Fizahan-teny

Ohabolana : marina

Ohabolana Bala mahatra ny marina ka tsy atifitra toloho []

Ohabolana Fanafodin’ ny osa, ny marina atao. [Rinara 1974 #1071, Cousins 1871 #897]
Fanafodin' ny osa ny marina ataony. [Houlder 1895 #92]
Fanafodin' ny osa : ny marina no atao. [Veyrières 1913 #2945]
Dikanteny frantsay Il n' est de meilleur remède pour les petits et les faibles que de toujours demeurer dans le droit chemin. [Veyrières 1913 #2945]
La défense (litt. médecine) des faibles c' est leur honnêteté. [Houlder 1895]

Ohabolana Fisaka ny to malama ny marina []

Ohabolana Lavo an-tany marina, solafaka nomen-tehina : tsy antena namono fa Zanahary. [Samson 1965 #L36]

Ohabolana Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana. [Rinara 1974 #1813]
Loza enti-mody ny rariny tsy ambara havana. [Veyrières 1913 #1090, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay La vérité qu' on ne communique pas aux parents, c' est un malheur qu' on rapporte chez soi. [Veyrières 1913 #1090]
Fanazavana frantsay Il faut tout traiter en famille. [Veyrières 1913 #1090]

Ohabolana Mahagaga ny marina, fa ny taim-borontsiloza avy no tsy ambara havana. [Rinara 1974 #1841]

Ohabolana Mandringa kely ila : manao rarangy am-pidinana, fa mikolepaka an-tany marina. [Veyrières 1913 #1651, Rinara 1974 #138, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Boiteux qui a une jambe atrophiée : il va au pas de course dans les descentes, mais dans un terrain plat il va clopin-clopant. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Réussir dans une chose difficile et ne pas réussir dans une autre plus facile. [Veyrières 1913 #1651]

Ohabolana Marina atao am-botraika ka very an-tsasany. [Rinara 1974 #2136]

Ohabolana Marina iombonam-be. [Veyrières 1913 #6073]
Dikanteny frantsay Vérité de sens commun. [Veyrières 1913 #6073]

Ohabolana Marina izany ahy izany. [Veyrières 1913 #6365]
Dikanteny frantsay C' est moi qui ai raison. [Veyrières 1913 #6365]
Fanazavana frantsay Paroles d' entêtement. [Veyrières 1913 #6365]

Ohabolana Mariry ny marina, fisaka ny to. [Samson 1965 #M2]

Ohabolana Mpiasa be miasa famoloana : mifamadika samy marina. [Veyrières 1913 #3279, Rinara 1974 #2610, Cousins 1871 #1978]
Dikanteny frantsay Homme simple qui laboure une aire : c' est un homme droit qui retourne ce qui est droit. [Veyrières 1913 #3279]
Fanazavana frantsay Se faire tort entre hommes de bien. [Veyrières 1913 #3279]

Ohabolana Na tsy hino aza ny olona, ny marina ve hafenina! [Rinara 1974]

Ohabolana Ny manana ny marina : akanjon-goaika ny azy. [Veyrières 1913 #3391]
Dikanteny frantsay Ceux qui ont pour eux la justice, ceux dont le droit est évident, leur affaire est claire et se voit immédiatement comme le collier blanc du corbeau. [Veyrières 1913 #3391]

Ohabolana Ny marina ankanifisana raha tsy tsikeraina tsy hita []

Ohabolana Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro []

Ohabolana Ny marina toy ny ketsa an-doharano : tomaratra maraina, mavana hariva. [Rinara 1974]

Ohabolana Ny marina toy ny ombalahy aronjina : na mivena aza tsy folaka. [Rinara 1974]

Ohabolana Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny lalina []

Ohabolana Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, ka tsy maty fa malazo. [Rinara 1974 #3126]
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, tsy maty fa malazo. [Veyrières 1913 #2966, Houlder 1895]
Toy ny tsiriry anaty harefo : malazo fa tsy maty. [Veyrières 1913 #6388]
Dikanteny frantsay C' est comme l' herbe tsiriry au milieux des joncs harefo : elle est sèche mais elle n' est pas morte. [Veyrières 1913 #6388]
Les hommes justes sont comme l' herbe tsiriry au milieu des joncs : ils ne meurent pas, il ne font que se faner. [Veyrières 1913 #2966]
Les justes sont comme l' herbe "tsiriry" au milieu des joncs: ils ne périssent pas, mais se fanent seulement. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Cette herbe est très vivace. Se disait des gens opiniâtres. [Veyrières 1913 #6388]

Ohabolana Ny marina tsy mba maty []
Tsy maty ny marina. [Veyrières 1913 #2980]
Dikanteny frantsay Le juste ne meurt pas. [Veyrières 1913 #2980]

Ohabolana Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa. [Cousins 1871]
Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy mety avokoa. [Rinara 1974]
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Les gens honnêtes sont comme une pierre longue servant aux sacrifices: on peut la placer n' importe où, elle exerce toujours son influence. [Houlder 1895 #101]

Ohabolana Ny olo-marina tahaka ny vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa []

Ohabolana Ny olo-marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [Veyrières 1913 #2968]
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Gens honnêtes : ils sont comme les taureaux que l' on pousse au combat : pas vaincus aujourd' hui, jamais tués. [Veyrières 1913 #2968]
Les honnêtes gens sont comme les taureaux que l' on pousse dans le combat: ils ne sont pas vaincus aujourd' hui, et ils ne sont jamais tués. [Houlder 1895]

Ohabolana Ny olona no miady ny marina no aolaka []

Ohabolana Ny teny marina ohatra ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana. [Houlder 1895]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava : tsy lany hainamiana. [Nicol 1935]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava: tsy lany hamamiana. [Cousins 1871]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava vany, ka na lava aza tsy lany hamamiana. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Les paroles sages sont comme la canne à sucre qu’on ne cesse de sucer: la saveur n’en peut être épuisée. [Nicol 1935 #203]
Les paroles vraies sont comme la canne à sucre que l'on mâche: quoiqu' elle soit longue, elle est douce partout. [Houlder 1895]

Ohabolana Ny tola-paditra zava-mahery, fa ny marina mahery kokoa. [Rinara 1974 #3309]

Ohabolana Teny zato, kabary arivo; fa iray ihany no marina. [Houlder 1895 #454]
Teny zato, kabary arivo, tokana ihany ny marina []
Dikanteny frantsay Cent paroles, mille discours; un seul est vrai. [Houlder 1895 #454]

Ohabolana Tokin’aina ny marina atao []

Ohabolana Toko fohatra, vilany mitongilana : izay tsy marina arenina. [Veyrières 1913 #3518]
Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina. [Rinara 1974 #4160, Cousins 1871 #3109]
Toko tapaka, vilany mitongilana, ka izay tsy mety arenina. [Houlder 1895 #153, Veyrières 1913 #3072]
Dikanteny frantsay Pierres du foyer brisées, marmite renversée : il faut redresser ce qui n' est pas bien. [Veyrières 1913 #3072]
Pierres du foyer qui ne sont pas affermies, marmite qui est inclinée : il faut redresser ce qui n' est pas droit. [Veyrières 1913 #3518]
Un trépied brisé, une marmite qui penche: on peut remettre d' aplomb ce qui ne l' est pas. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Il faut corriger ce qui n' est pas bien. [Veyrières 1913 #3072]
Se disait des torts à redresser, des querelles à arranger. [Veyrières 1913 #3518]

Ohabolana Vatsy tsy miohatra ny marina, soa tsy miohatra ny vola. [Rinara 1974]

Ohabolana Zovin' ny mpiambina : mahamamy ny torimason' ny marina. [Rinara 1974 #5107]

Fizahan-teny