Fizahan-teny

Ohabolana : mamoa

Ohabolana 1Akondro efa namoa, ka ny sisa no atero zezika fa izy lasan-kiraika. [2.558]
Akondro efa namoa : ny sisa no atero zezika, fa izy lasan-kiraika. [2.415 #1796, 2.653 #70]
Dikanteny frantsayBananier qui a porté son fruit : fumez les autres, car pour lui, il va s' incliner et périr. [2.415 #1796]
Fanazavana frantsaySe disait des vieillards. [2.415 #1796]

Ohabolana 2Akondronay no ho mamoa, ka azonay anaranam-po. [2.415 #499, 2.653 #78]
Akondronay no mamoa ka azonay anaranam-po. [2.165 #1562, 2.558 #92]
Dikanteny frantsayCe bananier qui porte des fruits est à nous et nous en avons la libre disposition. [2.415 #499]
Ce sont nos bananiers qui ont porté des fruits, et nous sommes libres d' en faire ce que nous voulons. [2.165]
Fanazavana frantsayLe maître de l' esclave est maître de son enfant, comme de tous ses biens. [2.415 #499]
Proverbe souvent cité par des propriétaires qui s' emparaient de ce que leurs esclaves avaient pu amasser en propre. [2.165]

Ohabolana 3Antsotry morona, saiky tsy namoa ka mifaoka amin' ny tany. [1.147 #A93]

Ohabolana 4Mamoa daholo ny hazo rehetra, fa toa vory fatratra indrindra ny tsikobona. [2.653 #1476]

Ohabolana 5Mandrebireby ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha mandrebireby ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Mizaha toetra (mandrebireby) ny taona tahaka ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.558 #3]
Mizaha toetra ny taona hoatry ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.415 #3127]
Mizaha toetra ny taona, ohatra ny tsaramaso mamoa ririnina. [2.653]
Dikanteny frantsayTenter ou troubler la saison comme les haricots qui donnent des fruits en hiver. [2.415 #3127]
Fanazavana frantsaySe disait des choses arrivant hors de saison. [2.415 #3127]

Ohabolana 6Ny hazo tsara mamoa tsara, ny hazo ratsy mamoa ratsy. [2.415 #2962]
Dikanteny frantsayLe bon arbre produit de bons fruits, la mauvais arbre produit de mauvais fruits. [2.415 #2962]
Fanazavana frantsaySe disait de la conduite, bonne ou mauvaise. [2.415 #2962]

Ohabolana 7Tatamo endriky ny saha, hazo mamoa vola, mamoa voahangy, ka izay tandindominy dia manga, ary izay alokalofany dia maitso. [2.974 #353]
Dikanteny frantsayNénuphar parure de la plaine, arbre chargé d’argent et de perles : tout ce qu’il abrite est teinté de bleu, tout ce qu’il ombrage a des reflets verts. [2.974 #353]

Ohabolana 8Tsy mety raha toy ny hofika, ka sady hamoa no hamody. [2.558 #4682]
Tsy mety raha toy ny hofika, sady hamoa no hamody. [2.415 #5056, 2.653 #3492]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas être comme la dioscorée qui porte tout à la fois des fruits et des tubercules. [2.415 #5056]
Fanazavana frantsaySe disait des gens doubles, de ceux qui sont des deux partis. [2.415 #5056]

Fizahan-teny