Fizahan-teny

Ohabolana : lasa

Ohabolana 1Adaladala nahazo vorona : ny volom-bodiny no nongotany, fa tsy ny elany, koa lasa izy. [2.974 #248, 2.653]
Adala nahazo vorona : ny volom-bodiny no nongotany, fa tsy ny elany, koa lasa izy. [2.415 #2054]
Dikanteny frantsayImbécile qui a pris un oiseau : il lui a enlevé les plumes de la queue au lieu des ailes, et l'oiseau s' est échappé. [2.415 #2054]
Oiseau aux mains d’un insensé : il lui coupe la queue et non les ailes, ce qui lui permet de s’enfuir. [2.974 #248]
Fanazavana frantsaySe disait des maladroits qui faisaient au rebours les choses qu' on leur disait de faire. [2.415 #2054]

Ohabolana 2Akohokely lasam-papango : misidina ambony vao tra-pahoriana. [2.558]
Akohokely lasam-papango: nisidina ambony vao tra-pahoriana. [1.1 #45]
Fanazavana malagasyTafakatra amin' ny toerana ambony vao nahita loza. [1.1 #45]

Ohabolana 3Aleo mandà tsy handeha toy izay hanaiky tsy ho lasa. [2.558, 1.1]
Aleo mandà tsy handeha, toy izay manaiky tsy ho lasa. [2.653 #95, 2.974 #75, 2.165]
Fanazavana malagasyTsy tokony hanaikinaiky foana, nefa hamitaka nony avy eo. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux refuser d' aller que d' y consentir et ne pas le faire. [2.165]
Mieux vaut refuser de marcher, que dire oui et ne pas s’exécuter. [2.974 #75]

Ohabolana 4Aleo manenin-draha teo, toy izay manenin-draha lasa. [2.415 #6409, 2.558 #123, 2.165]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux prévenir le remords, que de le subir ensuite. [2.415 #6409]
Il vaut mieux se repentir avant qu' après. [2.165]

Ohabolana 5Amboa nivahiny: tonga tsy mahafaly, lasa tsy mampalahelo. [2.165 #1483]
Amboa nivahiny : tonga tsy nahafaly, lasa tsy nampalahelo. [2.558 #176, 2.653 #129]
Dikanteny frantsayUn chien en voyage: son arrivée ne cause pas de joie, ni son départ de regrets. [2.165]
Fanazavana frantsayCe n' est pas comme lorsqu' il s' agit de personnes, des parents ou amis qui viennent vous voir. [2.165]

Ohabolana 6Andevolahy mizaha lanonana : tonga vao lasa maka kitay. [2.415 #526]
Dikanteny frantsayEsclave qui est allé assister à des réjouissances publiques : à peine est-il rentré qu' il lui faut repartir pour chercher la provision de paille à brûler. [2.415 #526]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui se laissent détourner de leurs occupations et sont ensuite obligés de les accomplir. [2.415 #526]

Ohabolana 7Ankizy lasa sakaiza, ka milalao vovoka irery. [2.165]
Ankizy lasa sakaiza, milalao vovoka irery. [2.415 #1550]
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery. [2.558 #286, 1.1]
Zaza diso sakaiza : milalao vovoka irery. [2.415 #1550, 2.653 #3775]
Zaza nilaozan-tsakaiza, ka sady milalao vovoka irery no tsy misy mpiara-mitomany. [2.558 #5096]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo rehetra mahatsiaro ny mahasingany azy tsy eo namana, ka voatery mamalifaly ny tenany irery. [1.1]
Dikanteny frantsayDes enfants qui ont perdu leurs amis jouent tout seuls dans la poussière. [2.165 #1885]
Enfant qui n' a pas d'ami : il joue seul dans la poussière. [2.415 #1550]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui se tenaient à l'écart. [2.415 #1550]

Ohabolana 8Aoka ny lasa homba ny lasa, fa ny sisa dia hotandremana. [2.415 #6210]
Dikanteny frantsayLaissez le passé suivre le passé, mais faites attention à la suite. [2.415 #6210]

Ohabolana 9Aza atao fitia rano-trambo : be fihavy ka mora ritra ; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy ka nahazoana. [2.974]
Aza ataonao fitia ranon-trambo : be fihavy, ka mora ritra ; fa ataovy tahaky ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.415 #5074]
Aza ataonao fitia rano-trambo: be fihavy, ka mora ritra; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika: tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.653 #375]
Aza dia atao toy ny ranotrambo ny fitia, ka be fihavy fa mora tankina. [2.558 #434]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora mianina. [2.653 #443]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora ritra. [2.653 #443]
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa. [2.165]
Dikanteny frantsayQue l’amour n’imite pas les fortes ondées : abondantes mais vite épuisées; mais qu’il soit comme l’eau cachée dans le sable : on n’y comptait pas, et l’on en trouve. [2.974 #9]
Que votre amitié ne soit pas comme l' eau d' un torrent: elle vient en grande abondance, mais disparaît en peu de temps. [2.165]
Que votre amour ne soit pas comme le torrent qui se déverse à grands flots et tarit vite ; mais qu' il soit comme l' eau dans le sable : on n' espérait pas en trouver et cependant on a pu en recueillir. [2.415 #5074]

Ohabolana 10Aza manao fanirim-bomanga : vao lasa kely dia mihodina. [2.415 #5252]
Fanirim-bomanga; vao lasa kely dia miolaka. [2.165]
Dikanteny frantsayLa croissance de la tige des patates: elle est à peine sortie de terre qu' elle se met à serpenter. [2.165]
Ne faites pas comme la pousse de patate : dès qu' elle paraît, sa tige fait un tour. [2.415 #5252]
Fanazavana frantsayNe manquez pas à votre parole donnée, dès que vous vous séparez. [2.415 #5252]

Ohabolana 11Aza manao fieran-dRabemila, sady miera no manao. [2.415 #755, 2.653 #437]
Aza manao fieran-dRabemila, sady miera no mandeha. [2.415 #755, 2.653 #437]
Fieran-dRabemila ka sady manao no miera. [2.558 #1164]
Manao fieran-dRabemila : miera dia lasa. [2.415 #4087, 2.165]
Dikanteny frantsayDemander la permission à la façon de Rabemila : il demande et part sans attendre la réponse. [2.415 #4087]
Demander une permission à la façon de Rabemila: il demande et part (sans attendre de réponse). [2.165]
Ne demandez pas la permission à la manière de Rabemila : il ne se contente pas de demander la permission, il exécute. [2.415 #751]
Fanazavana frantsayOn dit que Rabemila avait demandé la permission d' acheter un canon à Andohalo et qu' il le fit avant d' avoir la réponse. [2.415 #755]

Ohabolana 12Aza manao resaky ny mpantsaka : lany enti-mandroso fa tsy misy ho enti-miverina. [2.558]
Aza manao tafan’ ny mpantsaka: lany enti-mandroso ihany, fa tsy hisy ho enti-miverina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka : ny teo ihany no averimberina. [2.558]
Tafasirin' adala, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.165 #1631, 2.558 #3963]
Tafasirin' adala : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Tafasirin' ny mpantsaka : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Dikanteny frantsayConversations de sots ou de porteuses d' eau : c' est sans cesse la répétition de ce qui a été déjà dit. [2.415 #2112]
La conversation d' un nigaud, il répète toujours les mêmes choses. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des redites perpétuelles. [2.415 #2112]

Ohabolana 13Aza manao toy ny tsingentana: intelo miofo, ka vantony ihany. [2.165]
Tsingentana : intelo miofo ka vantony ihany. [2.415 #1594, 2.653]
Tsingentana ka intelo miofo, mbola vantony ihany. [2.558 #4445]
Tsy mba ho lasan-ko vantony fotsiny toa tsingentana. [2.558 #4542]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme la "tsingentana" (sauterelle): après avoir mué trois fois elle est encore jeune. [2.165]
Sauterelle tsingentana petite et mince : après trois mues elle est toujours jeune. [2.415 #1594]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes qui restaient toujours un peu enfants. [2.415 #1594]

Ohabolana 14Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [2.558]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [2.415 #1439, 2.653 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [2.558 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [2.415 #1440, 2.653 #644]
Dedaka tonga rafozana : akoho no hovonoina ka telo lahy no asaina mitsangana. [2.558 #974]
Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [2.558]
Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.165]
Dedaka tonga rafozana : trano bongo ka asiam-pandri-baratra ; akoho ka nindramam-pamaky ; vola venty ka ampanjanahina ; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.415 #1442]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [1.1]
Fanazavana malagasyMihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [1.1]
Dikanteny frantsayFanfaron qui reçoit ses beaux-parents : il n' a qu' une cabane et il y met un paratonnerre ; il n' a qu' un poulet et il emprunte une hache à découper ; il n' a que 80 centimes et il les prête à intérêt ; il n' a qu' un sou et il l' enveloppe trois fois. [2.415 #1442]
Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [2.415]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [2.415 #1439]
Un vantard recevant la visite de ses beaux-parents: sa maison n' est qu' une cabane et il y met un paratonnerre; il n' a qu' un poulet (à offrir), et il emprunte une hache (comme s' il avait du bœuf); il n' a que quatre-vingts centimes, et il les prête à intérêt: un sou, et il l' enveloppe trois fois. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [2.415 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [2.415 #1440]

Ohabolana 15Eo tsy manitra ka lasa vao mamerovero. [2.558 #1042]
Teo tsy manitra ka lasa vao mamerovero. [2.165 #1116, 2.415 #6440, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona na zavatra tsy niraikana akory fony mbola teo anatrehana, fa nony lasa vao alahelovana sy dokadokafana. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand il était encore là il ne sentait pas bon, et ce n' est qu' une fois parti, qu' il a été odoriférant. [2.165]
Quand il était là il n' exhalait pas une bonne odeur, et maintenant qu' il est parti il est odoriférant. [2.415 #6440]
Fanazavana frantsayPersonne ou chose que l' on apprécie trop tard. [2.415 #6440]
Se dit de quelqu' un ou de quelque chose qu' on n' apprécie que quand on ne l'a plus. [2.165]

Ohabolana 16Fahan-kisoan' i Vonizongo, ka ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.558 #1050]
Fahan-kisoany Vonizongo : ny ho lasan-ko ariary no tohanana. [2.653 #880]
Hoatry ny fahan-kisoan' Ivonizongo : ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.415 #4383]
Dikanteny frantsayC' est comme la manière d' engraisser les cochons chez les Vonizongo : ce sont ceux qui peuvent atteindre une piastre qui sont soignés. [2.415 #4383]
Fanazavana frantsayIl y avait chez les Vonizongo une grande race de cochons difficiles à nourrir ; ce proverbe se disait de ceux qui ne s'occupent que des grands ou des grandes choses. [2.415 #4383]

Ohabolana 17Fanala hazakaza-dRenitsiavahana : ny lasa aloha indray no tezerany. [2.415 #5597, 2.653 #905]
Fanala hazakazak' i Renitsiavahana ka ny lasa aloha indray no tezerana. [2.558 #1077]
Dikanteny frantsayConcours à la course de Renitsiavahana : c' est contre ceux qui sont en avant qu' elle est en colère. [2.415 #5597]

Ohabolana 18Fatotr’ amboan’ Ingara : aleo faty no isarahana. [2.653]
Fatotr’ amboan’ Ingara : aleo maty toy izay ho lasa. [2.653]
Fatotr' amboan' Ingara : aleo maty toy izay lasana. [2.558 #1134]
Fatotr' amboan' Ingara: ka aleo maty toy izay ho lasa. [2.165]
Dikanteny frantsayIngara attachant un chien: il aime mieux le faire périr que de le voir s' échapper. [2.165]

Ohabolana 19Fihavin-javona ka tonga tsy re mingadona, lasa tsy re mitsaika. [2.558 #1156]

Ohabolana 20Fofo-nahandro ny aina : raha sokafana, dia lasa. [2.415 #2762, 2.653 #978]
Fofo-nahandro ny aina : raha sokafana dia lasa tokoa. [2.558 #1186]
Dikanteny frantsayLa vie est comme la vapeur dans la marmite : quand on découvre la marmite, la vapeur s' en va. [2.415 #2762]
La vie est un fumet de repas : ôtez le couvercle, la voilà qui s’échappe. [2.974 #468]
Fanazavana frantsayLa vie est courte et incertaine. [2.415 #2762]

Ohabolana 21Harongam-pohatra ny momba, ka raha lasa dia lasa tokoa. [2.165 #1860, 2.415 #911, 2.558 #1283]
Dikanteny frantsayLa femme stérile est une ruine, et quand elle est partie (c.à.d. morte), il n' est reste plus rien du tout. [2.165]
La femme stérile est une ruine, et quand elle est partie, il n' en reste rien. [2.415 #911]

Ohabolana 22Ilay nanao soa vahiny, ka raha voky izy, dia nilaozany. [2.653 #1122, 2.974 #307]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia lasa. [2.558]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia nandao. [2.558]
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany. [1.1]
Toy ny manao soa vahiny, ka raha voky izy, dia ilaozany mody. [2.165 #577]
Toy ny manao soa vahiny : nony voky izy nanao veloma. [2.558 #4301]
Toy ny manao soa vahiny: raha voky izy, ilaozany mody. [2.653 #3210]
Fanazavana malagasyAza miantehitra na miandry valiny amin' izay olona mandala. [1.1]
Dikanteny frantsayFaire du bien à un hôte de passage : à peine restauré, le voilà qui vous quitte. [2.974 #307]
On fait du bien à un étranger, et quand il est rassasié, il s' en va. [2.165]
Fanazavana frantsayMot souvent cité en manière d' excuse par ceux auxquels il s' applique. [2.165]

Ohabolana 23Izoky izy fa lehilahy, mandray lefona dia lasa, sakafo sikina ihany. [2.558 #1529]
Izoky izy fa lehilahy : nandray lefona dia lasa, sakafony sikina ihany. [2.165 #894, 2.415 #3801]
Dikanteny frantsayC' est un ancien, c' est un homme: il a saisi sa lance et il est parti, se serrant le ventre en guise de repas. [2.165 #894]
Il est courageux, c' est un homme : il a pris sa lance et il est parti, et pour tout repas, il a serré son lamba autour des reins. [2.415]

Ohabolana 24Kabarin-dRainisalama ka ny sisa manaraka ihany. [2.558 #1586]
Kabarin-dRainisalama : ny lasa dia lasa, ny sisa manaraka ihany. [2.415 #4432]
Kabarin-dRainisalama : ny lasa momba ny lasa, ny sisa manaraka ihany. [2.415 #4432]
Toy ny kabarin-dRainisalama, ka ny sisa manaraka ihany. [2.558 #4292]
Toy ny kabarin-dRainisalama: ny lasa dia lasa, ary ny sisa manaraka ihany. [2.653]
Toy ny kabarin-dRainisalama: ny lasa momba ny lasa, ary ny sisa manaraka ihany. [2.165 #1258]
Dikanteny frantsayPareil au discours de Rainisalama: ce qui est passé est passé, mais l' avenir nous reste (litt. suivra). [2.165]
Paroles de Rainisalama : ce qui est parti est parti, le reste suivra. [2.415 #4432]
Fanazavana frantsayParoles dites par le débiteur, en payant la partie de la dette qu'il peut payer. On les disait aussi d'une délibération qui devait se poursuivre. [2.415 #4432]

Ohabolana 25Lany ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia. [2.415 #2507]
Lasa ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia. [2.165 #956, 2.558 #1749, 2.653 #1337, 1.1]
Fanazavana malagasyLany tamin' ny tsinontsinona ny vola sy ny fitaovana vao tonga ny ilana azy. [1.1]
Dikanteny frantsayAvoir épuisé ses cent projectiles avant que les bons oiseaux arrivent. [2.165]
Avoir épuisé toutes ses ressources lorsqu'arrive le moment favorable, c' est être comme le chasseur qui a déjà lancé tous ses bâtonnets aux oiseaux lorsqu' arrive un oiseau facile à viser. [2.415 #2507]
Fanazavana frantsayNe plus pouvoir saisir une bonne occasion quand elle se présente. [2.165]

Ohabolana 26Lasa ambiroa. [2.415 #2798]
Dikanteny frantsayL' homme débile, c' est qu' il a perdu son âme. [2.415 #2798]
Fanazavana frantsaySe disait de celui qui s' achemine vers la mort. [2.415 #2798]

Ohabolana 27Lasa mpifosa vao mifafa trano. [2.558 #1747, 2.653 #1336, 2.165, 1.1]
Vavy anti-doza : lasa mpifosa vao mifafa trano. [2.415 #1939, 2.558 #4909, 2.653 #3648]
Fanazavana malagasyEfa hitan' olona kilema vao taitra mitady hanatsara toetra. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est quand la personne médisante est partie (de chez vous) que vous balayez votre maison! [2.165]
Méchante vieille : elle balaie seulement sa maison après le départ de ceux qui peuvent médire d' elle. [2.415 #1939]
Fanazavana frantsayIl aurait fallu balayer avant quelle arrive! [2.165]
Se disait des actions trop tardives. [2.415 #1939]

Ohabolana 28Lasa ny mamba fa tonga ny voay. [2.558 #1750]
Lasa ny mamba ka tonga ny voay. [2.415 #2605, 2.653 #1338]
Lasa ny mamba: tonga ny voay. [1.1]
Lasa ny voay: misosoka ny mamba. [1.78]
Fanazavana malagasyIlazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. [1.78]
Ilazana olona roa mifandimby samy manana toetra ikoizana. [1.1]
Dikanteny frantsayA peine les caïmans sont-ils partis que des crocodiles arrivent. [2.415 #2605]
Les crocodiles sont partis et les caïmans arrivent. [2.165]
Fanazavana frantsayÉchapper à un mal pour tomber dans un autre. [2.415 #2605]
Il n' y a pas moyen d' échapper; mais ce proverbe ne s' applique pas seulement en parlant de choses fâcheuses. [2.165]

Ohabolana 29Lasa ny tsaramaso, fa ny tsahabedika no sisa. [2.653 #1339]
Lasa ny tsaramaso, fa ny tsarabedika no sisa. [2.558 #1751]

Ohabolana 30Lasa ny varatra vao mitsako havozo. [2.558 #1752]

Ohabolana 31Lasan-ko raviny, ka tsy misy voany. [2.165 #501]
Dikanteny frantsayTout en feuilles, mais sans fruits. [2.165 #501]

Ohabolana 32Lasan-ko vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka. [2.558 #1748]
Lasan-ko vavany, tahaka ny haron-tabebaka. [2.653 #1341]
Lasan-ko vavany toa haron-tabebaka. [2.165 #1369, 2.974 #198, 1.1]
Lasan-ko vavany toy ny haron-tabebaka. [2.165 #803]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra izay anarany fotsiny no toy izao sy toy izao fa tsy arakaraka izany ny tena izy. [1.1]
Ilazana ny olona be vava na miseho ho zavatra ivelany fotsiny, nefa tsy misy lanjany manahoana. [1.1]
Dikanteny frantsayEtre tout ouverture, comme un panier percé (ou très large). [2.974 #198]
Il n' a que de la blague (litt. bouche aussi ouverte) comme une corbeille plate et large (donc, à grande ouverture mais très peu profonde). [2.165]
Il n' a que la blague (litt. bouche ou aussi, ouverture) comme une corbeille plate et large (donc, à grande ouverture, mais très peu profonde). [2.165]

Ohabolana 33Lasa tsy antonontonony, toy ny fihinan-trafon-kenam-banga : tsy re tsiro, dia voatelina. [2.653 #1340]
Lasa tsy antonontonony, toy ny fihinan-trafon-kenan' ny banga : tsy re tsiro dia voatelina. [2.558 #1753]
Ny fihinan-trafon-kenam-banga: lasa tsy anfonontonony, tsy re tsirony, dia voatelina. [2.165]
Ny fihinan-trafon-kenan' ny banga : lasa tsy antonontonony, tsy re tsiro dia voatelina. [2.558]
Dikanteny frantsayUne personne édentée mangeant de la bosse de bœuf: cette viande descend trop vite, elle est avalée avant qu' on ait eu le temps d' en sentir la saveur. [2.165]

Ohabolana 34Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1]
Fanazavana malagasyAraka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1]

Ohabolana 35Lasa tsy mimpody ohatra ny maty. [2.558]

Ohabolana 36Manahy elatra ny akoholahy fa lasa ny kary. [2.558 #1967, 2.653 #1490]

Ohabolana 37Manao ohatra ny mpitrosa mahay: anio tsy mamoa-javatra, ampitso mifehy trano, afak’ ampitso lasa-davitra. [2.653, 2.558]

Ohabolana 38Manao soa vahiny : ka nony voky izy lasa, fa fony noana no miandriandry. [2.558 #2013]

Ohabolana 39Manao vavan' ny maty an-drano, nony afa-doza lasa nitsaitsaika. [2.558 #2021]

Ohabolana 40Manarain-tsy lasa-davitra ohatra ny akoho. [2.558]
Manarain-tsy lasa-davitra, toy ny akoho. [2.653 #1563]
Marain-tsy lasa-davitra ohatra ny akoho. [2.165]
Dikanteny frantsayÊtre matinal et pourtant ne pas aller bien loin comme les poules. [2.165]
Fanazavana frantsayBeaucoup de bruit pour rien! [2.165]

Ohabolana 41Matso kaody : mamarina dia lasa. [2.558 #2214, 2.653 #1691]

Ohabolana 42Miady fo toy ny oran-ko ritra. [2.558 #2232]
Miady fo toy ny oran-ko ritra, ho lasa ihany ka miriadriatra. [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayFaire un effort désespéré comme la pluie qui va finir; elle cessera bientôt, et c' est pourquoi elle tombe à grand bruit. [2.165]

Ohabolana 43Miaramila ao Mantasoa : ny matanjaka lasa mianala, ny osa kosa misoki-pasika. [2.415 #437, 2.653 #1728]
Miaramilan' i Mantasoa : ny matanjaka lasa mianala, ny osa misiko-pasika. [2.558 #2266]
Dikanteny frantsaySoldats de Mantasoa : les forts vont à la forêt chercher des arbres, les faibles vont chercher du sable. [2.415 #437]
Fanazavana frantsayTout le monde est obligé de travailler. [2.415 #437]

Ohabolana 44Miditra misosososo, lasa mirintondrintona, sahala amin' ny mpisambotra tsy nahazo ny nilainy. [2.558]

Ohabolana 45Migogogogo ny andrian-tsy vahoaka fa lasa Rabefihavanana. [2.558 #2351]

Ohabolana 46Mody ny manina fa ny to-fo lasa-davitra. [2.558]

Ohabolana 47Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.165 #52]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa mirotsaka ny antambo. [2.653]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.653]
Dikanteny frantsayUn sorcier échangé contre un bœuf sauvage: à une calamité en succède une autre plus terrible encore. [2.165]
Fanazavana frantsay"Tomber de Charybde en Scylla" . [2.165]

Ohabolana 48Ny aina aloka aman-javona: mihelina dia lasa. [2.165 #2093]
Ny ain' ny olombelona aloka aman-javona: mihelina dia lasa. [2.415 #2772, 2.653 #2130, 2.974 #471]
Ny ain' olombelona toy ny fofo-nahandro, ka mihelina dia lasa. [2.558 #2836]
Dikanteny frantsayLa vie de l’homme est une ombre et un brouillard : elle passe et n’est plus. [2.974 #471]
La vie est une ombre et une fumée: elle passe et n' est plus. [2.165]
La vie humaine est de l' ombre et du brouillard : elle apparaît rapidement et s' en va. [2.415 #2772]

Ohabolana 49Ny aina raha lasa tsy mba miverina. [2.558]

Ohabolana 50Ny alahelo ny havana tsy tohan' ny zanaka lasa-davitra. [2.415 #983]
Dikanteny frantsayLe regret des parents accable l' enfant qui est éloigné d' eux. [2.415 #983]
Fanazavana frantsayLa nostalgie des Malgaches était légendaire. [2.415 #983]

Ohabolana 51Ny alina natao tsy ho lasa ve, sa misy fahoriana natao tsy hisava? [2.558]

Ohabolana 52Ny anjombona lasa-davitra ny angaroha. [2.415 #380]
Ny anjombona lasa-davitra noho ny angaroa. [2.653 #2169, 2.165]
Dikanteny frantsayL' "anjombona" s' entend de plus loin que l' "angaroa" . [2.165]
La petite coquille marine a le son plus perçant et porte plus loin que la grande. [2.415 #380]
Fanazavana frantsayCe sont les noms de deux conques marines qui s' employaient et s'emploient encore comme cors d' appel et en guise de cloches. [2.165 #1361]
Envoyés qui exagèrent les ordres reçus. [2.415 #380]

Ohabolana 53Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora tany mandondona, ka tsy hita izay ho lasa aloha. [2.415 #2892]
Ny antitra hazo amoron-tevana, ny tanora vato mandondona ka tsy fantatra izay ho lasa aloha. [1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana. [2.558 #3262, 2.653 #2428, 2.974 #163, 1.1]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha. [2.165 #1931]
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana : tsy fantatra izay hianjera aloha. [2.415 #2910]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na ny tanora na ny antitra dia samy mety hopaohin-dRafahafatesana daholo. [1.1]
Na ny antitra na ny tanora, dia mety hindaosin' ny fahafatesana daholo, fa tsy misy hoe "Iretsy tsy maintsy lasa aloha na irery lasa aoriana". [1.1]
Dikanteny frantsayLa jeunesse est une pierre qui surplombe, la vieillesse un arbre au bord du précipice : qui s’en ira le premier ? [2.974 #163]
Le jeune homme est comme une pierre qui surplombe, et le vieillard comme un arbre au bord du précipice : on ne sait pas lequel des deux tombera le premier. [2.415 #2910]
Les jeunes sont (comme) un rocher surplombant, et les vieux (comme) un arbre planté au bord d' un précipice: on ne sait lequel des deux tombera le premier. [2.165]
Le vieillard est comme un arbre au bord du précipice et le jeune comme un terrain qui surplombe : on ne sait pas lequel tombera le premier. [2.415 #2892]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait l' incertitude du moment de la mort ; il signifiait aussi que le passé ne revient pas. [2.415 #2892]
Incertitude du moment de la mort. [2.415 #2910]

Ohabolana 54Ny hafaladia no afaka fa ny hatenda no sisa. [2.558 #197]
Ny hafaladia no afaka, fa ny havava no sisa. [2.165 #1216, 2.415 #3286, 2.653 #2244]
Ny hakitrokely no afaka, fa ny hafaladia no sisa. [2.415 #3211]
Vao hafaladia no lasa, fa ny folo mandifotra olona mbola ho avy. [2.653 #3612]
Vao ny hafaladia no lasa, fa ny impolo mandifotra olona mbola ho avy. [2.415]
Vao ny hafaladia no lasa fa ny mandifotra mbola ho avy. [2.558 #4857]
Dikanteny frantsayCe qui ne va qu' à la plante des pieds est passé, mais ce qui est profond de dix mesures de la taille d' un homme va venir. [2.415]
On a enlevé jusqu' à la cheville mais il reste jusqu' à la semelle. [2.415 #3211]
Vous avez fait jusqu' à la plante des pieds, il vous reste à faire jusqu' à la bouche. [2.415 #3286]
Vous avez traversé l' eau qui n' allait que jusqu' aux pieds, il vous reste à traverser celle qui va jusqu' à la bouche. [2.165]
Fanazavana frantsayIl reste encore quelque chose à faire, à donner, ou à partager. [2.415 #3211]
Le facile est fait, mais le difficile reste à faire. [2.415 #3286]
Reste le plus difficile. [2.415 #3319]
Se dit d' un travail à exécuter dent on n' a fait encore que la partie la plus facile. [2.165]

Ohabolana 55Ny lasa tsy azo tanana, fa aoka ny teraka no hobabena. [2.415 #2775, 2.653 #2300, 2.558]
Dikanteny frantsayLes morts qui sont partis, on ne peut plus les retenir, mais il faut porter sur le dos ceux qui naissent. [2.415 #2775]

Ohabolana 56Ny lasa tsy mba azo naverina ary ny omaly sarotra afody. [2.558 #3074]

Ohabolana 57Ny lasa tsy mba miverina. [2.165 #1257, 2.653 #2301]
Dikanteny frantsayLe passé ne revient plus. [2.165]

Ohabolana 58Ny teny haolo, ka raha pizina lasa any an-Tsakalava. [2.653, 2.415]
Ny teny haolo, ka raha tairina lasa any an-Tsakalava. [2.415 #3601, 2.653]
Dikanteny frantsayLa parole est farouche et vagabonde comme les boeufs sauvages : si on l' effarouche ou si on la trouble elle s' en va dans le pays des Sakalava. [2.415]
Fanazavana frantsayLa région des Sakalava était me région où il y avait beaucoup de boeufs sauvages ; le sens du proverbe est qu' un orateur troublé dans son discours, perd le fil de ses pensées. [2.415]

Ohabolana 59Ny vola dia rano an-driana : ny lasa dia lasa ihany, ny tonga dia tonga ihany koa. [2.558 #3361]

Ohabolana 60Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso. [2.653 #2491, 2.974 #336]
Ny vola tsy mandry lalana toy ny rano: tonga anio, fa lasa rahampitso. [2.165]
Dikanteny frantsayL' argent est comme l' eau: et ne s' arrête pas (litt. ne couche pas) en route, il arrive aujourd' hui et demain s' en va. [2.165]
L’argent ressemble à l’hôte de passage : aujourd’hui il arrive, demain il n’est plus. [2.974]

Ohabolana 61Raha papango no maty, mifaliahavanja ny akoho, fa raha olo-manga no lasa, very kiady ny madinika (na manganohano ny madinika). [2.558 #236]

Ohabolana 62Raha soasoa no ataon-drahavana, dia tsiriry miandry farihy izahay, fa raha ratsiratsy no ataon-drahavana, manifi-drano izahay dia lasa. [2.558 #3656]

Ohabolana 63Rano raraka tsy azo raofina ; ny lasa tsy mba miverina. [2.415 #2743]
Dikanteny frantsayL' eau, une fois répandue, ne peut être ramassée ; le passé ne revient pas. [2.415 #2743]
Fanazavana frantsayIl est trop tard pour se repentir d' une parole ou d' une action, mais il faut faire attention à l' avenir afin de ne pas recommencer. [2.415 #2743]

Ohabolana 64Ratsy tarehy miantsena : mividy maraina dia lasa. [2.415 #786, 2.558 #3730, 2.653 #2772]
Dikanteny frantsayFemme laide qui va au marché : elle achète vite ses provisions de bon matin et elle se hâte de rentrer. [2.415 #786]
Fanazavana frantsayElle a honte. [2.415 #786]

Ohabolana 65Ravinkazo manintsana, ka ny sisa no hampanirina. [2.415]
Ravin-kazo nahintsana ; ny lasa tsy azo tetezina, fa ny sisa no ampanirina. [2.974 #456]
Ravinkazo nanintsana, ka ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa am-panirina. [2.165 #1256]
Ravin-kazo nanintsana: ny lasa tsy azo tetezina, fa ny sisa no ampanirina. [2.653 #2776]
Ravinkazo nanintsana : ny lasa tsy azo tetezina, fa ny sisa no hampanirina. [2.415 #6435]
Ravinkazo nanitsana, ka ny lasa dia lasa tokoa, fa ny sisa no ampanirina. [2.558 #3734]
Dikanteny frantsayDes feuilles tombées: avec celles qui sont détachées, il n' y a rien plus à faire, mais celles qui restent, on les fera croître. [2.165]
Feuilles d' arbres qui sont tombées : on ne peut pas les compter, mais on se rattrape en faisant pousser les autres. [2.415 #6435]
Feuilles d'arbres qui tombent : on se rattrapera en faisant pousser les autres. [2.415]
Feuilles tombées d’un arbre : on ne compte plus sur celles qui sont parties, mais on soigne celles qui restent. [2.974 #456]
Fanazavana frantsayLe passé est passé, mais le repentir permet de compenser dans l'avenir. [2.415 #6435]
Se disait du repentir et de l'amendement. [2.415 #6434]

Ohabolana 66Reraka ny kary, fa lasan-ko papango ny akoho. [2.415 #734, 2.558 #3755, 2.653 #2792]
Dikanteny frantsayLes chats sauvages n' en peuvent plus car les poules se sont changées en papangues. [2.415 #734]
Fanazavana frantsayLes petits ne se laissent plus faire et ceux qui les pressuraient sont sur les dents. [2.415 #734]

Ohabolana 67Resak' olom-bery saina, ka tsy mahatsiaro ny lasa. [2.165 #1632]
Resak' olom-bery saina : tsy mahatsiaro ny lasa. [2.415 #2044]
Dikanteny frantsayConversation de fou : il oublie ce qu' il vient de dire,. [2.415 #2044]
Un imbécile qui cause: il oublie ce qu' il vient de dire. [2.165]

Ohabolana 68Rivotra an-kadilanana : ny avy avy ihany, ny tsy avy misesika ihany koa. [2.558 #3758]
Rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy dia miohatra. [2.415]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ka manao tsy omby aloha (ny eo aloha tsy lasa ny aoriana misesika ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany. [2.165 #2273]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny avy miohatra. [2.653]
Toy ny rivotra an-kadilanana : ny tsy avy avy, ny avy miohatra ihany. [2.558]
Toy ny rivotra an-kadilanana: ny tsy avy avy, ny sisa manaraka ihany. [2.653]
Dikanteny frantsayComme le vent dans un étroit passage: ce qui vient, vient, et ce qui reste suit aussi. [2.165]
Vent dans un passage qui n' est pas abrité : ce qui ne souffle pas encore soufflera, et ce qui souffle passera par-dessus. [2.415 #2744]
Fanazavana frantsayIl y aura toujours du vent dans ce passage ; de même on ne peut pas éviter les vicissitudes de la vie. [2.415 #2744]
Un malheur ne vient jamais seul. [2.165]

Ohabolana 69Roborobon' afon' ny mpitakarina, ka izako ihany no hanary lavenona rahefa lasa izy. [2.415 #5474]
Dikanteny frantsayBavards et gourmands qui ont allumé un grand feu : c' est moi qui irai jeter les cendres quand ils seront partis. [2.415 #5474]
Fanazavana frantsayLaisser toute la peine aux autres. [2.415 #5474]

Ohabolana 70Salaka namatorana osy, ny osy lasa, ny salaka tapaka. [2.558 #3824, 2.653 #2842]

Ohabolana 71Satrin' ny maniraka lasa-davitra, satrin' ny irahina tsy handeha. [1.1]
Satrin' ny maniraka lasa-davitra, satrin' ny irahina tsy mandeha. [1.3 #588, 2.415 #679, 2.558 #3864, 2.653 #2883]
Satrin' ny mpaniraka, lasa-davitra; satrin' ny hirahina tsy handeha. [2.165 #1204]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny mpanome baiko moa ta hampanao raharaha foana, ny baikoina kosa zarany tsy hisy baiko hatao. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui envoie aime qu' on aille loin, l' envoyé au contraire préfère ne pas bouger. [1.3 #588]
Celui qui envoie aime qu' on aille loin, mais l' envoyé préfère ne pas bouger. [2.415 #679]
Celui qui envoie voudrait envoyer loin, mais celui qui est envoyé voudrait bien ne pas partir du tout. [2.165]
Fanazavana frantsayCeux qui commandent exigent beaucoup, ceux qui sont commandés font le moins possible [1.3 #588]
Le maître exige beaucoup de travail, et le subordonné en fait le moins possible ; ce proverbe se disait aussi de deux intentions contradictoires. [2.415 #679]
L' employeur désire obtenir beaucoup de travail, mais l' employé désire en faire le moins possible. [2.165]

Ohabolana 72Tahaka ny valalanamboa diso ny namany : omaly lasa, anio eto kosa. [2.165 #1024, 2.653 #2967, 2.558]
Dikanteny frantsayPareil à une "sauterelle de chien" séparée de ses compagnes: hier elle était partie, et aujourd' hui elle revient. [2.165]
Fanazavana frantsayLa sauterelle de chien est une grosse sauterelle tachetée. [2.165]

Ohabolana 73Tandrok' osy ka tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4038]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy ampy vehana akory dia miolaka. [2.558 #4331]
Toy ny tandrok' ondrilahy : tsy mbola lasa irain-jehy akory, dia miolana. [2.415 #5344, 2.653 #3233]
Dikanteny frantsayC' est comme les cornes des béliers : avant d' atteindre un empan de longueur, elles se tordent. [2.415 #5344]
Fanazavana frantsaySe dit des gens qui ne tardent pas à se dédire et à retirer leur parole. [2.415 #5344]

Ohabolana 74Tanin' andro hariva ka kely sisa hananana azy. [2.558 #4048]
Tanin' andro hariva : kely no ananana azy. [2.415 #6179]
Toy ny tanin' andro hariva, ka kely no ananana azy. [2.165 #715]
Toy ny tanin' andro hariva, ka tsy ho ela intsony dia ho lasa. [2.558 #4334]
Toy ny tanin' andro hariva: kely no ananana azy. [2.653 #3234]
Toy ny tanin' andro hariva : kely sisa no ananana azy. [2.974 #473]
Dikanteny frantsayC’est, le soleil du soir : profitons du peu qui reste, chauffons nous à ses derniers rayons. [2.974 #473]
Quand on se chauffe le soir aux rayons du soleil, on ne peut pas le faire longtemps. [2.415 #6179]
Quand on va se mettre au soleil le soir, il n' y en a plus pour longtemps. [2.165 #715]
Fanazavana frantsaySe disait des choses faites à la hâte et sans préparation, des choses auxquelles on ne pouvait pas se préparer et aussi de celles dont on ne pouvait pas profiter longtemps. [2.415 #6179]

Ohabolana 75Tavin-kena am-bavan' antitra, ka lasa tsy antonon-tonony (mbola tsy re ny tsirony). [2.558 #4115]
Tavin-kena am-bavan' antitra : lasa tsy antonontonony. [2.415 #1865, 2.653 #3049]
Dikanteny frantsayGraisse de viande dans la bouche d' un vieillard : elle est partie avant le temps. [2.415 #1865]
Fanazavana frantsayPlaisanterie sur les édentés. [2.415 #1865]

Ohabolana 76Tiatia ny takona, ka diso ny avaratry ny fasana. [2.165 #2134]
Tiatia no nitakona, ka diso avaratry ny fasana. [2.653 #3096]
Tiatia takona ka lasa avaratry ny fasana. [2.558 #4137]
Dikanteny frantsayAimer à se cacher et manquer (c. à. d. ne pas avoir) le terrain qui est au nord du tombeau (endroit honorable et recherché). [2.165]

Ohabolana 77Tombon-dalana ny an’ ny lasana ; fa ny lalan-kiarahana ihany. [2.974]
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany. [2.165 #1229]
Tombon-dalana no any ny lasana; fa ny lalan-kiarahana ihany. [2.653]
Tombon-dalana no an' ny lasana, fa ny lalan-kiraisana ihany. [2.558]
Dikanteny frantsayCeux qui sont partis n’ont qu’une avance de temps ; car la route est commune. [2.974 #172]
Le chemin parcouru n' est qu' une étape, et nous serons encore longtemps en route. [2.165]
Fanazavana frantsayNotre travail n'est jamais complètement terminé. [2.165]

Ohabolana 78Tonga ranaotra, tsy misy laoka ; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.415 #1165]
Tonga ranaotra, tsy misy ny laoka; lasa ranaotra, vonoiny ny omby. [2.653 #3128]
Tonga Ranaotra tsy misy ny laoka, lasa Ranaotra vonoy ny vositra. [2.558 #4185]
Tonga Ranaotra vao lany ny laoka. [2.165 #955]
Dikanteny frantsayQuand arrive le beau-frère il n' y a pas de mets à lui servir, et quand il est parti on tue un boeuf. [2.415]
Quand le beau-frère (ou la belle-sœur) arriva, on venait de finir la viande. [2.165]
Fanazavana frantsayPhrase servant à s' excuser auprès de ses parents de ne pouvoir leur offrir un meilleur repas. Ils sont arrivés trop tard! [2.165]

Ohabolana 79Toraka ankavanana, sady mahitsy no lasa-davitra. [2.558 #4204]
Toraka ankavanana, sady mahitsy no mahalasan-davitra; toraka ankavia, sady akaiky no melomeloka. [2.415 #3758, 2.653 #3144]
Toraka ankavia sady akaiky no melomeloka. [2.558 #4205]
Dikanteny frantsayQuand on lance avec la main droite, le coup est droit et porte bien ; quand on lance avec la main gauche, le coup ne porte pas loin et est courbe. [2.415 #3758]
Fanazavana frantsayIl faut aller tout de bon, avec ardeur et franchise. [2.415 #3758]

Ohabolana 80Tsy avelan' ny anaran-kisaraka, toa raty, efa lasa ka mbola ratin' akondro. [2.558 #4481]

Ohabolana 81Tsy mba hitomany izay faty momoka izahay, ary tsy mba hahatsiaro izay efa lasa. [2.558 #4541]
Tsy mba hitomany ny faty momoka (izahay), ary tsy mba hahatsiahy ny efa lasa. [2.653 #3385]

Ohabolana 82Tsy mety raha fony mitoetra tsy miraharaha, koa lasa vao be hafatra. [2.165 #689, 2.415 #3421]
Tsy mety raha mitoetra toy miraharaha, fa lasa vao be hafatra. [2.653 #3469]
Tsy mety raha mitoetra tsy miraharaha, ka lasa vao be hafatra. [2.415 #3318]
Tsy mety raha nitoetra izy tsy noraharahaina, ka nony lasa nody vao hafatrafarana. [2.558 #4656]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas de ne pas traiter les affaires tant qu' on demeure, et d' être plein de messages et de recommandations une fois parti. [2.415 #3318]
Il ne faut pas rester tranquille quand on est chez ceux à qui on a affaire, et s' agiter quand on est loin. [2.415 #3421]
Il ne faut pas se taire quand on est chez ceux auxquels on a affaire, et parler beaucoup dès qu' on est loin. [2.165 #689]

Ohabolana 83Tsy mety raha natositosika handeha, fa nony lasa natao folo hafatra. [2.558 #4655]

Ohabolana 84Tsiriry vorona ka manifi-drano dia lasa. [2.558 #4461]

Ohabolana 85Vavy anti-doza, ka tsy mamindra fo ny lasa. [2.415 #1938]
Vavy anti-doza : tsy mamindra fo ny lasa. [2.558 #4910, 2.653 #3649]
Dikanteny frantsayMéchante vieille : elle n' épargne pas le passé ni ceux qui sont partis. [2.415 #1938]
Une vieille femme au cœur dur qui n' a pas de pitié malgré le souvenir de son passé. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des médisants. [2.415 #4890]

Ohabolana 86Veloma ry taona, fa lasa tsy hiverina intsony. [2.415 #4180]
Dikanteny frantsayAdieu, année, tu es passée et tu ne reviendras plus. [2.415 #4180]

Ohabolana 87Vintan-tefy : ny jobo no lasa aloha. [2.415 #3628, 2.653 #3681]
Vitan-tefy ka ny jobo no lasa aloha. [2.558 #4956]
Dikanteny frantsayDestin de poterie : celles qui ont une petite ouverture périssent les premières. [2.415 #3628]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne savent pas parler et se défendre. [2.415 #3628]

Fizahan-teny