Fizahan-teny

Ohabolana : mahefa

Ohabolana Andriamatoa no hahefa raharaha, ka Ikotokely no voadabodaboka. [Rinara 1974]
Andriamatoa no hahefa raharaha, ka Ikotokely no voahavokavoka. [Veyrières 1913 #6469, Cousins 1871 #208]
Dikanteny frantsay C' est Andriamatoa l' aîné, qui entreprend, et c' est Ikotokely le cadet, qui est battu. [Veyrières 1913 #6469]
Fanazavana frantsay Payer pour les autres. [Veyrières 1913 #6469]

Ohabolana Andrianjato, Andrianarivo, aza manao Andrianentoarivo mitsara tsy mahefa mitsara aman-kodiny. [Veyrières 1913]
Aza manao toa an' Andrianentoarivo izay manameloka tsy milaza ny antony, ka sady mitsara no manenda-koditra. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Princes et seigneurs, qui que vous soyez, ne jugez pas comme Andrianentoarivo qui condamne sans jugement et sans dire le motif de la condamnation, mais qui juge en enlevant la peau du tanguin et en administrant le poison. [Veyrières 1913 #3332]
Fanazavana frantsay Allusion à la cruauté d'Andrianentoarivo qui non content d'administrer le poison aux poulets par l' épreuve du tanguin, l'administra le premier aux hommes : ce proverbe remonte à l' époque du roi Andrianjaka au commencement du XVIIe siècle. [Veyrières 1913 #3332]

Ohabolana Hadidisana tsy mahefa kabaro. [Samson 1965 #H5]

Ohabolana Hebokebok’ i Volanenana : sady tsy mahavita ny an-tena, tsy mahefa ny an’ olona. [Samson 1965 #H22]

Ohabolana Iambohoana mahefa, ary atrehina mahavita. [Veyrières 1913 #3799]
Dikanteny frantsay Qu' on tourne le dos ou qu' on soit présent, il travaille. [Veyrières 1913 #3799]
Fanazavana frantsay Se disait des gens consciencieux dans le travail, des gens sur lesquels on peut compter. [Veyrières 1913 #3799]

Ohabolana Irak' Andriana : aleo ela toy izay haingan-tsy mahefa. [Rinara 1974 #1442]

Ohabolana Korodona an’ i Boso ; antitra mahefa. [Samson 1965 #K27]

Ohabolana Vava aman-kavana ka ny mahefa be no manenina. [Rinara 1974 #4898]

Fizahan-teny