Fizahan-teny

Ohabolana : liana

Ohabolana 1Ady misy hena, ka izay mamoy no liana. [2.165 #343]
Miady misy hena ka ny mamoy no liana. [2.558 #2235]
Miady misy hena: ny mamoy no liana. [2.653 #1709]
Dikanteny frantsayUne dispute à propos de viande, c' est celui qui l' abandonne qui a faim. [2.165]

Ohabolana 2Aza matahotra ny masony nefa te-hividy ny lohany. [2.558 #705]
Matahotra ny masony ka no te-hividy ny lohany. [2.558 #2165]
Nahoana no saro-tahotra ny masony, ka tia vidy ny lohany ? [2.415 #6013, 2.653 #2066]
Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany. [2.165 #1184, 1.1]
Saro-tahotry ny masony, ka te-hividy ny lohany. [2.415]
Saro-tahotry ny masony ka te-hividy ny lohany, manahy ny sofin-jaza ho lava, ka no miala liana amin' ny bitro ! [2.558 #3850]
Saro-tahotry ny masony, ka tia vidy ny lohany. [2.415]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayComment, ayant peur de l' oeil, prétendez-vous acheter la tête ? [2.415]
Il a peur des yeux du mouton, et il veut cependant en acheter la tête. [2.415 #3819]
Vous craignez les yeux et vous voudriez acheter toute la tête! [2.165 #1184]
Fanazavana frantsaySe disait des fanfarons. [2.415 #6013]
Se disait des gens désireux d' une chose et qui ne se laissent pas arrêter par le danger ou la crainte ; se disait aussi des fanfarons et de ceux qui veulent avoir une chose sans se donner de peine pour l' obtenir. [2.415 #3819]

Ohabolana 3Mavo lamba mividy hena: anaovan’ ny olona sarotra, fa ataony ho liana. [2.653 #1693]
Mavo lamba mividy hena : anaovan' ny olona sarotra (lafo) fa ataony ho liana. [2.558 #2216]
Mavo lamba mividy hena, ka tsy fantatry ny olon-ko liana. [2.165 #1480, 2.415 #2528]
Dikanteny frantsayIndividu mal habillé qui veut acheter de la viande : on ne s' aperçoit pas de son désir,. [2.415 #2528]
Un homme misérablement habillé qui cherche acheter de la viande: les gens ne s' aperçoivent pas de son désir. [2.165]
Fanazavana frantsayIl est tellement mal mis qu' on ne pense pas qu' il ait de quoi acheter. [2.165]

Ohabolana 4Mpandranto maro anaka : any an-dalana no miala liana. [2.558]

Ohabolana 5Ny malahelo tsy mba liana. [2.415 #2546]
Dikanteny frantsayLes malheureux n' ont pas d' envie. [2.415 #2546]
Fanazavana frantsayIls ne peuvent pas se payer ce luxe. [2.415 #2546]

Ohabolana 6Ny olom-boky tsy manina, ny malahelo tsy mba liana. [2.558 #3186]
Ny olom-boky tsy mba manina ; ny malahelo tsy mba liana. [2.653 #2375]
Olom-boky tsy manina. [2.165]
Dikanteny frantsayUn homme rassasié n' a plus de regrets (ou de désirs). [2.165]

Ohabolana 7Trandraka azon’ ny liana. [1.147 #T125]

Fizahan-teny