Fizahan-teny

Ohabolana : manalavitra

Ohabolana 1Boka matin' ny nendra : indroa manalavitra ny fasan-drazana. [2.415 #1960, 2.653 #786]
Dikanteny frantsayLépreux qui meurt de la petite vérole : il est deux fois exclu du tombeau des ancêtres. [2.415 #1960]
Fanazavana frantsayLes lépreux et les gens qui mouraient de la petite vérole, étaient exclus du tombeau de famille ; ce proverbe se disait des gens atteints de plusieurs calamités. [2.415 #1960]

Ohabolana 2Mpilomano tsy mahay, ka tsy manalavitra ny lakana (morona). [2.558 #2621]
Mpilomano tsy mahay rano (izahay), ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.653 #1986]
Mpilomano tsy mahay rano, ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.415 #818]
Dikanteny frantsayNous sommes des nageurs ne sachant pas bien nager : nous ne nous éloignerons pas de la pirogue. [2.415 #818]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la nécessité d' un appui. [2.415 #818]

Ohabolana 3Nataonao tsy hijoro angaha aho no nanalavitra ity hianao? [2.558 #2768]

Ohabolana 4Ny fanambadiana ohatra ny menaka, ka raha manalavitra ny afo, dia mandry. [2.653]
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry. [2.558 #193]
Ny fanambadiana tahaky ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry. [2.415 #1216]
Dikanteny frantsayIl en est du mariage comme de la graisse : quand on l' éloigne du feu, elle se fige. [2.415 #1216]
Fanazavana frantsayLoin des yeux, loin du coeur. [2.415]

Ohabolana 5Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [2.558 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [2.165 #161]
Dikanteny frantsayL' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [2.165]

Fizahan-teny