Fizahan-teny

Ohabolana : lambo

Ohabolana Aza manantena lambo hiakatra, ka tsy midina any an-ala. [Houlder 1895 #693]
Manantena lambo biakatra, ka tsy midina any an-ala. [Cousins 1871 #1517]
Manantena lambo hiakatra, ka tsy midina any an' ala. [Veyrières 1913 #5855]
Nanantena lambo hiakatra ka tsy nidina an' ala. [Rinara 1974 #2741]
Dikanteny frantsay Il attend que le sanglier vienne, au lieu de descendre le chercher dans la forêt. [Veyrières 1913 #5855]
N' espérez pas voir le sanglier monter tout seul vers vous, alors que vous ne voulez pas aller dans la forêt (pour l' y chasser). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Proverbe analogue au français : attendre que les cailles rôties tombent dans la bouche. [Veyrières 1913 #5855]

Ohabolana Aza manao lambo manoha-dia. [Rinara 1974 #539, Houlder 1895]
Lambo manoha-dia. [Veyrières 1913 #773]
Dikanteny frantsay Ne faites pas comme le sanglier qui se place sur le chemin (du chasseur, qui le tuera). [Houlder 1895]
Un sanglier qui essaie de faire des pas aussi longs qu' un sanglier plus gros que lui. [Veyrières 1913 #773]
Fanazavana frantsay Les Malgaches disaient que les marcassins devenus grands, cherchaient à vaincre et à tuer leur père ; résister aux grands, imiter les supérieurs, vouloir les égaler, lutter contre ses parents. [Veyrières 1913 #773]

Ohabolana Aza manome voan-dambo. [Rinara 1974 #695]
Aza manome voan-dambo ny sasany. [Cousins 1871 #588]

Ohabolana Dian-dambo, ka izay alehan-tanany no alehan-tongony. [Veyrières 1913 #1501, Houlder 1895]
Dian' omby ka ny alehan-tanany no alehan-tongony. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay La marche d' un sanglier: où passent ses pieds de devant, passent aussi ses pieds de derrière. [Houlder 1895]
Marche de sanglier : où les pieds de devant passent, les pieds de derrière passent aussi. [Veyrières 1913 #1501]
Fanazavana frantsay Ce que les parents font, les enfants le font aussi. [Houlder 1895]
Tel père tel fils. [Veyrières 1913 #956]

Ohabolana Fadin-dambo amin' amboa. [Veyrières 1913 #3075]
Tsy afa-dambo amin' amboa. [Veyrières 1913 #3075]
Dikanteny frantsay Ce que les cochons et les chiens ne feraient pas, tant c' est exécrable. [Veyrières 1913 #3075]

Ohabolana Fandrin-dambo. [Veyrières 1913 #1624]
Dikanteny frantsay Se coucher pêle-mêle, sans ordre, c' est faire comme les cochons. [Veyrières 1913 #1624]

Ohabolana Kary finanjike, lambo marimarike. [Poirot & Santio: Vezo]
Dikanteny frantsay Chat sauvage à qui on tend un piège, le sanglier se méfie. [Poirot & Santio: Vezo]

Ohabolana Koha-dambo. [Veyrières 1913 #6754]
Dikanteny frantsay Toux de sanglier. [Veyrières 1913 #6754]
Fanazavana frantsay Se disait d' une toux qui résonne. [Veyrières 1913 #6754]

Ohabolana Lambo an’ ala vahatra an’ ala : izy fokony tsy famola-kongotra. [Samson 1965 #L13]
Lambo añ-ala, vahatra añ-ala; izy mihavana tsy famolak' ongotra. [Houlder 1895]
Fanazavana malagasy Ny lambo any an-ala, ny vahatra (vahatra hazo) any an-ala, mpihavana izy ka tsy hifamola-tongotra. [Houlder 1895]

Ohabolana Lambo anosim-bendrana : matin’ ny tokotany voazara. [Samson 1965 #L14]

Ohabolana Lambo harantana : miriorio tsy mahavaky vontaka. [Samson 1965 #L9]

Ohabolana Lambolahy mandry anaty akondro, ka main' ny nahiny. [Veyrières 1913 #6285]
Lambolahy mifono raty ka main' ny nataony. [Houlder 1895]
Lambolahy mifono raty : main' ny ataony. [Rinara 1974 #118, Cousins 1871 #1316, Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Sanglier qui dort sous les bananiers : c' est de sa faute s' il est brûlé avec les bananiers, lorsqu' on met le feu à la colline. [Veyrières 1913 #6285]
Sanglier qui se cache sous l'écorce sèche de bananier : c'est de sa faute s' il est brûlé avec elle. [Veyrières 1913]
Si un sanglier va se fourrer dans l' écorce sèche des bananiers, il sera brûlé par son fait (quand le feu s' y mettra). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Qui s'expose au danger y périra. [Veyrières 1913 #6335]

Ohabolana Lambolahy mangery vato rao : vodivodian-tay mena. [Samson 1965 #L21]

Ohabolana Lambolahy mihotahota vony : izay mainty tsinay marin-dia. [Rinara 1974 #1716]
Lambolahy nihotahota vony: izay mainty tsinay marin-dia. [Cousins 1871 #1318]

Ohabolana Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [Cousins 1871 #1317]
Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay vaza-mihetsika. [Rinara 1974 #1715, Rajemisa 1985]
Lambolahy nitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [Houlder 1895 #1446]
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Izany hoe hararaotina izay hita, na dia kely dia kely aza, fa aleo homana kely toy izay handry fotsy. [Rajemisa 1985]
Mifaly amin' ny kely hita ambara-pahazo izay tadiavina, aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Un sanglier ayant mâché un moustique: mieux ça que rien. [Houlder 1895]

Ohabolana Lambolahy niandra voatamà : alin’ andro foana. [Samson 1965 #L20]

Ohabolana Lambolahy niseram-bero: tsy himpody, fa handroso. [Veyrières 1913 #6287, Rinara 1974 #1717, Cousins 1871 #1319]
Dikanteny frantsay Sanglier qui traverse une forêt de longues herbes vero : il ne rebroussera pas chemin, mais il avancera. [Veyrières 1913 #6287]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui vont à travers tout. [Veyrières 1913 #6287]

Ohabolana Lambolahy nitevy akondro : raha nitivesina lavo, izy nilefa. [Samson 1965 #L16]

Ohabolana Lambolahy tsy miava saona; amboalahy tsy mondan-kena. [Samson 1965 #L11]

Ohabolana Lambo mampandihy zanaka ka ny an' ny tena tsy mba ratsy. [Rinara 1974 #1718]

Ohabolana Lambo mandom-boara ka ny tsy mandona no voky. [Rinara 1974 #1719, Cousins 1871 #1313]

Ohabolana Lambo mandom-boara : miraingiraingy amin' ny ho hanin' ny ankizy. [Rinara 1974 #1720]

Ohabolana Lambo mitoto-bozaka : tsy mahita ny ora-manelatra. [Veyrières 1913 #4239, Rinara 1974 #1721, Cousins 1871 #1314]
Dikanteny frantsay Sanglier qui se tapit sous les herbes : il ne voit pas l' orage précédé d' éclairs. [Veyrières 1913 #4239]
Fanazavana frantsay Se disait du coupable qui ne voit pas le châtiment imminent. [Veyrières 1913 #4239]

Ohabolana Lambo nandeha, vato nivaringarina : mandehana fa samy ratsy. [Samson 1965]

Ohabolana Lambo nandia hosy : manaraka ny efa, tongotra avy nisasàna manaraka ny madio. [Samson 1965 #L7]

Ohabolana Lambo nanenji-borona, ka nangaihay nony nilaozany eny an-tendron-kazo. [Rinara 1974 #1722]

Ohabolana Lambo nangere an-tanimena ka tsy hay nja mangere ra. [Poirot & Santio: Vezo]
Dikanteny frantsay Sanglier qui crotte sur la terre rouge, on ne sait pas s'il fait du sang. [Poirot & Santio: Vezo]

Ohabolana Lambon-dRatsikonkona : sady tsy mora tsy miady. [Samson 1965 #L8]

Ohabolana Lambo niharo amin’ angatra : niharo ny raha samy raha. [Samson 1965 #L19]

Ohabolana Lambo nihinam-bary : tritry manefa. [Samson 1965 #L17]

Ohabolana Lambo nihànana : laha teto ny lalina. [Samson 1965 #L10]

Ohabolana Lambo nioroka : takotr’ efa. [Samson 1965 #L12]

Ohabolana Lambo rava tsy manangan-tohatra. [Samson 1965 #L6]

Ohabolana Lambo rava tsy manoron-tsihy. [Samson 1965 #L6]

Ohabolana Lambo soso-nify ka nentim--paharazana. [Houlder 1895 #143, Veyrières 1913 #325, Rajemisa 1985]
Lambo soso-nify; nentim--paharazana. [Cousins 1871, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny zanaka na taranaka manahaka ireo ray aman-dreniny eo amin' ny toetra na fomba nolovana taminy. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza toetra nananana hatry ny ela, nolovana tamin' ny razana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Les usages transmis de génération en génération, c' est comme des sangliers qui ont des surdents. [Veyrières 1913 #325]
Un sanglier qui a des surdents: elles lui viennent de ses ancêtres. [Houlder 1895 #143]

Ohabolana Lambo tsy mandry. [Veyrières 1913 #6757]
Dikanteny frantsay Sanglier qui ne dort pas. [Veyrières 1913 #6757]
Fanazavana frantsay Se disait d'une affaire non tranchée. [Veyrières 1913 #6757]

Ohabolana Manao firañetañi ty ajañi alika, mifioke alika mbato, mibabe lambo mbaroa. [Poirot & Santio: Vezo]
Dikanteny frantsay Faire comme l'amitié des chiots, siffler le chien par ici, porter sur le dos un sanglier par là-bas. [Poirot & Santio: Vezo]
Fanazavana frantsay Quand on est riche, on a beaucoup d'amis. [Poirot & Santio: Vezo]

Ohabolana Manao lala raike nihitan-dambo. [Poirot & Santio: Vezo]
Dikanteny frantsay Emprunter le même chemin que le sanglier. [Poirot & Santio: Vezo]
Fanazavana frantsay Chose invariable. [Poirot & Santio: Vezo]

Ohabolana Manenji-dambo alina : manasa anazy mody. [Samson 1965 #M39]
Manenji-dambo hariva ka maniraka azy hody. [Rinara 1974 #2097]
Manenji-dambo hariva: maniraka azy hody. [Veyrières 1913 #3031, Cousins 1871 #1609, Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Poursuivre le soir un sanglier, c' est le renvoyer chez lui. [Veyrières 1913 #3031]
Poursuivre un sanglier le soir ne sert qu' à le faire rentrer dans son repaire (litt. le renvoyer chez lui). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Se disait des fainéants et des mauvais sujets. [Veyrières 1913 #3031]

Ohabolana Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ny ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. [Houlder 1895 #806]
Tsy misy henjana hoatry ny lambo : fa raha mahita ny ampombo, miketraka ho kisoa. [Veyrières 1913 #4636]
Tsy misy henjana ohatra ny lambo, fa raha mahita ny ampombo miketraka ho kisoa. [Cousins 1871, Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Il n' y a pas d' animal aussi vigoureux que le sanglier ; mais quand il voit du son, il s' amollit comme un porc. [Veyrières 1913 #4636]
Se vanter d' être un sanglier, puis, en voyant le son pâteux, descendre au rang de truie (en le mangeant, comme un porc domestique). [Houlder 1895 #806]
Fanazavana frantsay Les passions et l' intérêt amollissent. [Veyrières 1913 #4636]

Ohabolana Miritirity ho lambo sa miketraka ho kisoa? [Cousins 1871 #1819, Rinara 1974]

Ohabolana Mivoa-dambo. [Veyrières 1913 #6587]
Dikanteny frantsay Lorsque les sangliers sortent pour chercher leur nourriture, le soir. [Veyrières 1913 #6587]

Ohabolana Ny hanoanana no mahavery lambo. [Veyrières 1913 #2544]
Dikanteny frantsay C' est la faim qui cause la perte du sanglier. [Veyrières 1913 #2544]
Fanazavana frantsay La faim est mauvaise conseillère. [Veyrières 1913 #2544]

Ohabolana Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [Cousins 1871]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [Nicol 1935]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [Rinara 1974 #3207]
Dikanteny frantsay La chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [Nicol 1935 #159]

Ohabolana Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka fa ny lambo nahamaodimaody ? [Rinara 1974 #3636]
Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka ny lambo-dia tsy ho maody ? [Cousins 1871 #2703]

Ohabolana Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [Rinara 1974 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [Cousins 1871 #2718]

Ohabolana Tafok' oro-dambo nambolian-tsaoña: hila lahateo raha tsy haniary. [Houlder 1895]
Tafok’ oron-dambo nambolian-tsaona : hita raha tsy hanjary. [Samson 1965 #T8]
Fanazavana malagasy Tanin-koron-dambo novolen-tsaonjo, hita rahateo fa zavatra tsy hanjary. [Houlder 1895]

Ohabolana Tsy amboa tsy lambo. [Veyrières 1913 #2565]
Dikanteny frantsay Sans chien ni cochon. [Veyrières 1913 #2565]
Fanazavana frantsay Cette expression se disait des malheureux, pauvres et solitaires. [Veyrières 1913 #2565]

Ohabolana Tsy azon' ny olona ny lambo, raha tsy ny alika. [Veyrières 1913 #5415]
Dikanteny frantsay On ne peut pas prendre le sanglier si l' on n' a pas de chien. [Veyrières 1913 #5415]
Fanazavana frantsay On a souvent besoin d'un plus petit que soi. [Veyrières 1913 #5415]

Ohabolana Tsy mbola nandia tain-dambo. [Veyrières 1913 #4032]
Tsy mbola nanitsaka tain-dambo. [Veyrières 1913 #4032]
Dikanteny frantsay Qui n' a jamais foulé aux pieds les ordures des sangliers. [Veyrières 1913 #4032]
Fanazavana frantsay Qui n' a jamais rien vu, ou qui n'est jamais sorti de son pays. [Veyrières 1913 #4032]

Ohabolana Tsy mety raha mamporisika ny amboa ho firain' ny lambo. [Veyrières 1913 #3373, Rinara 1974 #4605, Cousins 1871 #3427]
Dikanteny frantsay Il ne faut pas exciter les chiens à se faire déchirer par les sangliers. [Veyrières 1913 #3373]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui excitaient les autres à faire des procès, pour vivre à leurs dépens. [Veyrières 1913 #3373]

Ohabolana Tsy ny kisoa horoahina ity, fa ny lambo za-dia. [Rinara 1974 #4774]

Ohabolana Tsy nisy nanana hatrany an-kibo, fa oron-dambo, ka hitrongy vao homana. [Cousins 1871 #3558, Nicol 1935 #397]
Tsy nisy nanana hatrany an-kibon-dreniny, fa oron-dambo ka mitrongy vao manana. [Rinara 1974 #4761]
Dikanteny frantsay Personne n’est riche dès le sein de sa mère ; c’est comme le boutoir du sanglier: il faut fouiller la terre avant de pouvoir subsister. [Nicol 1935 #397]

Ohabolana Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Olona mahalala ny ataoko aho. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Vatan' oron-dambo, mitrongy vao homana. [Houlder 1895 #718, Veyrières 1913 #3778]
Dikanteny frantsay Groin de sanglier : il fouille la terre avant de manger. [Veyrières 1913 #3778]
Un marcassin: il fouille la terre avant de manger. [Houlder 1895 #718]

Ohabolana Vehivavy tsy mahafaty lambo : amalo-masaka tsy afa-mandeha. [Veyrières 1913 #1795, Rinara 1974 #4919, Cousins 1871 #3657]
Dikanteny frantsay Jamais une femme ne tuerait un sanglier, aussi certainement qu' une anguille cuite ne peut plus se sauver. [Veyrières 1913 #1795]
Fanazavana frantsay Les hommes parlaient ainsi par fierté. [Veyrières 1913 #1795]

Ohabolana Voantsira taitra, lambo rava : aza fanarakaraka fa samy ratsy. [Samson 1965 #V78]

Ohabolana Zana-dambo mamindra : tsy hery fa mihafy. [Houlder 1895 #909, Rinara 1974 #5079, Cousins 1871 #3757]
Dikanteny frantsay Un marcassin marchant: ce n' est pas parce qu' il est fort, mais parce qu' il y est obligé (à cause des chasseurs qui sont à sa poursuite). [Houlder 1895]

Fizahan-teny