Fizahan-teny

Ohabolana : matimaty

Ohabolana 1Maty an-dazony hoatry ny valala nosamborim-boka. [2.415 #2009]
Maty an-dazony, ohatra ny valala nosamborim-boka. [2.653]
Maty an-dazony, tahaka ny valala samborim-boka. [2.558 #2200]
Matimaty foana tahaka ny valala samborim-boka. [2.558 #144]
Maty tsy amin' ny antony (potsitra) toy ny valala nosamborim-boka. [2.558 #2205]
Dikanteny frantsayMourir d' une mort violente comme la sauterelle saisie par le lépreux. [2.415 #2009]
Fanazavana frantsayIl l' écrase de ses mains difformes et maladroites. [2.415 #2009]

Ohabolana 2Matimatim-pitia toa lalitra ka mitsobaka alohan' ny sotro. [2.558]
Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan' ny sotro. [2.165 #1710, 2.974 #448, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza izay maimay hanao zavatra ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory [1.1]
Enti-milaza ny fahavoazana ateraky ny saina tsy ampy ka maimay mitsoboka atsy sy ary. [1.1]
Dikanteny frantsayAveuglé par l’amour, comme la mouche qui plonge avant la cuiller. [2.974 #448]
Mourir par excès d' affection comme la mouche qui se jette dans un liquide avant que la cuillère y pénètre. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' agit d' un liquide brûlant, du lait ou de la sauce, par ex., dans lequel la mouche se jette et périt. [2.165]

Fizahan-teny