourrez pas entrer. [2.165]
Si vous avez les cornes en dehors et si vous savez frapper de côté, moi j' ai les cornes en dedans et vous n' entrerez pas. [2.415 #6379]
Fanazavana frantsayAllusion aux combats des taureaux. [2.165]
Allusion aux combats de taureaux. [2.415 #6379]

Ohabolana 10Rano mafana tsy idiran' amalona. [1.147 #R31]

Ohabolana 11Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana. [1.1]
Toho latsaka am-bovo : mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.415 #3307]
Toho niditra am-bovo : mazava nidirana, fa maizina hivoahana. [2.415 #3307]
Toy ny toho miditra am-bovo, ka mazava idirana fa maizin-kivoahana. [2.558 #4339]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava andro idirana, fa maizina andro ivoahana. [2.653 #3239, 2.974 #234]
Toy ny toho miditra am-bovo: mazava idirana, fa maizina ivoahana. [2.165 #1142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mora sodokan-drendrarendra ka loza no miandry azy vokatr' izan. [1.1]
Dikanteny frantsayComme le toho entré dans la nasse : route claire pour entrer, moins claire quand il s’agit de sortir. [2.974 #234]
Pareil au poisson qui entre dans la nasse: c' est facile (litt. clair) d' y entrer, mais difficile (litt. sombre) d' en sortir. [2.165 #1142]
Poisson toho dans la nasse : le chemin pour entrer est facile à trouver mais la sortie est difficile. [2.415 #3307]
Fanazavana frantsayLes commencements sont faciles, mais plus difficile la fin. [2.415 #3307]

Ohabolana 12Toy ny tandroky ny haolo: kirongo mahazo; baka mahavoa. [2.653, 2.165]
Toy ny tandroky ny haolo : Kirongo mahazo sady tsy azo idirana, baka mahavoa sady mahay manohana. [2.558 #4332]
Dikanteny frantsayComme les cornes des bœufs sauvages: celles qui sont rentrantes sont solides, et celles qui sont divergentes frappent bien. [2.165]
Fanazavana frantsayLes unes et les autres ont leurs avantages. [2.165]

Ohabolana 13Toy ny vava-basy ka izay idirany no ivoahany. [2.165 #2263]
Toy ny vava basy : ka ny idirany no ivoahany. [2.558 #4375]
Toy ny vava basy : ny idirany no ivoahany. [2.415 #461, 2.653]
Vava basy ka ny idirany ihany no ivoahany. [2.558 #4899]
Dikanteny frantsayC' est comme la gueule du fusil : par où entre la charge, par là elle sort. [2.415 #461]
Comme la bouche d' un (vieux) fusil: elle sert d' entrée et aussi de sortie (pour la balle). [2.165]
Fanazavana frantsayFormule proverbiale pour rendre compte de ce qui s' est passé chez soi. [2.415 #461]

Ohabolana 14Tsy mety raha atao hoatry ny latsin-trano : an-trano, tsy mahita hivoahana ; alatrano, tsy mahita hidirana. [2.415 #4094]
Tsy mety raha atao ohatra ny latsin-trano : an-trano, tsy mahita hivoahana; ala-trano, tsy mahita hidirana. [2.653]
Tsy mety raha atao toy ny tery latsin-trano : alatrano tsy mahita hidirana ao an-trano tsy mahita hivoahana. [2.558 #4583]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas traiter quelqu' un comme les lattes du toit de la maison : si elles sont dedans elles n'ont pas la faculté de sortit, et si elles sont dehors elles n'ont pas la faculté de rentrer. [2.415]

Fizahan-teny