Fizahan-teny

Ohabolana : jerena

Ohabolana 1Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ary ny any an-danitra andrandraina koa. [2.974 #301, 2.653]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny any an-danitra koa andrandraina. [2.415 #6200]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny lanitra andrandraina. [2.558]
Toy ny akohokely misotro rano, ka izay azo andrandraina ny lanitra. [2.558 #4248]
Dikanteny frantsayPoule qui boit de l'eau : elle regarde la terre, elle regarde aussi le ciel. [2.415 #6200]
Poule qui boit: un regard vers la terre, puis un regard vers le ciel. [2.974 #301]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait qu'il faut, avant d'agir, envisager non seulement le présent mais l' avenir, qu' il faut réfléchir ; ainsi la poule après avoir pris une gorgée, lève la tête vers le ciel. [2.415 #6200]

Ohabolana 2Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso fa tsy azo hanina, ka jerena ihany. [2.558 #90]
Akondro masaka ifotony aho : tsinjo maso, fa tsy azonao hohanina, fa jerena ihany. [2.415 #1556, 2.653]
Dikanteny frantsayJe suis comme une banane mûre sur pied : les yeux me voient, mais vous ne pouvez pas me manger, il faut vous contenter de me regarder. [2.415 #1556]
Fanazavana frantsayRefus d' une jeune fille aux sollicitations d' un jeune homme. [2.415 #1556]

Ohabolana 3Aza ny firongarongan’ ny voalavo no heverina, fa ny fahakeli-antitry ny totozy. [2.653 #691]
Tsy ny firongarongan’ ny voalavo no jerena ; fa ny fahakely antitry ny totozy no mba jereo. [2.653 #3564]

Ohabolana 4Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra an-tampon, ny loha. [2.415 #20]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, Andriamanitra no ambonin' ny loha. [2.415 #11]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, fa Andriamanitra ambonyloha. [2.415 #6000]
Aza ny lohasaha mangingina no heverina, fa Andriamanitra no ambonin’ ny loha. [2.165 #16, 2.653 #696, 2.974]
Dikanteny frantsayNe comptez pas sur le silence de la vallée, car Dieu est au-dessus de votre tête. [2.974 #52]
Ne comptez pas sur le silence de la vallée car Dieu est toujours là au-dessus de vos têtes. [2.415 #11]
Ne pensez pas que la vallée soit solitaire, car Dieu y est présent et domine tout. [2.415 #20]
Ne te crois pas caché dans la vallée déserte, car Dieu est au-dessus de la tête. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. n' escompte pas la solitude pour faire le mal. [2.165]
Ce proverbe se disait à ceux qui comptent sur la nuit ou la solitude pour faire le mal : Dieu voit tout. [2.415 #11]
Ne comptez pas sur la solitude pour faire le mal, car Dieu vous voit. [2.415 #20]

Ohabolana 5Aza ny sarababen’ ny kintana no jerena, fa ny telonohorefy. [2.974 #102]
Aza ny sarambaben’ ny kintana no jerena, fa ny Telonohorefy. [2.653 #698]
Tsy ny sarambaben' ny kintana, fa ny telonohorefy. [2.415 #5150]
Dikanteny frantsayCe n' est point la multitude des étoiles, mais les trois étoiles du baudrier d' Orion. [2.415 #5150]
Ne vous arrêtez pas au commun des étoiles, mais considérez les trois lumières du baudrier d’Orion. [2.974 #102]
Fanazavana frantsaySe disait de quelqu' un de cher. [2.415 #5150]

Ohabolana 6Aza ny toho mihahy no jerena, fa ny lefona mitsangana. [2.415 #4472]
Aza ny toho mihahy no zahana, fa ny lefo-mitsangana. [2.653 #700]
Aza ny toho mihahy no zahana, fa ny lefona mitsangana. [2.415 #4472]
Tsy ny toho mihahy no mahatahotra, fa ny lefo-mitsangana. [2.165 #1097, 2.558 #4782, 2.653 #3571]
Dikanteny frantsayCe ne sont pas les petits poissons séchant au soleil qui font peur (quand on voudrait bien les voler), mais c' est la lance plantée en terre tout auprès. [2.165]
Ne regardez pas les poissons toho qui sèchent, mais la lance qui se dresse. [2.415 #4472]
Fanazavana frantsayAvertissement à ceux qui sont tentés de voler : qu' ils ne regardent pas l'objet dont ils ont envie, mais qu' ils pensent à la lance prête à punir les larcins. [2.415 #4472]
Celui qui a mis sécher les poissons a planté sa larce là avant de s' en aller, pour marquer son droit et aussi pour montrer qu' il était armé. [2.165]

Ohabolana 7Aza toy ny angady mondro, ka ny hakelezany no jerena, fa ny be efa vitany no hevero. [2.415 #5435]
Dikanteny frantsayNe jugez pas des choses, comme on fait d' une bêche usée, dont on ne voit plus que l' inutilité, sans songer aux longs services qu' elle a rendus ; mais au contraire, pensez à tout le travail qu' elle a accompli. [2.415 #5435]
Fanazavana frantsaySachez reconnaître les services rendus et les bienfaits reçus. [2.415 #5435]

Ohabolana 8Kely jerena toa entam-bazaha. [2.974 #491]
Dikanteny frantsayDe chétive apparence, comme une valise de vazaha. [2.974 #491]

Ohabolana 9Mangalingalin’ ny voara : vitsika anatiny. [1.147 #M82]
Ny fihavanan' ny olona tahaka ny voara : amboloina manitra, fa raha vakina be aloy. [2.558 #2988]
Ny fihavanan’ ny olona toy ny voara : raha am-boloina, manitra ihany ; fa raha verahina, dia be aloy. [2.653]
Ny fitondran-tena tahaky ny voara, ka raha verahina, vitsika. [2.415 #3049]
Toy ny voara izy: jerena, toa mandina, fa raha verahina, vitsika daholo no ao anatiny. [2.165 #480]
Toy ny voara : jere-mandina, amboloina manitra, nony verahina feno vitsika. [2.558 #4379]
Dikanteny frantsayIl est comme le "voara" (fruit): il paraît beau au dehors, mais quand on l' ouvre il est plein de fourmis. [2.165 #480]
La conduite est comme une figue sauvage ; si on l' examine en l' ouvrant, elle est pleine de fourmis. [2.415 #3049]

Ohabolana 10Miditra an-tsipiriany, ohatra ny vakan' ny Talaotra. [2.558]
Miditra an-tsipiriany toy ny tohivakan' ny Talaotra. [2.165]
Tohivakan' ny Talaotra, ka miditra an' tsipiriany. [2.415 #342]
Toy ny tohivakan' ny Talaotra : miditra an-tsipiriany, misavorovoro jerena fa milamina am-pitohizana. [2.558]
Toy ny tohy vakan-Talaotra: miditra an-tsipiriany. [2.653 #3240]
Dikanteny frantsayC' est comme les six perles des Arabes qui sont enfilées avec ordre. [2.415 #342]
Fait avec ordre, comme l' enfilement des perles des Talaotra. [2.165]
Fanazavana frantsayLes Talaotra sont une tribu d' origine arabe qui occupe une partie de la côte sud-est de Madagascar. [2.165]
Se disait des six divisions de la noblesse et des six divisions de la caste des Tsiarondahy, descendants des noirs ou serfs royaux ; se disait aussi pour indiquer la filière à suivre, comme dans le chapelet de perles que les Arabes de la côte avaient apporté ; le sens général est qu' il faut agir avec ordre. [2.415 #342]

Ohabolana 11Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aoriana handatsa. [2.415 #6428]
Ny nenina tsy eo aloha hojerena, fa aoriana handatsa. [2.558 #3169]
Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. [1.1]
Ny nenina tsy mba mipetraka hatao mbay lalana, tsy mitsidika hatao mandrosoa, tsy aloha hananatra, fa aoriana handatsa. [2.415 #6429]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaka ny ondry ; fa avy manaraka, tahaka ny alika. [2.653 #2362, 1.1]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaky ny ondry ; fa avy manaraka tahaka ny alika. [2.974 #454]
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaky ny ondry, fa avy manaraka tahaky ny alika. [2.415]
Ny nenina tsy mipetraka hatao "Mbay làlana" , ary tsy mitsidika hatao "Mandrosoa" , fa aoriana vao mandatsa. [2.165]
Toy ny nenina : tsy mitsidika hatao mandrosoa, tsy mipetraka atao mbay lalana, fa aoriana vao avy mandatsa. [2.558]
Dikanteny frantsayLe regret n' est pas assis pour qu' on lui dise: "Laissez-moi passer" , et il ne frappe pas à votre porte pour qu' on lui dise: "Entrez" , mais ce n' est qu' après qu' il' vous insulte. [2.165]
Le regret ne vous précède pas, comme font les brebis, il vous suit comme font les chiens. [2.974 #454]
Le remords ne marche pas en avant comme les brebis qu' on pousse devant soi, il suit comme les chiens. [2.415 #6430]
Le remords n' est pas comme quelqu' un d' assis à qui on demande la permission de passer, ce n' est pas quelqu' un qui fait visite et à qui on dit d' entrer : il ne vient pas avant l' acte pour avertir, mais après pour reprocher. [2.415 #6429]
Le remords n' est point un conseiller prévenant, mais un critique de ce qui a été fait. [2.415 #6428]
Fanazavana frantsayC. à. d. il arrive à votre insu et en ennemi. [2.165]
Il ne vient qu' après l' action. [2.415 #6430]

Ohabolana 12Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika. [2.165 #478]
Raha jerena, toa tantely fiandry andriana, fa nony dinihina, dia hay fanambonim-bary fiandry alika. [2.558]
Dikanteny frantsayA le voir, on l' aurait pris pour un sage, pour du miel digne d' un roi; mais, à l' examen, c' était le dessus du riz, bon pour un chien. [2.165]
Fanazavana frantsayLa partie supérieure du riz cuit dans la marmite et souvent couverte de suie et sent la fumée, et on la donne aux chiens. [2.165]

Ohabolana 13Toy ny voatavo : tsy ny tahony marefo no jerena fa ny voany makadiry. [2.558 #4382]

Ohabolana 14Tsy maso va sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena? [2.165]

Fizahan-teny