Fizahan-teny

Ohabolana : maniry

Ohabolana 1Aleo irin' olona toy izay maniry olona. [1.1]
Fanazavana malagasyMatoa irin' olona ny tena, manana ny tsara sy ny ampy, fa ny maniry na mitsiriritra olona kosa dia mitory fa latsa-danja noho izy ny tena. [1.1]

Ohabolana 2Aza maniry ombin-tena. [2.165 #627]
Aza maniry ombin-tena, fa tsy mety. [2.415 #1410, 2.558 #687, 2.653 #579]
Tsy mety ny maniry ombin-tena. [2.415 #1410]
Dikanteny frantsayCela fait mal de voir dans le village, les boeufs que l' on a vendus. [2.415]
Il ne faut pas désirer un bœuf (qu' on a déjà). [2.165]
Ne convoitez pas vos propres boeufs, car cela ne convient pas. [2.415 #3171]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait d' une femme répudiée, et qui était remariée dans le village sous les yeux de son premier mari. [2.415 #1410]
Il ne faut pas se faire passer pour pauvre. [2.165]
Se disait aux enfants qui veulent hériter trop tôt. [2.415 #3171]

Ohabolana 3Biby tsy mandeha tsy amin' ny lohany, hazo tsy maniry tsy amin' ny fakany. [2.558 #897]
Biby tsy mandeha tsy ny lohany ; hazo tsy maniry tsy ny fakany ; rano tsy mita tsy ny fandrana. [2.415 #965, 2.653 #764, 2.974 #319]
Mañalihale biby an-davake. [1.68]
Dikanteny frantsayChercher un animal dans son trou. [1.68]
L’animal ne marche que la tête en avant, l’arbre ne pousse que grâce à ses racines, l’eau ne s’écoule que par un canal. [2.974 #319]
Un serpent ne va pas sans sa tête, un arbre ne pousse pas sans ses racines, l' eau ne franchit pas un fossé sans qu' un tronc de palmier creusé lui serve de conduit. [2.415 #965]
Fanazavana frantsayChercher des problèmes. [1.68]
Se disait des enfants et des inférieurs que des gens malveillants montaient contre leurs parents ou leurs chefs et détachaient d' eux. [2.415 #965]

Ohabolana 4Borona maniry ambony vato ka rehefa tsy maty dia zara. [2.558 #959]

Ohabolana 5Donga tsy soa ohatra ny anantsinahy ambony taimboraka. [2.558 #1009]
Donga tsy soa toy ny anantsinahy ambony taim-boraka. [2.415 #58]
Hoatry ny anantsinahy maniry ambony taim-boraka. [2.415 #3009]
Dikanteny frantsayDe belle venue sans être bon, comme le bident qui pousse sur des résidus de panse de boeuf. [2.415]
Semblable au bident qui pousse sur les détritus de panse de boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens ou des choses de belle apparence, sans réalité. [2.415 #58]
Se disait des mauvais sujets. [2.415 #6717]

Ohabolana 6Fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao, dia lany koa ny ahy. [2.165 #1814, 2.415 #1372]
Fitia miara-maniry : raha lany ny anao, mba lany ny ahy. [2.415 #5091]
Dikanteny frantsayL'amour est chose mutuelle : si le vôtre est épuisé, le mien l' est aussi. [2.415 #5091]
L' amour est réciproque : si le vôtre est parti, le mien est parti aussi. [2.415 #1372]
Notre amour était réciproque, et si le vôtre est parti, le mien l' est également. [2.165]
Fanazavana frantsayJe vous aime dans la mesure où vous m' aimez. [2.415 #5091]

Ohabolana 7Fotsimbary maniry Ravololonandriana. [2.415 #910]
Dikanteny frantsayQue la vieille Ravololonandriana enfante, c' est comme si du riz décortiqué venait à pousser. [2.415 #910]

Ohabolana 8Fotsy tsy mahataitra toy ny tsiaridrafy maniry am-piringa. [2.558 #79]

Ohabolana 9Hazo maniry ambony vatobe aho, ka raha tsy ny vato no miongana tsy miseho faka. [2.558 #1298]
Hazo maniry ambony vato lehibe aho : raha tsy ny vato no miongana tsy miseho ny fakany. [2.415 #200, 2.653 #1042]
Dikanteny frantsayJe suis un arbre qui pousse sur de grands rochers : on n' en voit pas les racines à moins que les rochers ne s' écroulent. [2.415 #200]
Fanazavana frantsayParoles royales disant force et puissance. [2.415 #200]

Ohabolana 10Itony mpamosavy, tsy maniry tandroka hiviliana na mivovò handosirana. [2.558 #1454]
Itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana. [2.165]
Dikanteny frantsayLe sorcier n' aboie pas pour qu' on le fuie, et il ne lui vient pas des cornes pour qu' on s' en détourné. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. aucun signe extérieur ne le fait reconnaître comme sorcier, et ainsi on ne peut s' en garder. [2.165]

Ohabolana 11Izay maniry fotsiny, na ahazoana izay irina. [2.558]

Ohabolana 12Izay maniry fotsiny, tsy mampanan-karena. [2.558]

Ohabolana 13Loha sola : maniry tsy hitam-pokon' olona, ary mihintsana tsy hitam-bady aman-janaka. [2.415 #2130, 2.653 #1372]
Loha sola : mariry tsy hitam-pokonolona, nihitsana tsy hitam-bady aman-janaka. [2.558 #128]
Dikanteny frantsayTête chauve : quand les cheveux poussent, les citoyens du village ne les voient pas, et quand ils tombent, la femme et les enfants ne s' en aperçoivent pas. [2.415 #2130]
Fanazavana frantsaySe disait de l' intérieur du ménage et de l' extérieur. [2.415 #2130]

Ohabolana 14Maniry hanina an-tenda, hoatry ny amboa miambozon-koditra. [2.415 #5859]
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra. [1.62, 2.558, 1.1]
Nahoana no maniry manitra tahaka ny alika miambozon-koditra ? [2.558 #179]
Fanazavana malagasyEntina milaza olona mitsiriritra zava-tsoa izay lavitra azy sy mety ho sarotra ny hahazoana azy nefa tsy lavitra azy dia efa misy an'io zavatra tsiriritiny io saingy tsy azony alaina ho azy akory. [1.62]
Entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. [1.1]
Eo akaikin' ny zavatsoa iray lalandava, nefa tsy afaka hanararaotra. [1.1]
Maniry hahazo zavatra mahafinaritra izay eo akaikin' ny tena lalandava, nefa tsy ho azo na oviana na oviana. [1.1]
Dikanteny frantsayDésirer une nourriture qu' on a à la gorge, c' est comme le chien qui a un collier en peau. [2.415 #5859]

Ohabolana 15Maniry mamy an-trano, tahaky ny vady aman-janaky ny mpivaro-tantely. [2.415 #1208]
Dikanteny frantsayDésirer les douceurs et les gâteries dans le ménage, comme la femme et les enfants du marchand de miel qui désirent le miel et ne peuvent pas y toucher. [2.415 #1208]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas trop demander dans le mariage. [2.415 #1208]

Ohabolana 16Maniry manitra ohatra ny boka anaty tapia. [2.558]
Nahoana no maniry manitra, hoatry ny boka anaty tapia ? [2.415 #2018]
Nahoana no maniry manitra ohatra ny boka anatin' ny ala-tapia. [2.558]
Nahoana no maniry manitra ohatra ny boka anaty tapia? [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayPourquoi recherchez-vous ce qui est doux (ou: sent bon) comme un lépreux au milieu des "tapia?". [2.165]
Pourquoi soupirer après les parfums comme un lépreux au milieu des arbres tapia ? [2.415 #2018]
Fanazavana frantsayDésirs peu proportionnés. [2.415 #2018]
Le "tapia" est un arbre dont les fruits sont comestibles et dont les feuilles servent de nourriture aux vers à soie. Mais, quoique cet arbre ne soit pas élevé, le lépreux ne peut pas saisir les fruits, ni même ramasser ceux qui sont à terre. [2.165]

Ohabolana 17Maniry midina toa volon' orona. [2.558 #2115]

Ohabolana 18Maniry nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Mitady nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Fanazavana malagasyManiry zavatra tsy ho tonga na ho azo na oviana na oviana. [1.1]
Mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. [1.1]

Ohabolana 19Maniry ny randrana tsy manendrika. [2.415 #2442]
Dikanteny frantsayDésirer ce qui ne convient pas, c' est être comme une femme désirant des tresses de cheveux qui ne lui vont pas. [2.415 #2442]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui envient le bonheur des autres. [2.415 #2442]

Ohabolana 20Maniry trafon' ombalahy. [2.415 #5453]
Dikanteny frantsayDésirer la bosse du boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsayChercher à supplanter ceux à qui on doit respect et obéissance. Autrefois la bosse du boeuf était réservée au souverain ou au seigneur, c'était le symbole du pouvoir; les souverains dans leurs discours employaient souvent cette expression pour désigner ceux qui cherchaient à les supplanter. [2.415]

Ohabolana 21Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Mba ataovy toy ny anana lahy ka raha maniry tsongoina. [2.558 #2219]
Mba ataovy toy ny anana lany: raha maniry tsongoina. [2.653 #1696]
Dikanteny frantsayFaites-lui donc comme aux herbes potagères: s' il croît, coupez-le. [2.165 #1563]

Ohabolana 22Ny aina tsy mba bozaka, ka raha maina ny lohany dia maniry indray ny fakany. [2.558 #2835]
Ny aina tsy mba bozaka, ka raha maina ny lohany maniry indray ny fakany. [2.415 #2770, 2.653 #2128, 2.974 #470]
Dikanteny frantsayLa vie n’est pas comme l’herbe, dont la tige peut reverdir, si la pointe se flétrit. [2.974 #470]
La vie n'est pas comme l' herbe qui repousse par la racine lorsque la tête est desséchée. [2.415 #2770]
Fanazavana frantsayLa vie est courte. [2.415 #2770]

Ohabolana 23Ny handrandrana indray ve no hanafenan-doha sola! Ny handrina no tsy naniry volo dia ny henatra. [2.558]
Ny handrina no tsy mantry volo, ny henatra. [2.165 #70]
Ny handrina no tsy naniry volo, ny henatra. [2.974 #103, 1.1]
Ny handrin' ny olona no tsy maniry volo, ny henatra. [2.415 #2960]
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola. [1.1]
Fanazavana malagasyNy olona hikarakara ny tena no tokony hampahalalana voalohany ny momba ny tena. [1.1]
Dikanteny frantsaySi le front des mortels n' a pas de cheveux, c' est la honte qui en est la cause. [2.415 #2960]
Si le front est dépourvu de cheveux, c’est pour lui permettre de rougir. [2.974 #103]
S' il ne croît pas de cheveux sur le front c' est à cause de la honte. [2.165]

Ohabolana 24Ny herana aman-jozoro dia maniry amin' ny tany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tsy latsaka avy any an-danitra. [2.415 #6241]
Dikanteny frantsayLes joncs poussent de la terre, l' or et l' argent ne tombent pas du ciel. [2.415 #6241]
Fanazavana frantsayParoles de Radama I sur le travail. [2.415 #6241]

Ohabolana 25Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [2.653]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [2.974]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [2.558 #3207]
Dikanteny frantsayLa chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [2.974 #159]

Ohabolana 26Osivavy maniry somotra : ny lova tamin-dray tsy avela, ny hetra tamin-dreny tsy afoy. [2.558 #3471]
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso. [2.165 #1292, 2.415 #1790]
Dikanteny frantsayC' est comme la chèvre qui a une barbe : elle hérite de père et mère. [2.415 #1790]
Pareil à une chèvre qui a une barbe: elle a hérité à la fois de son père et de sa mère. [2.165]

Ohabolana 27Raha maniry ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.653, 2.165]
Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra. [1.1]
Raha mitohy ihany ny hazo, ho tonga any an-danitra no farany. [2.165]
Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra. [1.1]
Fanazavana malagasyEntina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. [1.1]
Misy fetra ny fanirin' ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina. [1.1]
Dikanteny frantsaySi l' arbre ne s' arrêtait pas de croître, il finirait par toucher le ciel. [2.165 #960]

Ohabolana 28Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy. [2.165]
Raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry tsongoina. [2.558 #3626]
Dikanteny frantsaySi vous trouvez un sorcier piétinant (sur un tombeau), faites lui comme aux "anana" (nom générique des herbes potagères), quand elles poussent, on les coupe. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. débarrassez-vous de lui. [2.165]

Ohabolana 29Toy ny kamo mihinana akondro : Mba maniry va re ny hodiny. [2.558 #4295]
Toy ny kamo nihinana akondro: "Mba maniry va re ny hodiny ?". [2.653 #3205, 2.974 #193]
Dikanteny frantsayComme le paresseux qui a mangé une banane : " Peut-on en planter la peau ? ". [2.974 #193]

Ohabolana 30Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy. [2.415 #948]
Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy, naniry harena ka nahavita trano. [2.558 #4411]
Tsara raha naniry zaza ka tera-dahy. [2.653 #3289, 2.974 #128]
Dikanteny frantsayHeureuse la femme qui désirait un enfant et qui a mis au monde un fils. [2.415 #948]
Il est doux, quand on a désiré un enfant, d’avoir un garçon. [2.974 #128]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui voyaient leurs désirs se réaliser. [2.415 #948]

Ohabolana 31Tsy maniry adin' ombin' olona fa manana an' i Marosada. [2.558 #4535]

Ohabolana 32Tsy mba tsiriry vorona aho ka manidina raha ritra ny rano, fa tsiriry ahitra ka maniry raha ritra ny rano. [2.165]
Tsy mba tsiriry vorona, ka raha ritra ny rano manidina, fa tsiriry ahitra, maniry raha ritra aza ny rano. [2.415 #5318]
Dikanteny frantsayCe n' est pas le tsiriry canard sauvage, qui s'envole au loin lorsque l' eau est désséchée, mais le tsiriry plante, qui pousse alors même qu' il n' y a plus d' eau. [2.415 #5318]
Je ne suis pas l' oiseau "tsiriry" qui s' en va quand l' eau est tarie, mais je suis l' herbe "tsiriry" qui pousse quand même il n' y a plus d' eau. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des constants et des inconstants. [2.415 #5318]

Ohabolana 33Tsy mety raha maniry biby maro soratra, ka nony tonga tsiravin' endrika. [2.558 #4635]
Tsy mety raha maniry biby maro soratra, ka nony tonga, tsy tian-kozahana. [2.415 #5347, 2.653]
Dikanteny frantsayDésirer des animaux bigarrés, et ne pas vouloir les voir quand ils sont arrivés, cela ne convient pas. [2.415 #5347]
Fanazavana frantsaySe disait des gens fantasques et capricieux. [2.415 #5347]

Ohabolana 34Tsy misy ratsy maniry tandroka hamantarana azy, hoy ilay nibasi-maty. [2.558 #4741]

Ohabolana 35Vary maniry an-davabary, ka mitaroka anatin' ny maizina. [2.165 #2196, 2.558 #314]
Vary maniry an-dava-bary : mitaroka anatin’ ny maizina. [2.653 #3620]
Dikanteny frantsayQuand le riz germe dans la fosse, il pousse dans les ténèbres. [2.165]

Fizahan-teny