Fizahan-teny

Ohabolana : maharary

Ohabolana 1Aty sy afero, ka izay voatohina, maharary. [2.415 #1054]
Dikanteny frantsayFoie et bile : touchez le foie et la bile est remuée. [2.415 #1054]
Fanazavana frantsayChacun ressent les malheurs de ses parents. [2.415 #1054]

Ohabolana 2Aza atao an-kambo ny hitsak' ondry, fa maharary. [2.165 #1350, 2.415 #2688]
Dikanteny frantsayNe traitez pas de petite chose qu' un mouton me marche sur le pied, cela fait mal. [2.415 #2688]
Quand un mouton me marche sur les pieds, ne dites pas que ce n' est rien, car ça fait mal quand même. [2.165 #1350]

Ohabolana 3Aza manao tsingala mahalala ombin-tena. [2.415 #5364, 2.165, 1.1]
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena, na anaty fo maharary. [2.653 #538]
Fanazavana malagasyAza miangatra ka ny sasany tiatiana sy asian-tsoa kokoa fa aoka samy hasiana soa daholo tsy misy avakavaka. [1.1]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme la "tsingala" , qui connaît son propre bœuf (et par conséquent ne lui fait pas de mal). [2.165]
Ne faites pas comme l' insecte tsingala qui est égoïste et ne connaît que son bien. [2.415 #5364]
Fanazavana frantsayCe proverbe veut dire qu' il ne faut pas favoriser ses parents ou ses amis aux dépens des autres. [2.165]
Ne soyez pas partial, tout pour vos parents et rien pour les autres. On disait que cet insecte perce les intestins du boeuf pour sortir, et tue ainsi l' animal qui l'a avalé en buvant. [2.415]

Ohabolana 4Aza manao vain-drahalahy tsy mba maharary. [2.653 #540]
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary. [2.415 #5385, 1.1]
Fanazavana malagasyTsy miraharaha afa-tsy izay mahazo ny tena ihany, fa ny an' ny sasany heverina ho tsinontsinona. [1.1]
Dikanteny frantsayFaire comme celui qui compte pour rien les furoncles qui font souffrir ses frères. [2.415 #5385]
Fanazavana frantsaySe disait des gens insensibles aux maux d' autrui. [2.415 #5385]

Ohabolana 5Aza manao zanaka anaty fo maharary. [2.165 #1888, 2.653 #554]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas s'affliger seulement de ce qui touche ses enfants. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas à tout prix leur donner raison, ou être trop indulgent envers eux. [2.165]

Ohabolana 6Ba ambane maso : sanja maharare ro mbo mahameñatse. [1.68]
Fere ambane maso : sady maharare ro mahameñatse. [1.68]
Fery ambany maso, sady maharary no mahamenatra. [2.415 #6448, 2.165]
Fery ambony maso ka sady maharary no mahamenatra. [2.558 #1161]
Dikanteny frantsayUne plaie sous les yeux : ça fait mal et rend honteux en même temps. [1.68, 2.165 #2054]
Une plaie sous les yeux : non seulement ça fait mal, mais ça rend aussi honteux. [1.68]
Une plaie sur les yeux non seulement fait mal, mais rend honteux. [2.415 #6448]

Ohabolana 7Didiako feko maharary, jereko zanako tsy foiko. [2.558 #983, 2.653 #838]

Ohabolana 8Hanao ahoanan’ ny efa nozoiny, ka tsy haharitra ny maharary. [2.415 #2599, 2.653 #1021]
Dikanteny frantsayQue peut-on faire quand on est atteint par le malheur, si ce n' est de supporter patiemment la douleur? [2.415 #2599]
Fanazavana frantsayIl faut prendre son mal en patience. [2.415 #2599]

Ohabolana 9Izay maharary no itoeran' ny aina. [1.1]
Fanazavana malagasyTsaroana erý, miohatra noho ny rantsam-batana hafa, ilay marary amin' ny tena, ka saika ao mandrakariva ny saina sy ny eritreritra. [1.1]

Ohabolana 10Langilangy zozoro : midoboka ihany fa tsy maharary. [2.165 #2204, 2.415 #3580, 2.558 #1726, 2.653]
Dikanteny frantsayGourdin de jonc : ça résonne, mais ça ne fait pas mal. [2.415 #3580]
Un bâton en jonc: il a l' air terrible mais il ne fait pas mal. [2.165 #2204]
Fanazavana frantsaySe disait des menaces qui ne sont jamais exécutées comme celles qui sont faites dans les réunions de fonctionnaires. [2.415 #3580]

Ohabolana 11Mafampana hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mafanafana ohatra ny ratsy ataon-kavana. [2.165, 1.1]
Mafanafana sahala amin' ny latsa ataon-kavana. [2.558 #1829]
Mafanafana sarotra inoana tahaka ny ratsy ataon-kavana. [2.558 #1830]
Mafanafana, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653]
Maharary hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mahararirary, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653 #1409, 2.974 #364]
Fanazavana malagasyRehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan' ny aina ka mafana sy manempotra. [1.1]
Dikanteny frantsayExcessivement sensible, comme les mauvais procédés d’un parent. [2.974 #364]
Pénible comme le mal fait par un parent. [2.415 #1091]
Pénible (litt. assez chaud) comme le mal fait par des parents (ou amis). [2.165]
Fanazavana frantsayOn sent plus vivement les mauvais traitements lorsqu'ils viennent des parents. [2.415 #1091]

Ohabolana 12Mikentrona aza maharary ka hitomany ho loza! [2.558]
Miketrona aza maharary, ka hitomany ho mainka loza ! [2.415 #2624, 2.653]
Dikanteny frantsayC' est déjà pénible de froncer les sourcils et on va pleurer pour aggraver la peine ! [2.415 #2624]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas aggraver le mal. [2.415 #2624]

Ohabolana 13Ny harena tahaka ny volon' orona : kely alana maharary, be alana maharary. [2.558 #3035]
Ny harena toy ny volon’ orona: be alana, maharary; kely alana, maharary. [2.415 #2227, 2.653 #2252]
Ny harena toy ny volon' orona, ka be alana maharary kely alana maharary. [2.165]
Volon’ orona ny harena : be alana, maharary; kely alana maharary. [1.147]
Dikanteny frantsayLa richesse est comme les poils du nez: on en arrache beaucoup, ça fait mal, on en arrache peu, ça fait mal encore. [2.165 #740]
Les richesses c' est comme les poils du nez : arrachez-en beaucoup, cela fait mal ; arrachez-en peu, cela fait mal. [2.415 #2227]
Fanazavana frantsaySe disait de l' attachement aux richesses. [2.415 #2227]

Ohabolana 14Raha maharary aza ny tanana, jereo aloha ny kibo tsy misy hanina. [2.165]
Dikanteny frantsayQuand même la main vous fait mal, regardez d' abord votre ventre vide. [2.165]
Fanazavana frantsayParole de consolation à l' adresse des laboureurs qui ont les mains écorchées d' avoir manié la lourde bêche indigène. [2.165]

Ohabolana 15Salohin dRavalovetra : tsoahina maharary, aroso maharary. [1.147 #S13]

Ohabolana 16Tanana an-kavia sy havanana, ka izay didiana maharary. [2.165 #1033]
Tanan-kavia sy havanana: izay didia-maharary. [2.653 #2997, 2.974 #425, 1.1]
Tanan-kavia sy havanana ka izay didia-maharary. [2.415 #1129, 2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa samy rantsambatan' ny tena ireo ka na iza na iza voadidy aminy, dia samy ren' ny tena maharary tokoa. [1.1]
Dikanteny frantsayLa main gauche et la main droite, que l' on se coupe lune ou que l' on se coupe l' autre, c' est également douloureux. [2.165]
Main droite et main gauche : quand l'une est blessée, l' autre le sent. [2.415 #1129]
Main gauche et main droite : elles souffrent de la môme blessure. [2.974 #425]
Fanazavana frantsayLes parents ressentent les malheurs de leurs parents. [2.415 #1129]

Ohabolana 17Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [2.558]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [2.415 #1128, 2.653]
Dikanteny frantsayMain droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [2.415 #1128]
Fanazavana frantsaySe disait des différends entre parents. [2.415 #1128]

Ohabolana 18Toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra. [2.415 #1719]
Toy ny tongo-bakivaky : sady manaintaina no mahamenatra, alana ny loto vao mitondra fasika mody. [2.558 #4328]
Toy ny tongotra vakivaky: sady maharary no mahamenatra. [2.165 #2074]
Tongo-bakivaky, ka sady maharary no mahamenatra. [2.558]
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra. [2.415 #5311, 2.653 #3135, 1.1]
Fanazavana malagasyIlazana toetra ratsy izay sady ahitam-pahavoazana ho an' ny ankohonana no mahafa-baraka amin' ny any ivelany. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme les pieds gercés, cela fait mal et cela fait honte. [2.415 #1719]
Comme des pieds tout crevassés, c' est douloureux et honteux en même temps. [2.165]
Les pieds qui se fendillent ne font pas seulement mal, mais encore il donne de la honte. [2.415 #5311]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui donne de l' inquiétude et de la honte, par exemple une affaire entreprise et qui n' est pas achevée. [2.415 #5311]
Se disait des malheurs qui étaient occasion de honte. [2.415 #1719]

Ohabolana 19Tondroko iray no maharary, ka ny tenako be no savihiny. [2.558 #4180]
Tondroko iray no marary, ka ny tenako be no savihiny. [2.653 #3126, 2.415]
Dikanteny frantsayUn seul de mes doigts est malade et tout mon corps en est saisi. [2.415 #2826]
Fanazavana frantsaySe disait de la solidarité. [2.415 #2826]

Ohabolana 20Tsongo fon-teña, tsongo foñ' olo. [1.68]
Tsongoy fon-tena tsongoy fon' olona. [2.415 #5414, 2.558 #4471, 2.653 #3331, 1.1]
Tsongoy fon-tena, tsongoy fon' olona, fa raha mahalala maharary ny an-tena, mba mahalala maharary ny an' olona. [2.165 #380]
Fanazavana malagasyArakaraka ny tenanao no tokony hitsaranao ny sasany. [1.1]
Hevero na alaovy an' eritreritra amin' izay mahazo ny tenanao ny mba mahazo ny hafa koa raha manao toy izao sy toy izao ianao. [1.1]
Dikanteny anglisyFeel of others heart, feel of your own. [1.7]
Fanazavana anglisyThe Malagasy version of the Golden Rule. [1.7]
Dikanteny frantsayPalpez le coeur d'autrui, puis palpez votre propre coeur. [1.8]
Pincez votre coeur d' abord, et ensuite celui des autres. [2.415]
Pincez votre coeur et ensuite celui des autres. [1.68]
Pincez votre cœur, pincez le cœur des autres; car si vous savez ce qui vous fait mal, vous savez aussi ce qui fait mal aux autres. [2.165 #380]
Fanazavana frantsayNe faites pas aux autres ce que vous ne voudriez pas qu'on vous fit. [1.68, 2.415 #5414]

Fizahan-teny