Fizahan-teny

Ohabolana : ipetrahana

Ohabolana 1Aza atao am-bozokely tsy mahaleo tady. [2.558 #374]
Aza atao am-bozon-kely tsy mahaleo tady. [2.165 #1360, 2.653 #339]
Aza atao am-bozon-kely tsy mahaleo tady, aza atao miesora ny vody kely hipetrahan' ny vody be, aza atao ny kely tsy mba mamindro. [2.415 #705]
Dikanteny frantsayNe le traitez pas comme un cou frêle auquel on met une corde qu' il ne peut supporter. [2.165]
N' étranglez pas le malheureux qui lutte contre la corde que vous lui avez passée au cou ; ne chassez pas le faible qui a un petit postérieur pour mettre à la place votre gros et puissant postérieur ; n' empêchez pas le petit d' avoir sa part du feu et de se chauffer auprès du souverain. [2.415 #705]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se croire tout permis avec les petits. [2.415 #705]
Ne vous montrez pas trop exigeant envers les petits et les faibles. [2.165]

Ohabolana 2Mamy ny tany ipetrahan' ikaky sy ineny. [2.415 #1521]
Dikanteny frantsayDouce est la terre où demeurent papa et maman. [2.415 #1521]
Fanazavana frantsayParoles par lesquelles l' enfant exprime son amour filial et son attachement à la terre qui l'a vu naître. [2.415 #1521]

Ohabolana 3Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana. [2.165 #106]
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, manaova soa vato fa misy hipetrahana, manaova soa zanaka fa misy hiafarana. [2.558 #2019]
Dikanteny frantsayFaites du bien à une muraille et vous pourrez vous y appuyer; faites du bien à une pierre et vous pourrez vous y asseoir. [2.165]
Fanazavana frantsayLes bonnes actions trouveront toujours leur récompense. [2.165]

Ohabolana 4Ombalahy fohy tandroka no ao am-pahitra, ka ny voatavo fiterena no tsy misy ipetrahany. [2.558 #3404]

Ohabolana 5Voa nahantona, voa naraviravy, izay ipetrahan’ ny aloha no ipetraban’ ny aoriana. [2.653 #3685]
Voa nahantona, voa naraviravy : izay ipetrahan' ny aloha no ipetrahan' ny aoriana. [2.415 #2263]
Voa nahantona, voa naraviravy : izay ipotrahan' ny aloha, no ipotrahan' ny aoriana. [2.558 #4987]
VoaVoa nahantona, voa naraviravy: ka izay ipotrahan' ny aloha no ipotrahan' ny aoriana. [2.165 #1032]
Dikanteny frantsayFruits accrochés, fruits suspendus : là où sont les premiers, sont aussi les autres. [2.415 #2263]
Fruits suspendus, fruits pendillants : où le premier tombe (en se détachant), les autres tombent aussi. [2.165]
Fanazavana frantsayCorrespond au proverbe français: "tel père tel fils" . [2.165]
Se disait des riches qui gagnent toujours davantage. [2.415 #2263]

Fizahan-teny