Fizahan-teny

Ohabolana : mianefitra

Ohabolana 1Aleo maty olo-malaina, toy izay vaky vilany an' efitra. [2.165 #701, 2.558 #127]
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra. [2.653 #100, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa latsa-bidy noho ny vilany ny olona kamo. [1.1]
Enti-milaza ny fahatsinontsinon' ny olo-malaina, kamo (ny fahafatesany dia tsy mitondra fahavoazana firy miolotra amin' ny fahavakisam-bilany any an' efitra, izay mafy tokoa satria tsy ahitana na inona na inona horaisina hahandroan-kanina any. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux laisser mourir un serviteur paresseux plutôt que de casser une marmite quand on est en voyage dans un désert, - où on ne peut s' en procurer une autre. [2.165]

Ohabolana 2Toy ny mpirahalahy mianefitra : izy tokiko ary izaho tokiny. [2.558 #4305]

Fizahan-teny