Fizahan-teny

Ohabolana : Ikaky

Ohabolana 1Ataony ho aretin’ inona, ka hoe : "Hohaniko ny sisan’ Ikaky". [2.415 #1491, 2.653 #302]
Dikanteny frantsayIl ne sait de quelle maladie souffre son père et il dit : je mangerai les restes des bonnes choses qu' on a données à mon père. [2.415 #1491]
Fanazavana frantsaySe disait de l' égoïsme et de la gourmandise des enfants, qui sans songer aux souffrances de leurs parents, se réjouissaient de manger leurs restes. [2.415 #1491]

Ohabolana 2Aza manao hoe : Itompokolahy Ikaky, fa Rabevoina rain' ialahy. [2.558 #506]
Raha fatin-drain' olona ataony hoe : Rabevoina rain' ialahy, fa raha fatin-drainy kosa dia lazainy hoe Ratompokolahy Ikaky. [2.558 #3564]
Raha fatin-drain’ olona ataony hoe: "Rabevoiny rain’ ialahy!" ary raha fatin-drainy kosa ataony hoe: "Ratompokolahy Ikaky!". [2.653 #2647]
Raha ny ahy, ataonao hoe, rabevoiny rain' ialahy; ary raha ny anao, dia ataonao hoe ratompokolahy ikaky. [1.3]
Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fiangarana amin' ny fitenenana ka raha an' ny tena soasoavina, fa raha an' ny hafa bantibantina. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand il s'agit de mon père mort, vous dites: le malheureux ton père; tandis que pour le vôtre, vous dites: monsieur ou feu mon père. [1.3]
Fanazavana frantsayOn se flatte soi-même et on méprise les autres. [1.3]

Ohabolana 3Mahita loza aho, ry ikaky sy ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no nanarian' ny olona ahy. [2.415 #1571, 2.653]
Mahita loza, ry ikaky sy ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no anarian' ny olona ahy! [2.165 #2203]
Mahita loza ry Ikaky sy Ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no nanarian' ny olona ahy. [2.558 #1886]
Dikanteny frantsayJe suis dans la détresse, ô mon père et ma mère, dit la balle (du grain), car ce n' est qu' à cause de ma maigreur qu' on me rejette (au lieu d' avoir pitié de moi)! [2.165]
Le malheur m' accable, ô mon père et ma mère, dit le grain de riz coulé, car si les hommes m' ont rejeté, c' est à cause de ma maigreur. [2.415 #1571]
Fanazavana frantsayPlaintes de jeune personne qui ne trouve pas à se marier. [2.415 #1571]

Ohabolana 4Mamy ny tany ipetrahan' ikaky sy ineny. [2.415 #1521]
Dikanteny frantsayDouce est la terre où demeurent papa et maman. [2.415 #1521]
Fanazavana frantsayParoles par lesquelles l' enfant exprime son amour filial et son attachement à la terre qui l'a vu naître. [2.415 #1521]

Ohabolana 5Tiana ny terak' ombin' Ikaky, fa raha mandaka kapohina. [2.558 #267, 2.653 #3094, 2.415]
Dikanteny frantsayJ' aime les veaux de mon père ; mais s' ils donnent des ruades, je les frappe. [2.415 #6489]
Fanazavana frantsayOn a beau aimer quelqu'un, on ne peut pas tout lui passer. [2.415 #6489]

Ohabolana 6Veloma ry Ikaky sy Ineny, fa sinibe manga roa hianareo, ka tsy misy tombo sy hala. [2.558 #4921, 2.653 #3658]

Fizahan-teny