Fizahan-teny

Ohabolana : mahamaodimaody

Ohabolana 1Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka fa ny lambo nahamaodimaody ? [2.558 #3636]
Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka ny lambo-dia tsy ho maody ? [2.653 #2703]

Ohabolana 2Voalavo mihazakazaka alina : tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy atao andro lava no mahamaody. [2.415 #4333, 2.653 #3692]
Voalavo mihazakazaka alina, tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy natao andro lava no mahamaodimaody. [2.558]
Dikanteny frantsayRat qui court la nuit : ce n' est pas qu' il soit pressé par le chemin à parcourir, mais il craint à cause des rapines qu' il fait tout le jour. [2.415 #4333]
Fanazavana frantsaySe dit de ceux qui ont des remords, alors même que leurs mauvaises actions ne sont pas découvertes. [2.415 #4333]

Fizahan-teny