Fizahan-teny

Ohabolana : inanina

Ohabolana Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitra hanina no hanihaniny. [Veyrières 1913 #2125]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitran' ny nify no vazivazina. [Rajemisa 1985]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitry ny nify no hanihanina. [Abinal 1888 #843]
Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitry ny nify no vazivazina. [Veyrières 1913 #6333]
Voalavo nanaiki--by : ny tsy laitry ny nify avy no inanina. [Rinara 1974 #4977]
Voalavo nanaiki--by: ny tsy laitry ny nify avy no mba hanihanina. [Cousins 1871 #3695, Nicol 1935]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Celui qui tente l' impossible est comme le rat qui veut ronger le fer et s' attaque à plus fort que lui. [Veyrières 1913 #6333]
Rat qui ronge du fer : pourquoi s’attaquer à plus fort que ses dents ? [Nicol 1935 #291]
Tenter l' impossible, c' est faire comme le rat qui mord du fer : il veut manger ce qui ne peut pas être mangé. [Veyrières 1913 #2125]
Fanazavana frantsay Se disait de ceux qui voulaient l'impossible. [Veyrières 1913 #2125]

Fizahan-teny