Fizahan-teny

Ohabolana : mangetaheta

Ohabolana 1Aza mangetaheta ambony lakana. [2.558 #681]
Aza mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [2.165 #787]
Mangetaheta ambony lakana. [1.147 #M60, 2.415 #2303]
Mangetaheta ambony lakana, mosarena ambody sompitra. [1.1]
Mangetaheta ambony lakana, noana ambody sompitra. [1.1]
Mangetaheta ambony lakana, noana manatrika ny sompitra. [2.974]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na misento manan-tiana. [2.558 #4634]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [2.653 #3454]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana amoron-tsompitra. [2.415 #2335]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana manatrika ny sompitra. [2.415 #2335]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mitaraina tsy fisiana nefa eo afovoan' ny fananam-be, na koa olona tsy mahay manararaotra ny soa betsaka eo anoloany na efa ilomanosany. [1.1]
Entina milaza tsy fahafaham-po amin' izay misy sy hita eo akaiky. [1.1]
Mihafihafy eo ampovoan' izay rehetra ilaina. [1.1]
Dikanteny frantsayAvoir soif en pirogue ; avoir faim devant un grenier = souffrir de la privation au milieu de l'abondance. [2.974 #5]
Il ne convient pas d'avoir soif quand on est dans la pirogue, ou faim quand on est devant le grenier à riz. [2.415 #2335]
Il ne faut pas se laisser avoir soif quand on est en pirogue (donc avec de l' eau tout autour), ni avoir faim quand on est devant un grenier. [2.165 #787]
Se priver au milieu de l' abondance c' est comme si on avait soif dans une pirogue. [2.415 #2303]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ont, mais ne veulent pas dépenser. [2.415 #2335]

Ohabolana 2Tsara raha mangetaheta ka mahita rano. [2.165]
Tsara raha mangetaheta ka sendra rano. [2.415 #5879, 2.558 #4410, 2.653 #3288, 2.974]
Dikanteny frantsayC' est une bonne chose quand on a soif, de rencontrer de l' eau. [2.415 #5879]
Il est agréable de trouver de l' eau quand on a soif. [2.165]
Il est doux, quand on a soif, de rencontrer de l eau. [2.974 #127]
Fanazavana frantsayDésir comblé. [2.415 #5879]

Fizahan-teny