Fizahan-teny

Ohabolana : miala

Ohabolana 1Aza matahotra ny masony nefa te-hividy ny lohany. [2.558 #705]
Matahotra ny masony ka no te-hividy ny lohany. [2.558 #2165]
Nahoana no saro-tahotra ny masony, ka tia vidy ny lohany ? [2.415 #6013, 2.653 #2066]
Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany. [2.165 #1184, 1.1]
Saro-tahotry ny masony, ka te-hividy ny lohany. [2.415]
Saro-tahotry ny masony ka te-hividy ny lohany, manahy ny sofin-jaza ho lava, ka no miala liana amin' ny bitro ! [2.558 #3850]
Saro-tahotry ny masony, ka tia vidy ny lohany. [2.415]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayComment, ayant peur de l' oeil, prétendez-vous acheter la tête ? [2.415]
Il a peur des yeux du mouton, et il veut cependant en acheter la tête. [2.415 #3819]
Vous craignez les yeux et vous voudriez acheter toute la tête! [2.165 #1184]
Fanazavana frantsaySe disait des fanfarons. [2.415 #6013]
Se disait des gens désireux d' une chose et qui ne se laissent pas arrêter par le danger ou la crainte ; se disait aussi des fanfarons et de ceux qui veulent avoir une chose sans se donner de peine pour l' obtenir. [2.415 #3819]

Ohabolana 2Banga mifanaikitra : ny dia-nify tsy misy fa ny tseroka ihany no miala. [2.558 #841]

Ohabolana 3Diamangan-dRainisima : ny lavo mitsilany, voa vao manala vava. [2.415 #6497, 2.653 #832]
Diamangan-dRainisima : ny lavo mitsilany, voa vao miala vava. [2.558 #977]
Dikanteny frantsayCoups de pied de Rainisima : celui qui tombe demande grâce, c' est une fois atteint qu' on a de bonnes paroles. [2.415 #6497]
Fanazavana frantsayLa lutte à coups de pied était un jeu très en usage. [2.415 #6497]

Ohabolana 4Hihisana vao mety miala. [2.415 #4044]
Dikanteny frantsayLa sangsue ne se retire que lorsqu' elle y est contrainte. [2.415 #4044]
Fanazavana frantsaySe disait de qui ne se retire que lorsqu'il est forcé. [2.415 #4044]

Ohabolana 5Levilevy tsy miala amin' ny takotra. [2.415 #775]
Dikanteny frantsayLe couvercle de la marmite reçoit toujours la vapeur bouillante. [2.415 #775]
Fanazavana frantsayLes petits ont beau faire, ils seront toujours blâmés par les grands ; jeu de mots : levilevy qui signifie à la fois réprimande et mouvement de l' eau sur le point de bouillir. [2.415 #775]

Ohabolana 6Malahelo misakaiza amim-Bazimba: ny akoho tsy misy, fa amy ny menaka no miala nenina. [2.653 #1451]
Malahelo misakaiza amim-Bazimba : ny akoho tsy misy, fa amin' ny menaka no miala nenina. [2.415 #81, 2.558]
Dikanteny frantsayPauvre homme ami d' un Vazimba : il n' a pas de poule, mais c' est avec de la graisse qu'il manifeste sa bonne volonté. [2.415]
Fanazavana frantsayLes Vazimba se contentent du peu qu'on leur donne, pourvu qu' on ait bonne volonté : on fait ce qu' on peut. [2.415 #81]

Ohabolana 7Maraina tsy miala nenina, ka hariva vao aiza aho rey olona! [2.558 #2128]

Ohabolana 8Miala aina hanadio ny sasany tahaka ny savony. [2.558 #2241]

Ohabolana 9Miala fo aman-kavana, fa ny monina irery zava-tsarotra ; miala fo aman-taona, fa ny oran-ko ritra. [2.415 #1101, 2.653 #1714, 2.558]
Dikanteny frantsaySoyez bien ouvert avec vos parents, car il est dur d'habiter seul ; travaillez de tout coeur à la saison propice, car la pluie cessera et la terre deviendra dure. [2.415]

Ohabolana 10Miala fotaka. [2.415 #3701]
Dikanteny frantsaySe débarrasser de la boue. [2.415 #3701]
Fanazavana frantsaySe disait d' un repas fait après un travail fatiguant comme le travail des rizières. [2.415 #3701]

Ohabolana 11Miala maina toy ny avy nandevina alika. [2.558 #2245]
Miala maina toy ny mandevina amboa. [2.415]
Miala maina toy ny mpandevim-boka. [2.415]
Dikanteny frantsayS' en retourner les mains vides comme on était venu, à la façon de ceux qui ont enterré un lépreux ou un chien. [2.415 #2013]
Fanazavana frantsayAllusion à ce qu' il n'y avait pas de distribution à ces sortes de funérailles ; on appliquait ce proverbe à ceux qui partaient sans avoir reçu de présents. [2.415 #2013]

Ohabolana 12Miala sasatra, ka mitaona lavenona. [2.415 #568]
Dikanteny frantsayReposez-vous, dit un maître à ses esclaves ; et comme repos, il leur dit : portez les cendres et le fumier. [2.415 #568]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des maîtres trop exigeants ; il signifiait aussi ; reposez-vous tout en travaillant. [2.415 #568]

Ohabolana 13Miala sasatra vao mandia loha ohatra ny siny. [2.165]
Miala sasatra vao mandia loha tahaka ny siny. [2.558 #2245]
Dikanteny frantsaySe reposer avant de marcher (ou d' avoir) la tête en bas comme une cruche. [2.165]
Fanazavana frantsayOn ne pose la cruche, la tête, c. à. d. l'ouverture, en bas, que lorsqu' on ne s' en sert plus, ou quelle est vide (quelle se repose); mais, par euphémisme, marcher la tête en bas veut dire faire de grands efforts. Ce proverbe marque ainsi le fait de quelqu' un qui, tout en paraissant se reposer, ou au moment où il devrait se reposer, travaille plus dur qu' avant. [2.165]

Ohabolana 14Miala sikidy. [2.415 #129]
Dikanteny frantsayChanger de maison sur l' ordre des mpisikidy ou devins. [2.415 #129]
Fanazavana frantsayCette expression avait le sens général de changer d'air ou de changer de maison. [2.415 #129]

Ohabolana 15Mingodongodom-pihavy ny manan-dreny : manao fihavin' andriana, tsy miala afa-tsy eo avara-patana. [2.415 #925, 2.653 #1797]
Mingodongodom-pihavy ny velon-dreny : manao fihavin' andriana, tsy miala tsy avara-patana. [2.558]
Dikanteny frantsayEnfants qui ont encore leur mère au foyer : ils entrent en faisant résonner leurs pas, ils arrivent comme des princes, ils ne descendent de leur palanquin ou ne s' arrêtent que lorsqu' ils sont au nord du foyer, à la place d' honneur. [2.415 #925]
Fanazavana frantsayCe proverbe montre bien la différence de traitements entre une mère et une marâtre ; on l' appliquait à ceux qui étaient joyeux parce qu' ils se sentaient aimés et protégés. [2.415 #925]

Ohabolana 16Mitsaitsaika fihavy ny tsy manan-dreny, manao fihavim-pangady, tsy miala fa ao am-pototr' andry. [2.415 #1035]
Mitsaitsaika fihavy ny tsy manan-dreny, manao fihavim-pangady, tsy miala fa eo am-pototr' andry. [2.558 #2493, 2.653]
Dikanteny frantsayL' enfant qui n' a pas de mère au foyer avance sans bruit, il arrive comme la bêche qui ne va jamais ailleurs qu' au pied de la colonne. [2.415 #1035]
Fanazavana frantsayDans la maison les enfants des différents lits, étaient traités avec partialité. [2.415 #1035]

Ohabolana 17Mpandranto maro anaka : any an-dalana no miala liana. [2.558]

Ohabolana 18Ny henatra tsy afaka aman' olombelona. [2.415 #6459]
Ny henatra tsy mba miala aman' olombelona. [2.415 #6460]
Dikanteny frantsayIl n' y a personne qui ne connaisse la honte. [2.415 #6459]
La honte ne quitte pas les hommes. [2.415 #6460]

Ohabolana 19Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [2.653]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [2.974]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [2.558 #3207]
Dikanteny frantsayLa chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [2.974 #159]

Ohabolana 20Ny tsiny lala-malama : izay tsy miala no lavo. [2.415 #3604]
Dikanteny frantsayLe chemin du blâme est glissant : qui ne s' en détourne pas y tombe. [2.415 #3604]
Fanazavana frantsayFormule pour ce qui doit suivre dans un discours. [2.415]

Ohabolana 21Ody valalan' ny tsy mahay ka voky dia miala. [2.558 #3393]

Ohabolana 22Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' izay itarihana azy. [2.558]
Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' ny itarihana azy. [2.415 #3364]
Dikanteny frantsayEau vive qu' on amène en hiver par des canaux dans un village : elle quitte bien l' endroit où elle était, mais elle n' arrive pas à l' endroit où on veut l' amener : elle se perd en route. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui se perd en route, par exemple l' argent dans un procès. [2.415 #3364]

Ohabolana 23Tain' omby an-tany mena : raha tsy miomba nofo tsy miala. [2.558 #3996, 2.653 #2975]
Tain' omby an-tany mena: raha tsy miombona afo, tsy miala. [2.165 #284]
Tain' omby an-tany mena : raha tsy miombon' afo tsy omena. [2.558 #3995]
Dikanteny frantsayDe la bouse de vache sur de la terre rouge: si on ne les met ensemble dans le feu, elles ne se séparent pas. [2.165]

Ohabolana 24Tari-drano ririnina : miala amin' izay nitaritana azy, fa tsy tonga amin' izay nokasaina. [2.558 #4109]

Ohabolana 25Tinain-kena raty vorake, miala teña raty soratse. [1.68]
Dikanteny frantsayIntestin mal découpé, je me déplace, moi qui ai une mauvaise figure. [1.68]
Intestin mal vidé, je me déplace, moi qui suis vilain. [1.68]

Ohabolana 26Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, mbola ao an-traingovazana ihany. [2.165]
Toy ny rambon' omby, ka na hipelika aiza, na hipelika aiza, tsy miala, fa eo amin' ny traingo vazany ihany no farany. [2.415 #1136]
Toy ny rambon’ omby: na hipelika aiza, tsy hiala, fa ho an-traingovazana ihany no farany. [2.653]
Toy ny rambon' omby : na hipelika atsy na hipelika aroa, dia tsy aiza tsy akory fa eo an-traingovazana ihany. [2.558 #4343]
Dikanteny frantsayC' est comme la queue du boeuf : elle a beau se balancer çà et là, elle ne s' en va pas et s' arrête au jarret. [2.415]
Comme la queue d' un bœuf: qu' elle s' agite à droite ou à gauche, elle retombe toujours sur ses jarrets. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait aux parents qui voulaient se tenir à l'écart. [2.415 #1136]

Ohabolana 27Tsy mety raha miala maina ohatra ny nandevim-boka. [2.558]
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevim-boka. [2.653, 2.165]
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevin-amboa. [2.165]
Tsy mety raha mody maina toy ny avy nandevina amboa. [2.558 #4654]
Tsy mety raha mody maina, toy ny mandevina amboa. [2.653 #3471]
Dikanteny frantsayIl n' est pas convenable de s' en aller les mains vides comme lorsqu' on a enterré un lépreux (ou: un chien). [2.165]
Fanazavana frantsayAux ensevelissements de gens qui se respectaient, il y avait toujours une distribution d' argent (le "ala fady") et de viande de bœuf. [2.165]

Ohabolana 28Tsy misy lehibe noho ny sinibe ; fa raha avy ny zinga, miala satroka. [2.974 #382, 2.653]
Tsy misy lehibe toa sinibe, fa raha avy ny zinga miala satroka. [2.558]
Dikanteny frantsayLa grande jarre est un personnage, mais quand vient le petit gobelet elle se découvre. [2.974 #382]

Ohabolana 29Vidy ombalahin-dRazakandrianaina: tsy mividy ny mahavoa, fa ny mahay miala. [2.165]
Vidy ombin-dRazakandrianiaina : tsy mifidy ny mahavoa, fa ny mahay miala. [2.558 #4949]
Dikanteny frantsayRazakandrianaina achetant un taureau (de combat); il n' achète pas celui qui sait bien frapper, mais celui qui sait bien esquiver les coups. [2.165]

Fizahan-teny