Fizahan-teny

Ohabolana : izahana

Ohabolana 1Aza manao halatra ondrin' Imahakà : raha misy mahita, hizahako ny havesany, nony tsy misy mahita dia lasany tokoa. [2.558]
Aza manao halatr' ondrin' Imahakà: ka mody mizaha ny havesany. [2.165]
Aza manao halatr’ ondrin’ Imahakà : mody manao hoe: "Hizahako izay havesany". [2.653]
Halatra ondrin' Imahakà : raha tsy misy mahita dia lasana, fa raha tran' ny olona dia hitsapako ny havesany. [2.558 #1253]
Halatr’ ondrin’ Imahaka : raha hitan’ olona dia hoe : Mba hizahako ny havesany ; fa nony tsy misy mahita, dia ngoahana. [2.653 #1014]
Dikanteny frantsayNe volez pas des moutons à la façon d' Imahakà, lequel (en soulevant un mouton pour l' emporter) prétendait seulement le soupeser. [2.165]
Fanazavana frantsayImahakà est, avec son compère Ikotofetsy, un fripon fameux des contes malgaches. [2.165]

Ohabolana 2Aza ny tarehy mavomavo no izahana, fa ny havany any Dilambato. [2.653 #701]
Ny tarehiko mavomavo angaha no izahanao, fa tsy ny havana avy any Dilambato. [2.415]
Ny tarehiko ratsy angaha no izahanao, fa tsy ny havana avy any Dilambato. [2.415]
Dikanteny frantsayVous ne regardez probablement que ma vilaine figure et vous ne voyez pas le parent qui vient de Dilambato. [2.415 #1226]
Fanazavana frantsayAllusion à la légende d'une personne laide qui comptait sur ses parents pour se marier. [2.415 #1226]

Ohabolana 3Manehoeho hoatry ny angaroha babo : raha maneno, mahavaky toby, kanjo nony izahana, kely. [2.415 #5702]
Manehoeho ohatra ny angaroa babo: maneno maneno mahavaky toby, kanjo nony zahana kely ihany. [2.558]
Manehoeho, ohatra ny angaroa babo : raha maneno, mahavaky toby ; kanjo nony izahana, kely. [2.653]
Dikanteny frantsayRetentissant comme la conque marine prise en butin : quand elle sonne, son bruit disperse tout un camp ; mais quand on s' approche pour la voir, elle est bien petite. [2.415 #5702]
Fanazavana frantsayDe loin c' est quelque chose. Je près ce n'est rien. [2.415 #5702]

Fizahan-teny